AFIFAB / Andiany « Santatra Fahazavana »

Mpiofana miisa 92 mianadahy no navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana ny Alahady 17 Septambra tolakandro lasa teo. Izy ireo dia niofana momba ny serasera sy fifandraisana tao anatin’ny efa-bolana isaky ny sabotsy maraina sy alarobia tolakandro teny amin’ny IEP Ampandrana sy tao amin’ny efitra malalaka ny Foibe FJKM Trano Ifanomezantsoa Analakely .

Maimaimpoana ny fiofanana nomena azy ary izay niompana tamin’ny tontolon’ny serasera sy fifandraisana ary ao anatin’izay ny mampiavaka ny mpisehatra amin’ny haino aman-jery kristiana, ny teknika amin’ny fakana sary na ho amin’ny gazety an-tsoratra na amin’ny fahitalavitra,ny fiseraserana amin’ny internet sy facebook, ny filonana amin’ny firesahana teny Anglisy izay niarahana tamin’ireo tanora avy any ivelany (Afrika atsimo,…).

Nisy ihany koa ny fitsidihana ny fahitalavitra RTA sy ny onjam-peo Radio Fahazavana. Avy amin’ny RTA, ny Scoop Digital, ary avy amin’ny AFIFAB ireo mpampiofana izay samy nizara am-pitiavana tokoa ny fahaizany sy ny fahaiza-manaony avy.

Tonga maro nanotrona azy ireo ny mpianakavin’ny finoana sy indrindra ny fianakaviany. Ankoatra ireo Tomponandraikitra samihafa an’ny fiangonana, toy ny komity mpikarakara, dia hita tonga nanotrona teny ihany koa tamin’io andro namoahana azy ireo io ny solotenam-panjakana mbamin’ireo mpanohana samihafa. Nanafana ny fotoana ihany koa ireo antoko mpihira marobe izay nahafinaritra tokoa ny nihaino ny hira nasandratr’izy ireo tsirairay avy. Ireto andiany “SANTATRA FAHAZAVANA” ireto, dia miara-miasa amin’ny AFIFAB sy ny Fitandremana ary ny Synodamparitany misy azy ireo tsairairay avy.

Tsara ny manamarika, fa ny andron’ny 17 Septambra no feno 20 taona katroka ny Radio Fahazavana (17 Septambra 1997 – 17 Septambra 2017). Natokana ho ivon’ny fankalazana io tsingerin-taona io ihany koa iny andro iny, ary dia lanonana roa sosona araka izany no natrehin’ny rehetra tonga nanatrika teny an-toerana.

Tsiahivina, fa ny tsangambato amin’izao faha-20 taonan’ny Radio Fahazavana izao, dia fahitalavitra. Efa miroso ny ezaka amin’izany amin’izao fotoana izao, toy ny ezaka “pylône” izay apetraka eny Ambohibe Ilafy. Efa nanome ny ampahany amin’ny fitaovana momba izany ny groupe RTA.

Nisy ihany koa ireo mpianakavin’ny finoana maro nanolotra zavatra samihafa toy ny vola izany. Mbola mitohy ny ezaka ary entanina amin’izany ny vahoaka kristiana rehetra.

Aris

Zoma 06 Oktobra 2017 .

Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

Lioka  21.29-36

« Fa miambena  ka mivavaha mandrakariva  mba hahery ianareo  … » (and 36)

Nanamarika ny mpandinika iray taty  Afrika  fa ny taona  arivo voalohany  isika  dia nanorina fiangonana , ny taona arivo faharoa , nampiely  ny Filazantsara  ary amin’izao   taona arivo fahatelo izao  dia miatrika  fanamby  hahaizana  mamantatra  ny zavatra ho avy  sy fijerena lavitra . Tari-dàlana  no omen’ny  Tompo  antsika hiatrehantsika  izany .

1-Asainy  miambina isika 

Faharetana  manao  ny fanompoana nomen’ny  Tompo  no fonon-kevitry  ny teny  hoe: « miambina » . Tsy miala  eo  amin’izay  nanaovam-panekena  teo  anatrehany  . Ohatra : fanekena maha-Mpandray  ny Fanasan’ny  Tompo , aoka mba hiverenana hatrany  hananana firaisana marina  amin’i Jesoa Kristy  sady hahatsapana fa miara-mandeha Aminy tokoa ho fijoroana vavolombelona fa nomeny  fanahy mahery . Mahereza mamaky Baiboly  isanandro  hihainoantsika  Azy.

2-Asainy mivavaka mandrakariva

Tànana mandray ny tànan’ny  Tompo ny vavaka, satria tsy resaka  hatao Aminy  fotsiny izany  fa tena  fanomezana  valiteny  Aminy  noho ny teny  nolazainy  tamintsika tao amin’ny Soratra masina novakiantsika . Miandry   antsika  mandrakariva  hanatanteraka  ireo hafatra nomeny  Izy ary manoro  antsika hatrany  ny làlana  tokony  hizorantsika koa .Jesoa Kristy , feno  fitiavana no niantso   sy nifidy   antsika   ary  manendry antsika  mba handeha  hanohy ny asany  ety  amin’izao tontolo izao  . Mikeleza  aina àry  amin’ny vavaka  mba ho vonona  sy hahery  miatrika ny ho avy .

Fanontaniana:

Mahatsiaro  ny hery  omen’ny Tompo ve ianao?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Hafatry ny Filoha / Antso avo fahatelo

 

Ry havana Malala,

Manao antso avo izahay mba hanova fomba fisaina sy fomba fiasa isika ka halevina impito mandifotra olona ny samy maka ho azy, fa mba samy hanompana ny herintsika avy isika amin’ny fanatrarana ny vinantsika hoe: “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara”, ka samy tena hirotsaka hanao tafika masina avokoa, ary izay rehetra manao tafika masina ivelan’ny toerana misy azy dia mba ho any amin’ny kaominina 407 mbola tsy misy fiangonana FJKM avokoa no handeha, araka izay azo atao:

Ry Andriamanitra velona ô, havaozy sy ovay izahay!”

Araka ny ambaran’ny Fitsipiky ny FJKM, and.265.8, moa dia “Raiamandreny” ny Filohan’ny FJKM. Koa antso avon’ny Raiamandreny ihany no ataonay. Tsy fanapahan-kevitra anaovana teny midina, fa antso avon’ny Raiamandreny mahatsiaro fa mbola hampamoahina “eo anatrehan’Andriamanitra sy I Kristy Jesoa, Izay hitsara ny velona sy ny maty” (2 Tim. 4.1)”.

(Jereo ao amin’ny bokikely Ny vinantsika FJKM : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara? Izay nantomboka naely tany Antsiranana, ny manontolon’ity hafatra ity raha mahaliana anao).

 

Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

Alakamisy 05 Oktobra 2017 .

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

1 Mpanjaka 9.1-5

Fotoana  voalazan’ny mpandinika   fa telo  ambin’ny folo  taorian’ny nitokanana ny Tempoly   no nahazoan’i Solomona  izao  valimbavaka izao . Andriamanitra  mihaino   vavaka   tokoa ny  Tompo  ary manana  fomba hanehoany  izany  amin’izay  mahatoky  Azy Izy  . Raisintsika  koa eto  izany   ny valin’ny vavaka  marina :

1-Handraisana  ny fahamasinan’ny Tompo  (and3)

« Efa nohamasiniko   ity trano  nataonao ity« . Vavaka  marina  tokoa   ny manome Voninahitra  an’ Andriamanitra sy  ny mitondra fifonana  eo  anatrehany   fa izany   no hanamasinany   ny asa atao. Mety   tokoa ny manorin-trano  ho fanomezam-boninahitra  ny Tompo   sady ho fijoroana vavolombelona  amin’ny alalan’ny vavaka  fa tsy fitokiana  amin’ireo  mpitaiza  na mpanandro   . Fa mamaly vavaka tokoa ny toy izany  ny  Tompo  tahaka ny hitantsika eto . Izy  no  miaro  ny mpanompony  mandra-pahavitan’ny asa . Azo  antoka ny teny nomeny  . Koa manàna finoana hanaovana asa ho Voninahitry ny  Tompo .

2-Hahazoana  fampanantenana  vaovao (and 4-5)

« …hampitoeriko  mandrakizay  … ». Fikasan’ny  Tompo  ho an’ny mpanompony  rehetra  ny hampitoetra azy mandrakizay raha mihaino   sy  mankato  ny Teniny   ireo . Jesoa Kristy   no nanamafy  izany raha niteny  hoe: »izay  maharitra  hatramin’ny farany  no hovonjena »  (Mat 24.13). Izany  hoe : tokony handeha  mandrakariva  amin’ny fahamarinana  sy ny fahamasinana  omen’ny Tompo   isika  ary hijoro  ho vavolombelony  fa mahery vavaka  ny mino  Azy  ka miharihary  ny valin’ny vavaka  natao .

Fanontaniana:

Tantarao  fohy hy valimbavaka azonao .

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 04 Oktobra 2017 .

Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

Lioka 18.9-14

Ny fivavahana  atao amim-panetretena 

1-Manaiky  ny maha- mpanota 

« Andriamanitra  ô, mamindrà fo amiko  mpanota » (and13). Vavaka  natao  ho fiaken-keloka  no hijeren’i  Jesoa mpamela heloka ny toe-pontsika tahaka izao.Rehefa niteny i Jesoa hoe: »tsy  ny finaritra  no mila mpanao fanafody  fa ny marary« dia mitady olona hibebaka  noho ny ota natao Izy . Ity mpamory hetra voalaza  eto ity  dia tena  vonona  hivavaka  amim-panetretena  sady nandroso  nitady ny famindrampon’ Andriamanitra tanteraka. Mifanohitra amin’izany  kosa  no nataon’ilay Fariseo  izay zatra mitsara  tena  teo  amin’ Andriamanitra . Tsara  ny manana fanetrentena  ary  manatona  miaiky  fa ratsy  sy tsy tanteraka  mba hahazo  fanavaozana  avy amin’ny Tompo .

2-Mahazo  fanamarinana

« Izany  lehilahy  izany  nidina  tany an-tranony  efa nohamarinina  noho  ny anankiray » (and 14). mahazo  valimbavaka  vetivety  ny mpivavaka  manetry tena tahaka ilay mpamory hetra . Ny Tompo  tsy mahela  ny teny  fikasany fa ny famonjena , hoy izy  , dia ho anareo  sy ny zanakareo   na iza na iza  antsoin’ny Fanahy hanatona  an’ Andriamanitra . Azontsika  toy izany ny fanamarinan’ Andriamanitra antsika  raha miala  amin’ny fanamarinan-tena  isika . Mijery  ny finoana  ao amin’izay rehetra  mivavaka Aminy  ny Tompo . Isaina ho mahery  vavaka  ny vavolombelona marina ka miaiky  ny fahotany  satria  nahazo  fanamarinana.

Fanontaniana:

Inona no fanombohanao  ny vavaka fanaonao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

 

Fampianarana / miova sy manova.

FIANGONANA MIORINA ary

                  MANOVA AO AMBANY FITARIHAN’NY  FANAHY MASINA

1-    Fiangonana manitatra ny Fitoriana ny Filazantsara : Tsiahivina eto ny maha izy ny Fiangonana sy ny vaindohan-draharahany, ary misy ny asa andrasana amin’ny Fiangonana. Jesoa Kristy no fahazavan’izao tontolo izao ; Izy tokoa mantsy no  Tompon’ny fahefana rehetra sy mahefa ny zavatra rehetra,ary manerana izao rehetra  izao .Midadasika sy goavana ny saha, anirahan’ i Jesoa Kristy ny FIANGONANA. Mampieritreritra tokoa ireto voambolana nampiasain’ny Tompo ireto :-..Izao tontolo izao-Olombelona rehetra  …  ( Marka 16.15 -18,     -….Firenena rehetra ( Lioka 24.46 -48 ) -……faran’ny tany  ( Asa 1.8) –Ianareo no fahavan’izao tontolo izao.

Ireto misy toro-marika ,mba ahafahana miroso amin’izany :
•    Ampiharo ny fomba fanitarana asa nataon’i Paoly  (Asa) : Nandeha nitory ny Filazantsara sy namboly Fiangonana,tany amin’ny faritra hafa Izy
•    Beazo ny Mpino ho tonga mpitory, ary hamaroy ny isany
•    Hafainganina ny fihitaran’ny asa.

2-    Fiangonana mahataona olona ho an’I Kristy : Asa fototra mampisy sy antom-pijoroan’ny Fiangonana dia ny FITORIANA NY FILAZANTSARA araka ny Matio 28:19 sy ny Marka 16 :15 . Ny Filazantsara ambara moa dia I Kristy Ilay maty ary nitsangana tamin’ny maty ka manome fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra mino Azy .1 Korint.15 :3-4 sy Jaona 3 :16 .  Lafiny  efatra lehibe no ahazoana mahita sy mampisy io vokatra io : – VAVAKA – FITORIANA NY FILAZANTSARA – FAMPIORENANA –  FANANGANANA  – VONDROM-BAVAKA .

3-Fiangonana maniraka olona

 Izaho Izay Izy hatrizay ka ho mandrakizay , no navalin’Andriamanitra an’i Mosesy ,raha nanontaniany ny Anarany  .Izy ANDRIAMANITRA MANIRAKA OLONA : I Jesoa Kristy naniraka ny Apostoly roambinifolo lahy sy ny fitopolo lahy hialoha làlana Azy, sady nomeny fahefana hanao ny asa rehetra , ary ny hafatra farany izay napetrany aza,dia baiko lehibe hitondrana izao vaovao mahafaly izao ,dia ny famonjena vitany any amin’izao tontolo izao. Nirahiny koa ny Fanahy Masina tamin’ny andro Pentekosta ka teraka avy amin’izany ny Fiangonana,tenan’i Kristy.

Fiangonana maniraka olona

Nandray ny Fanahy Masina izy ireo  – Nandray tsara ny Tenin’Andriamanitra izy ireo  – Naharitra tamin’izay nitarihin’ny Fanahy Masina  sy ny Apostoly azy izy ireo ka tonga nahery indrindra  dia niroso feno voninahitra ny Fiangonana  – Nanana fiaraha-monina sy fanompoam-pivavahana tao anatin’ny fiombonana feno  Asa 2-42.

4-Ny FJKM sy ny FITORIANA NY FILAZANTSARA   ( Nohazavain’ny Filoha FJM Pasteur Irako R.Ammi)

Fiangonana FJKM takian’ny Tompo dia Fiangonana V.T.T.  :
V . :  Vokatra azo tsapain’ny Tanana no ilaina izay manamporofo fa velona  Jaona 15.16 .Vokatra maharitra .Rehefa mitory dia mitory tokoa.Ny asa atao tsy maintsy tohizana
T. :  Tanterahina mandava-taona ny asa Fitoriana Filazantsara .Manao tafika Masina isam-bolana ny Fiangonana ,manomboka ny volana Febroary 2017;
T. : Tsy azo sarahina ny asa sy ny Teny  Matio   5 :16
Aza mijery izay kely hananana fa miantehera an’I Jesoa Kristy
Foto-dalàna : And faha 5

 Fehiny  

1-AZA MENATRA NY MIOVA
2-rehefa miova AZA MIOVA INTSONY     
3-SAHIA MANOVA

FJKM Canada / Fanokanana Mpiandry

Fanokanana Mpiandry tany Canada

Dimy mianadahy no MPIANDRY notokanana mba  hiasa any amin’ ny FJKM any Kanada ny volana Oktobra lasa teo. Zanaky ny fiangonana Ankadifotsy ny iray tamin’izy ireo dia Hervé Rajaonarivelo  sady diakona any an-toerana rahateo.

Efa tany amin’ny taona 2014 izy ireo no nianatra SEFALA , fa rehefa vita ny « tronc commun » dia nisy ny niofana ho mpitoriteny ary misy ny nanao Mpiandry. Misy Mpitandrina FJKM monina any Amerika dia izy no mampianatra amin’ny alàlan’ny skype, na gotomeeting…dia rehefa mandalo mampivavaka any an-toetana izy vao misy ny fihaonana.

Raha tsorina izany dia efa ho 3 taona latsaka no niofanan’izy ireo.

Ny matières rehetra ary ny atsasaky ny fiofanana mpiandry dia efa saika vita tao amin’ny tronc commun avokoa, tahaka izany koa ny an-dry zareo niomana ho mpitoriteny izay havoaka amin’ity volana Novambra izao.

Nanangona fifiav

FJKM Ankadifotsy

SAFIF/ Ady amin’ny fahalovana sy kolikoly.

Ireo tondrozotra 10 enti-miatrika
ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana

 

Fiofanana FOFIFI notarihin’ny Filohan’ny FJKM Ammi Andriamahazosoa Mpitandrina.

Nanofana ny Sampana fifohazana nadritry ny FOFIFI ny 8 Aprily 2017 lasa teo ny filohan’ny FJKM Ammi Irako Andriamahazosoa.” Fifohazana miatrika ny kolikoly sy ny fahalovana” no lohahevitra tamin’izany.

Ireo tondrozotra 10 enti-miatrika ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana

1-Raiso marina i Jesoa Kristy. Ady poakaty no atao raha rafitra sy herim-pamoretana no enti-miady,   tsy afaka mandresy ny fahalovana raha tsy mandray marina an’i Jesoa Kristy. Ny anarana sy ny andraikitra tsy midika fa efa nandray an’i Jesoa marina ny olona iray toa an’i Nikodemosy Jao.3. Jodasy nanaiky ny andraikitra sy ny antson’i Jesoa izy fa tsy nanaiky ilay niantso azy. Jesoa Kristy ihany no manova olona.

2-Mibebaha noho ny amin’ny kolikoly nataonao. ASA 17: 30b Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka

3-Sahia manapa-kevitra hijoro amin’ny fahamarinana araka izay azonao atao. Tena ilaina ny fanapahan-kevitra, io no tsy ataontsika matetika. Jos. 24: 15, 19 mila mandray fanapahan-kevitra izany

4-Mazoto mandalina ny teny fahamarinana. Jao. 17: 17 Manamasina azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. Ny fahamarinana iray dia « justice »: fitondran-tena mandeha mahitsy. Ny iray dia « verité »: fahamarinana avy amin’ny tenin’Andriamanitra iorenantsika no afaka manamasina antsika. Manaova fandalinana, jereo ao amin’ny konkordansa amin’ny Baiboly amin’ny teny Malagasy ahitanao ireo toko sy andininy rehetra mahakasika ny teny hoe: « kolikoly ».

5-Ampiasao ny fiadiana: “vavaka” Mar. 14:  38  .Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy. Mivavaha ho anao ary mivavaha koa ho an’ny hafa koa.

6-Roahy ny devolin’ny fitiavam-bola. Tena asan’ny fifohazana mihitsy ity iray  ity. Ny mamôna dia tena sampy, hery ratsin’i Satana no ao ambadik’io mamona io.  mat.6:24. Raha vao tia vola ianao dia maka ny toeran’Andramanitra ao amin’ny fonao ny vola “tiava an’i Jehovah Andriamanitrao …amin’ny fonao rehetra”. Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra koa ampiasaina io fa tsy tiavina. Mihorohoro ny olona amin’ny Lioka 14:33. Jesoa no niteny:« Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro”. Raha mikarama iray hetsy ianao, ohatrinona no tokony omena an’i Jesoa, iray hetsy satria an’i Jesoa daolo io, manaiky an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy ianao dia azy avokoa iza rehetra hanananareo. Tsy anao intsony ny vola ka tsy maintsy miera amin’i Jesoa ianao amin’ny hamoahanao azy, Jesoa havoaka ve ny volanao handoavana hofatrano, hividianana sigara sy toaka, hividianana kiraro… be ny kristiana manodikodina ny volan’Andriamanitra amin’ny fandaniam-poana. Tsy maintsy manova ny fitantanam-bolany ny olona. Misy ny herin’ny vola mangeja: misy ny nanolotra ny tenany an’i Jesoa fa tsy ny paosiny.fony mpianatra, efa miasa, misondrotra amin’ny fiainana fa mbola ariary zato hatrany no atolotra ny Tompo, araka izay hananana no ankasitrahana hoy ny Baiboly.2Kor.8: 12.

7– Mananara izay manao kolikoly  Efes.5:11 “Ary aza miray amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany” .Mila mananatra isika anefa tsy masiaka ary tsy mitsara . Mitenena amin’ny fotoana mahamety azy. Tsy mahazo mangina isika

8-Sahia mijoro vavolombelona amin’ny kolikoly hitanao: misy ny vatan’ny bianco : soraty alefaso ao, raha misy kolikoly hitanao any amin’ny fiangonana, soraty alefaso aty amin’ny Filoha FJKM. Nisy ny asa nataon’ny mpanatrika fofifi: Soratana ny trangana kolikoly efa hita natao amin’ny taratasy ary nomena ny filohan’ny FJKM

9-Tohano ny asan’ireo miady amin’ny kolikoly : Epistilin’ny Jaona 3: 7-8 fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin’ny jentilisa izy. Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.

10-Meteza ho martioran’ny fahamarinana raha ilaina: Mpit.7:16 Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana no simbanao ny tenanao? Fantaro tsara, tena ilaina marina ve ny hanaovako sorona amin’ny fahamarinana amin’ity toe-javatra ity, misy fotoana mila mijoro sy miteny ianao noho ny fahamarinana mila afaka amin’ny fangejan’ny vola.

Nisy ny fotoan’ny fanontaniana sy valiny taorian’izany. Ary nisy ny tomban’ezaka nampanaovina ny mpanatrika FOFIFI manao hoe: inona no fanapahan-kevitrao taorian’ ity Fofifi ity izay nangonina avokoa teny am-pamaranana.

Nanangona S.R/fifiav

SEFALA / FJKM CANADA

Sefala Canada

Ny Alahady 21 Mey 2017 lasa teo no nanokanana ireo nahavita ny fianarany tamin’ny SEFALA tany amin’ny FJKM telotrano tany Canada.  Ny FJKM Québec, FJKM Montréal ary FJKM Ottawa no mandrafitra ny FJKM telo trano any Canada.

10 mianadahy izy ireo, ka ny 9 natokana ho mpitoriteny ary ny 1 Katekista izay Ramarolahy José sylvain zanaky ny FJKM Ankadifotsy. 5 mianadahy no avy amin’ny FJKM Québec ary 5 kosa avy ao amin’ny FJKM Montréal. Nandritra ny Tafika Masina no tanterahina tany amin’ny tananan’ny Ottawa sy Gatineau no nanaovana ny fanokanana. Ny mpampianatra azy ireo dia ny Mpitandrina Perline Cooper, nandritra ny roa taona. Ny fianarana dia notanterahina en ligne nandritra izay 2 taona izay.

Hetsika vontosy Filazantsara

ny Malagasy rehetra any Canada 

Ny Tafika Masina indray dia nanantanteraka ilay iraka lehibe hoe vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, ny azy ireo kosa indray hoe: “ vontosy Filazantsara ny Malagasy rehetra”. Ny Sabotsy dia fanafiana isan-tokatranon’ny Malagasy izay nanaiky handray ny mpiantafika no natao. Ny alahady 21 mey kosa no sady famaranana ny Tafika Masina no fanokanana azy 10 mianadahy voalaza tetsy ambony.

 Nanangona Veronica A

Oniversity Ravelojaona / Fiche Récapitulative

 

 

DOMAINE MENTION PARCOURS
 

Arts, Lettres et Sciences Humaines

 

 

 

 

 

Théologie

 

Théologie Biblique

Théologie Systématique
Théologie Historique
Théologie Pratique
Missiologie
Sciences Humaines Sociales
Sciences du tourisme Ecotourisme
Tourisme en mission
Sciences de la Société  

 

Sciences de Gestion

Initiation en sciences de Gestion
Pratique de Gestion
Finance et Comptabilité
Management/Commerce et Marketing
 

Droit

Discipline Juridiques de bases
 Droit Privé
Droit Public
Sciences de l’Ingénieur  

Génie Civil et Industriel

Connaissances scientifiques de base
Bâtiments et travaux publics
 

 

Sciences Agronomique

Agriculture
Sciences animales
Transformation Agro-Alimentaire
Agroforesterie
Agro management
Sciences et Technologies

 

 

 

Sciences de la Communication et Multimédia

Tronc commun
Communication et Multimédia
 

Sciences de l’Informatique

Tronc commun
Informatique et programmation
Réseaux et systèmes d’information
Sciences de l’Education  

 

Langue et Lettres Anglaises

Connaissances de base en anglais
Professorat et éducation
Anglais langue étrangère
Traduction et médias
Formation et Recherches Pédagogiques
Sciences de la Santé Infirmier Anesthésiste
  Infirmier Généraliste
  Maïeutique (Sage-femme)
  Technicien de Radiologie