SAFIF / Tatitra Fihaonambe 2017 .

FIHAONAMBE 2017 

Ambatolampy 29 – 31 Aogositra 2017

Rehefa nahavita ny fihaonambeny ny ankabeazan’ireo Sampana velona eo anivon’ny sahan’ny FJKM, dia nanao ny fihaonamben’ny seha-pitaizany ihany koa ny SAFIF (SAmpana FIFohazana) araka ny daty sy ny toerana efa voalaza ery ambony. Tsara ny milaza fa voalohany teo amin’ny tantara izao fihaonambe seha-pitaizana izao ary tao amin’ny kianja malalaka monisipaly Ambatolampy no natao izany.Famelaberalan-kevitra telo samy hafa no notanterahina tamin’izany dia ireto avy :

1. Ny Fifohazana sy ny teknolojia ka ny tenin’Andriamanitra nisarihana ny sain’ny mpihaino dia nalaina tao amin’ny (1 Tesaloniana 5:21) manao hoe: « Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.  »
2. Mahazo manao sipa ve ny zanaky ny fifohazana?
3. Ny hira

Mialoha ny nandraisana ireo lohahevitra telo voalaza eo ambony ireo anefa,dia nohazavain’ireo mpikarakaran’ny fihaonambe SAFIF, ny toe-piainan’izany olona lazaina fa “MIFOHA” izany, ka ny Soratra Masina ao amin’ny (Lioka 10:38-43) no nakana lesona hanehoana izany.

Toy izao ny famintinana ireo lohahevitra nodinihina:
1. Ny Fifohazana sy ny teknolojia. « Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. » (1 Tesaloniana 5:21). Katsahin’ny olona ny teknolojia satria manamora ny fiainany. Paoly Apostoly eto dia mampianatra fa : « … Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana. » (1 Korintiana 14:26b). izany hoe efa hiainan’olombelona ankehitriny ny teknolojia avo lenta ary ny fitaovana ampiasain’olombelona koa dia efa miova isanandro amin’ny hatsarany sy ny fahaiza-manaony izay tena mampitolagaga ny mpanjifa (finday sy ny solosaina, sns). Navoitran’ny mpampiofana fa mila mitandrina ny mpino satria mety hanimba ny fahasalamana raha tsy mitandrina (fiankinan-doha (Dépendance) izay hiteraka rarin-tsaina vokatry ny tebiteby sy fahaterena (Stress)). Eo ihany koa ireo akon’ny taratry ny hazavana (rayon lumineux et ondes électromagnetiques, etc) ateraky ny fampiasana ireny fitaovana avo lenta ireny eny amin’ny vatan’olombelona ka mety hiteraka aretina, ary tsy hadino ny fisolokiana avo lenta ataon’olon-dratsy amin’ny fampiasana ireny fitaovana raitra hika farany ireny ka mila tandremana avokoa.

2. Mahazo manao sipa ve ny zanaky ny fifohazana?

Araka ny fanazavana nomen’ny mpampiofana dia tsy vady ny sipa. Olon-droa (lahy sy vavy) ampy taona, mahatsapa fa matotra sy tomponandraikitra (manaja tena sy manaja ny hafa) ary mahafehy tena, sady afaka handray adidy amin’ny ankohonana sy ny mpiara-belona, sady manana vina mazava eo amin’ny fiainany : ireo no afaka mitia (Manao sipa). Izany hoe, olon-droa vonona hiroso amin’ny fanambadiana tena izy, satria ny fanambadiana no tanjon’ny mpifankatia. Tsy kilalao na andrakandrana ny fiainam-pitiavana fa natao hifamenoan’olon-droa sy hifanampiany eo amin’ny fiainana. Ny fanaovana sipa amin’izay fotoana izay dia fotoana fifampitaizana eo amin’ilay olon-tiana izay anolorana ny fitiavana mialohan’ny hirosoana amin’ny fanambadiana. Ny kristiana dia manamasina ny fanambadiany any am-piangonana ho voninahitr’Andriamanitra Fitiavana. Ny firaisana ara-nofo dia natao ho an’ny olona mpivady irery ihany (Ny mpisipa manao firaisana ara-nofo dia mpijangajanga).

3. Ny hira

Voalazan’ny mpampiofana fa zava-dehibe ny hira ho fiderana an’Andriamanitra ary koa ho fitaizana ny mpiara-belona. Noho izany dia sehatra iray ilaina fahamatorana sy fahamendrehana ny fampiasana hira sy ny fifehezana azy, ho lasa kanto entina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra irery ihany. Mampiasa hira avokoa ny olona eo amin’ny fiainany (fanompoam-pivavahana,fialam-boly, fety aman-danonana, sns). Noho izany , manana ny lanjany sy ny toerany lehibe eo amin’ny fiainan’olombelona ny hira. Miainga avy ao am-po ny fihirana ka noho izany ny olona izay voavolavolan’ny Soratra Masina dia tsy manao hiran’izao tontolo izao. Efa nolaniana tamin’ny zaikabe SAFIF fa noraisina ho seha-pitaizana ao amin’ny Sampana fifohazana ny Antokom-pihira. Mampisy endriny ho an’ny mpihira ny fanamiana anaovany ka tsy azo atao ambanin-javatra, indrindra ho an’ny kristiana mba ho fihaingoana Masina izany (2 Tantara 20:21) satria Masina isika mpihira.

Marihina fa tao amin’ny fihaonambe seha-pitaizana dia nisy ny asa fampaherezana ho an’ny rehetra, nisy ihany koa ny maraim-baovao isaky ny toerana nilasian’ny mpizaika, nisy ny takariva mahafinaritra ny Alarobia ary nandehanan’ireo Antokom-pihira vahiny tonga tao Ambatolampy, namangy sy nitory an-kira, tamin’ireo fiangonana fito (7) tao an-tanàna ka nanehoan’ireo antokom-pihira fifohazana isam-pitandremana ny traikefany. Teny an’elanelan’ny fampianarana rehetra, dia nandray anjara navitrika hatrany, ireo tarika andrarezin’ny hira ara-pilazantsara isam-pitandremana. Nisy ihany koa ny filaharamben’ny Sampana fifohazana tao amin’ny kianja monisipaly. Maro ireo tonga namonjy ny fihaonamben’ny seha-pitaizana voalohany notanterahana tao Ambatolampy satria nahitana olona 12 000 isa.

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

MAMY NIRINA

Talata 10 Oktobra 2017 .

                                                        Mahery vavaka  ny vavolombelona marina

          2 Tantara 32.16-23

2Tant 32 .16-23

Hezekia  dia Mpanjaka  nanao  izay  mahitsy   teo imason’ Andriamanitra (2 Tant 29.2). Mpanjaka  nivavaka  izy  , ary  eto  dia hita  soritra  fa niara-nivavaka  tamin’i Isaia , Mpaminany  izy mba hamonjen’ Andriamanitra  ny  firenena  tsy  ho resin’ny fahavalony . Namaly  ny vavak’izy ireo  Andriamanitra . Izany   no herin’ny vavaka rehefa:

1-Resy lahatra ny  mpitondra fanjakana 

Mba hiadanan’ny  vahoaka  sady hisian’ny filaminan’ny tanàna dia tsy  maintsy  ny  mpitondra aloha no resy lahatra  hivavaka amin’ Andriamanitra . Koa  na misy  mihaika ny Anaran’ Andriamanitra   aza dia tsy  mihemotra  amin’ny fivavahany izy . Mmampirisika ny mpanompoko  mahatoky  hifikitra  amin’i Jesoa  Kristy  ny fanenjehana sy ny fanaratsiana Azy ankehitriny  . Mahomby   ihany   koa ny  fisian’ny fiaraha-mivavaky  ny  samy resy lahatra  eo  amin’ny fanoherana ny fahavalon’ny  Filazantsara . Aoka ho  resy lahatra  isika fa  tsy  misy  famonjena  afa-tsy  ao amin’i Jesoa Kristy  irery ihany  . Izy   no Mpamonjy  izao tontolo  izao  .

2-Mijoro  vavolombelona  ny fiangonana

Ny  Mpaminany  amin’ny  andro  ankehitriny dia ny  fiangonana . Vonona  mandrakariva hitondra  ny hafatry ny Tompo ny  fiangonana  tahaka an’i Isaia Mpaminany  (2 Mpanj 19.2-7), maneho  ny  fandraisana andraikitry ny  fiangonana  amin’ny loza  manjo  ny fireneny  izany .Rehefa  mijoro vavolombelon’ny  Tompo  ny fiangonana  dia miasa  eo  amin’y tanàna  misy azy tokoa  ny  Tompo , mamonjy ny vahoaka rehetra . Hankasitrahan’ Andriamanitra  ny vavaky  ny  mpitondra sy ny fiangonana ho  an’ny firenena.

Fanontaniana:

Tonga ao am-piangonana ve ny  mpitondra?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

Alatsinainy 09 Oktobra 2017 .

Mahery  vavaka ny vavolombelona marina

Jeremia 29.4-7

Jeremia 29.4-7

Taratasy  miavaka ity hitantsika  nomena  ireo  olona  lasan-ko babo tany  Babylona ity . Manambara   fa  Andriamanitra   Tompo  no nandefa  ny vahoakany  ho babo satria Izy  no mandrafitra   ny tantaran’izao tontolo izao , indrindra fa ny tantaran’ny fanjakana Joda . Hafa loatra  ny venti-kafatra  fa nasaina  nonina  mihitsy   izy ireo  ary nampirisihana  hanana  fiainana milamina . Hoy   ny and 7. »Fa  raha miadana  izy  (ny tanàna) dia mba hiadana  koa ianareo   » . Mahasoa izany   ny mivavaka  ho an’ny tanàna.

1-Mampiadana  ny tanàna  ny mivavaka ho  azy  

Nomen’ Andriamanitra   fiainana vaovao  tsy mitovy   amin’izay  voababo  hafa   ny olony  . Afaka  nanorina  fonenana, namboly  ary nanambady izy  ireo  . Nasainy   nokatsahin’izy ireo  hatramin’izay hampiadana  ny tanàna . Izany  tokoa ny fihevitry  ny  Tompontsika  tsy  mba manangana  fahavalo  fa mitady  izay hampihavanana na dia  ny fahavalo  nambabo  aza. Ny fivavahana izany  dia fototra  hampiadana  ny tanàna na ny firenena .

2-Mampiadana ny olona rehetra  ny mivavaka

Mifamatotra  ny fiainan’ny mpiara-monina araka izao  fanambaran’ Andriamanitra Tompo  tamin’ny olona  lasan-ko babo izao , izay hataontsika aminy ihany  no ho tanteraka  amintsika koa .  Soa ihany  fa Andriamanitra mitady  izay mahasoa  ny olony  ny  Tompo  fa nanoritra làlam-piadanana hizoran’ny olona rehetra amin’ny filaminana tanteraka . Aoka isika koa  mba handray izao teny izao ho fiainantsika ankehitriny . Hanorina fiainana misy fiadanana  ho an’ny firenena sy ny tanàna misy antsika amin’ny alalan’ny fivavahana ho  azy .

Fanontaniana:Efa  nataonao ve ny mivavaka  ho an’ny tanàna misy anao ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 08 Oktobra 2017 .

Marka7.7-11

Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

Marka  7.7-11

Matetika no ahitantsika ato  amin’ny Filazantsara fa tena saropiaro  amin’ireo  didin’ Andriamanitra  i Jesoa . Manitsy  indray  ny fampiharan’ireto Fariseo  ireto  izany didy  izany  Izy eto . Ny fanomezan-danja ny  fivavahana  no asehony eto  :

1-Tsy fampianaran’olona izany  

Manafoana ny  fampianaran’ny  Tompo  ny fibahan’ny fampianaran’olona . Rehefa  hiatrika fanadinana any am-pianarana  ny  mpianatra dia matetika tsy mankany am-piangonana fa revo manao famerenana any  an-tranony  . Porofo  izany  fa mora mahafoy  ny  Fampianarana Soratra masina isika . Manakalo  ny  fotoana  tokony hihainoana  ny  Tenin’ Andriamanitra amin-javatra hafa isika . Tandremo  fa tsy manome lanja  ny fivavahana  ny Tompo . « Raiso ny  Tenin’ Andriamanitra  ho sabatry ny Fanahy ».

2-Tsy  misy fihatsarambelatsihy  izany 

Mihatsaravelatsihy amin’ Andriamanitra ny olona  mahafoy  ireo didy nomeny  hotandremana  tahaka ny hoe: « Manajà  ny rainao  sy ny reninao« . Eto  dia nosoloany  fampianarana  voatolotry  ny razana  izany , hoy ny Tompo  nefa fampianarana  mifono  hafetsifetsena , toa fanamarinan-tena ihany . Aoka hianatra mitandrina  ny didin’ Andriamanitra  araka ny Soratra masina  isika fa tsy hifikitra amin’ny fampianaran’ olombelona. Ny  Soratra masina  irery ihany no tànantsika  hampanan-danja  ny fivavahantsika . Mijoroa ho vavolombelon’ny  Tompo  amin’izany .

Fanontaniana:

Vakio  Kolosiana 2.8-15 hampahery antsika

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM

 

Sabotsy 07 Oktobra 2017 .

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Jakoba 5.13-18

Elia mpaminany   no ataon’ny Apostoly Jakoba ohatra  eto momba  ny faherezana mivavaka . Izy  dia manana fiombonam-piainana  feno tamin’ny Tompo. Koa  mba hanahafantsika azy  dia tsara  raha mihaino   sy mankato   ary mitandrina  ny didin’ Andriamanitra isika ary  hanana  fiombonam-piainana  amin’i Jesoa Kristy rehefa mandray  Azy ho  Tompo  sy Mpamonjy  . Miseho   eto  ny herin’ny  vavaky  ny  mno  Azy .

1-Mitondra fanafahana (and13-15)

Ny vavaka  atao  ho an’ny mana-manjo  na ny  manam-pifaliana dia fiantsoana  ny fanatrehan’ny  Tompo azy ireo  mba handray ny vavaka ao am-pony . Miasa  fanafahana  ho an’ny olona   ny fivavaky  ny  finoana .Ny  vavaka  atao  ho  an’ny marary   dia fangatahana ny fanasitranan’ny  Tompo azy  , tsy ara-batana  fotsiny  anefa  hatramin’ny ara-panahy  mihitsy  no omen’ny Tompo maimaimpoana ho azy . Ny kristiana   dia taomina  hivavaka  ho an’ny olona rehetra fa ny  Tompo  mandray  ny vavaky ny finoana .

2-Mamitram-pihavanana (and 16-18)

Ny vavaka  marina dia mitaona  antsika hahay  mifamela heloka  ka hihavana  sy hifankatia. Tsara  mandrakariva  ny fiainana  misy fiaraha-mivavaka  mialoha  ny asa aman-draharaha . Lavitry  ny fihatsarambelatsihy  ny  olona  agaka  mifamela heloka . Manjaka ny fifankatiavana  ary miseho  ho  azy  ny maha-mpanompon’ ny  Tompo  antsika . Izy  no mpamela heloka antsika mba hihavanantsika Aminy . Aoka  ho vita  fihavanana  amin’ Andriamanitra  sy ny olona isika .

Fanontaniana:

Misy làlana  hafa  mitondra fampaherezana  antsika  ve ivelan’ny  Baiboly?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

FJKM any Andafy / Mandalina ny finoany.

Tahaka izay nataon’ny Mpitandrina rehetra tany Antsiranana ny volana aogositra 2017 lasa teo, dia nisokatra tany Frantsa ihany koa ny Fifampiofanan’ny Mpitandrina FJKM miasa any Frantsa. Eo ireo Mpitandrina mitondra Fiangonana, ary eo ireo Mpitandrina irakiraka. Synodam-Paritany Vatofehizoro Ampitandranomasina faha 37 no anaran’ity SP ity eo anivon’ny FJKM, ary manana Mpiandraikitra Foibe miisa telo. Atoa RAKOTONIRINA Charles, Mpitandrina, no Filohan’ny SP ankehitriny, mitondra ny FJKM Ziona Vaovao (Montrouge fahiny)

IRAKY NY BMF

Ny Mpanolotsaina BMF Foibe FJKM, ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina, no iraka nalefan’ny BMF hanofana ireo Mpitandrina any an-toerana. Ireo lesona rehetra izay niofanana tany Madagasikara ihany, no nanofanana azy ireo. Mpitandrina mivady vavolombelon’i Kristy : eo amin’ny fiainam-panahiny, eo amin’ny ankohonany,manoloana ny Rafitra FJKM, miatrika ny Vina, araka ny Fotopinoana, manoloana ny fivavahana samihafa, eo amin’ny fiarahamonina. Ankoatran’ireo, dia niofanana koa ny momba ny Fanomezam-pahefana eo anivon’ny FJKM, sy ireo lesona fanampiny.

DEFAP

Ny Defap no nisolo toerana ny MFP (Mission Protestante Française) fahiny, raha naniraka misionera toa an-dry Paul Minault sy Benjamin Escande, samy Mpitandrina.Ireto roalahy ireto dia anisan’ireo Frantsay natao ho hitan’ny Malagasy fa, tsy Katolika avokoa ny vahoaka frantsay rehetra. Tao no toerana nofidian’ny SP hanofanana ireo Mpitandrina aty. Nombam-bady toy ny tany Madagasikara ihany ny Fiofanana, ary tonga daholo izy ireo, na dia mifanalavitra ihany aza ny toerana ipetrahany. Mampahatsiaro ity fiofanana tao amin’ny Defap, izay mpaniraka misionera ity, fa ny FJKM izao no Misionera tenany tonga eto Frantsa, hitory ny Filazantsara, raha nitondrana izany izy tany amin’ny 200 taona lasa.

FIFANAKALOZANA

Noho ny elanelan-tany, dia noararaotina ihany ny fifanakalozan’ny samy Mpitandrina miasa any, ka nahavitany nanao indray mijery izay tetika hampiodinana tsara ny Firahalahian’ny Mpitandrina sy ny Fifampiofanana hataony amin’izany. Fa harena lehibe ho an’ny solontenan’ny Foibe koa ny fifanakalozana tamin’izy ireo, ka nahafahana nahalala kokoa ny FJKM sy ny tontolony aty am-pitandranomasina. SP manohy manorina Fiangonana etsy sy eroa izy ity, ary ahatsiarovana ny Poste d’Evangélisation amin’ny tany moderina, hoy izy ireo.

FIANGONANA NIOFANA

Nisy koa fahafahana nanome fiofanana ny solontenan’ny Fiangonana toa an’ny FJKM Betela Fahamarinana. Ny Biraon’ny Fiangonana sy ny Mpihevi-draharaha no nahazo tamin’izany, ary ny Biraon’ny Sampana. Marihina fa Fiangonana vao niorina izy ity ao Paris ao, ary ny Filohan’ny FJKM Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi,Mpitandrina, no nitokana azy tamin’ny volana jiona lasa teo. Ny FJKM Montrouge iraykoa dia nangataka fiofanana ho an’ny fandaminana fiangonana. Novangiana sy nitoriana ny Tenin’Andriamanitra kosa ny FJKM Betela Fahamarinana sy ny FJKM Ziona Vaovao,izay nitondrana fampaherezana ho an’ny Kristiana.

A.Zaka, Mpitandrina

KFTM / 180 t namonoana ny Maritiora .

Komity Fanorenana ny

Tsangambaton’ny Maritiora (KFTM)

Nankalazaina tany Antseranana ny faha-180 taona namonoana ireo Maritiora . Isan-taona dia misy ny Alahadin’ny Maritiora izay faritan’ny FJKM ho amin’ny Alahady faharoan’ny volana Aogositra. Fotoana iray izy io, ahatsiarovana ny finoana sy ny fitiavana an’Andriamanitra ary ny herim-po sy ny faharetana nananan’ireo Maritiora nahafoy ny ainy ka lasa vavolombelon’i Jesoa Kristy. Ankalazaina isam-pitandremana izany andron’ny maritiora izany manerana ny sahan’ny FJKM.

Tamin’ity taona 2017 ity dia ny Alahady 13 Aogositra no nanatanterahana izany ka ny mpikambana ao amin’ny Birao KFTM Foibe, tarihin-dRtoa RAMALALANIRAINY Voahangy, izay nisafidy manokana ny hiara-nankalaza izany andro lehibe eo amin’ny finoana izany, tany Antseranana. Nisy araka izany ny fiaraha-nivavaka nisesy, natao tao amin’ny fiangonana roa tany an-toerana ny Alahady 13 Aogositra 2017 teo :
– Voalohany, ny maraina tamin’ny 6 ora sy sasany, tao amin’ny FJKM Scama Famonjena tao Scama ka nitondra ny tenin’Andriamanitra ny Filoha lefitry ny FJKM Atoa ZARAZAKA Jean Louis, Mpitandrina.

Ny bokin’i Daniela 03 :19-30 no nakana ny Tenin’Andriamanitra ka nanambarany fa isika mpino dia Maritiora Velona. Mpino resy lahatra, mifikitra amin’ny finoana tena izy dia i Jesoa Kristy Mpamonjy, ary tsy voavilivilin’ny hevi-diso isan-karazany aparitaky ny teknolojia (haino aman-jery sy ny aterineto ary ny asa-soratra,…). Ny Mpino kristiana dia manome lesona tsara sy ohatra velona hita maso (fijoroana vavolombelona) ho an’ny hafa eo amin’ny fiainany. Rehefa tsy Maritiora maty ny kristiana dia tokony hijoro ho Maritiora velona. Betsaka ny fanjakana mitsangana mitady hanozongozona ny finoana, toy ny fanjakan’ny : vola, fanatanjahantena,teknolojia (Facebook,…) amin’ny fanatontoloana, ny zava-mahadomelina (sigara,toaka, rongony,…), sns, izay lasa sampy hanadinoana an’Andriamanitra Fitiavana Mpahary izao rehetra izao. Aoka ho talanjona sy ho gaga avokoa izay rehetra mijery ny olon’Andriamanitra izay Maritiora velona, ka ny namaranana ny toriteny dia ny hoe:
AOKA NY ZAVA-BITANAO EO AMIN’NY FIAINANAO, HO AZON’NY OLONA
HITARAFANA NY HALEHIBEN’NY FINOANAO AN’I JESOA KRISTY.
– Faharoa kosa tamin’ny 9 ora sy sasany, tao amin’ny FJKM Rafaralahy
Andriamazoto tao Tanambao ary nitondra ny tenin’Andriamanitra ny
Mpanolotsainan’i KFTM Foibe, Atoa RANDRIANARISON Emmanuel, Mpitandrina.

Ny Tenin’Andriamanitra tao amin’ny filazantsaran’i Matio 10:21-23 no noraisina nentiny nampitan-kafatra sy ny voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:8 .Nambara fa miainga ao amin’ny ankohonana ao an-tokantrano ny fitoriana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy vao mandeha mitory izany any amin’ny hafa. Nolazainy fa ny kristiana dia taranaky ny Maritioran’ny finoana an’i Jesoa Kristy ary vavolombelona mahatoky eo amin’ny fiainana sady mpino vonton’ny filazantsara.Noraisiny ohatra Rasalama Maritiora izay nihira ny hoe : “Hitako ny lalan-tsara ka izorako …” teny an-dalana raha nentina an-tongotra, ho lefonina teny Ambohipotsy izy.

Tamin’ireo fotoan-dehibe roa ireo, dia nandray fitenenana fohy ny Filoha KFTM Foibe ka nampahatsiahy ny maha-zava- dehibe ny andron’ny Maritiora eo amin’ny finoana kristiana sy namintina fohy ihany koa ny atao hoe KFTM sy ny antom-pisiany eo anivon’ny FJKM ary ny asa vitany sy ny asa tanterahina ankehitriny. Nanentana ny rehetra ihany koa ny tenany hifampitondra am-bavaka sy hifanome tanana hatrany amin’ny famitana ireo adidy isan-taona, ho mariky ny firaisan’aina amin’ny asa iombonana, hahafahana mamita haingana ireo tetikasa faritan’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa, sns, eo anivon’ny FJKM, ho voninahitr’Andriamanitra irery, izay iaraha-manompo.
Ny harivan’ny Alahady 13 aogositra 2017, tamin’ny 7 ora hariva dia niditra
nivantana tao amin’ny Radio “Aina Fahazavana” Antseranana FM 105, ny
mpikambana ao amin’ny birao KFTM Foibe FJKM, nitondra fandaharana ho fanazavana ny KFTM sy ny andraikiny ary ny asa sahaniny eo anivon’ny FJKM sady nampahatsiahy ny adidy iaraha-manaon’ny mpino dia ny fifampitondrana am-bavaka sy fifanoloran-tanana amin’ny asa iraisana faritan’ny Sampana sy ny sehatra asa ary ny sampanasa sy asa rehetra tanterahina eo anivon’ny FJKM

MAMY NIRINA

FJKM Vohiparara (SP Mananjary Pangalanes)

FJKM VAVAHADIN’NY LANITRA

VOHIPARARA

Fiangonan’Andriamanitra ve io ivavahanao io?

Androm-pifaliana sy firavoravoana ka nisaorana an’Andriamanitra ny Alahady 27 Aogositra 2017 nitokanana ny FJKM Vavahadin’ny Lanitra Vohiparara. Tonga nisolo tena ny Filohan’ny FJKM tamin’izany ny Mpitandrina Rakotonindrainy Jaona,Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana sady nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Fanontaniana napetrany sy novaliany ny hoe: Ahoana no ahafantarana fa ito no Fiangonan’Andriamanitra sy ilay vavahadin’ny lanitra?

Alahady 27 Aogositra 2017

Feno olona vao maraina ny tananan’i Vohiparara na dia mbola manarona ny havoana azany zavona. Ny tao amin’ny Vohitra Andrainarivo Fahasoavana Fitiavana (VOAFAFI) nandray ireo vahoakan’Andriamanitra avy any Andrainarivo kosa dia efa tany amin’ny maneno akoho no somebiseby noho ity fotoan-dehibe ity. Anton’ny fivahinianana, dia ny
fitokanana ny FJKM Vavahadin’ny Lanitra Vohiparara. Nipaika ny tamin’ny 8 ora dia indreo, efa vonona ny Mpitandrina hitarika ny filaharana hamonjy ny Fiangonana vaovao. Talohan’ny nidirana ny trano Fiangonana dia ny Mpitandrina Rakotonindrainy Jaona, Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, sady solotenan’ny Filohan’ny FJKM no
nitarika fotoana fohy vao nanapaka ny ruban.

Fiangonan’Andriamanitra ve io ivavahanao io?

Ny fanompoam-pivavahana ho fisaorana an’Andriamanitra sy ho fitokanana ny FJKM Vavahadin’ny Lanitra Vohiparara dia notarihan’ny Mpitandrina Raveloarimanana Martin, Prezida Synodaly Mananjary Pangalana. Nanambara ny hafatr’Andriamanitra ny Mpitandrina Rakotonindrainy Jaona. Hafatra izay nalaina tao amin’ny Gen 28. 17b
manao hoe: Tsy hafa ity fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra.
Fanontaniana tokana no napetrany tamin’ny Kristiana vory teo: Ahoana no ahafantarana fa Fiangonan’Andriamanitra na ilay vavahadin’ny lanitra io ivavahanao io?
Raha namaly izany ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana dia nilaza fa ny hahafantarana fa Fiangonan’Andriamanitra io ivavahanao io dia voalohany manome voninahitra an’Andriamanitra, faharoa manana fahamasinana, ary fahatelo manana fiainana mandrakizay.

Raha nofintininy izany dia hoy izy: Izao hitantsika izao no tempoly, fa ny tempoly faharoa dia ny tenanao. Ny antom-pisianao eto amin’izao tontolo izao dia hanome voninahitra an’Andriamanitra, hanana fahamasinana, hanana fiainana mandrakizay.

Vohiparara sy Andrainarivo

Zana-pitandremana miankina amin’ny FJKM Vavahadin’ny Lanitra Ranomafana i Vohiparara ka Randriarimalala Solofonirina Richard, Mpitandrina no mitondra azy.

Nanana fifandraisana tamin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana izy nanomboka ny Martsa 2012 izay nanaovana Tafika Masina sy asa fitoriana ny Filazantsara. Ny Alahady 19 Oktobra 2014 no natao ny ady fototry ny trano Fiangonana ka notokanana tamin’io Alahady 27 Aogositra 2017 io.

José Ravoavison

FJKM Andrainarivo Fahasoavana 150 t

Hankalaza ny Jobily faha 150 taonany
( 1869 – 2019)

Holazaina fohy ny tantaran’ ny fiangonana:

Havoana eo avaratra atsinanan’ny Rovan’i Manjakamiadana (Antananarivo), misy ny vohitra iorenan’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana. Teo Andrainarivo no nitoby Andrianjaka sy ireo miaramilany, raha haka an’Analamanga, tamin’ny Vazimba, mba hataony renivohitry ny fanjakany.Teo Andrainarivo no nitoby Andrianampoinimerina sy ny miaramilany, raha haka an’Antananarivo, tanin’Andrianamboatsimarofy.Teo Andrainarivo sy Ambohidempona no nifaharan’ny Tafika Malagasy,raha nanafika antsika ny miaramila frantsay, ny taona 1895.Niorina ny taona 1869 ny Fiangonana, noho ny didin’ny Mpanjaka Ranavalona II (1868- 1883) sy ny firoboroboan’ny fivavahana kristiananentin’ny Misionera. Tsaroana ireo Misionera nandalo teo Andrainarivo toy ny Rev. Siméon Delord, G Mondain, E. Groult. Fiangonana niray tao amin’ny Mission Protestante Française (MPF) Andrainarivo tamin’izany.Efa niova endrika sy toerana ity trano Fiangonana ity: Trano zozoro tamin’ny voalohany (1869), niova ho trano biriky tany (1876). Lasa tranobiriky tanimanga nasiana vodivato (1877), ary talohan’ity vaovao ity dianasiana tilikambo ny taona 1994. Tsaroantsika rehetra fa ny taona 2008isika no nanomboka nivavaka teo amin’ity trano Fiangonana vaovao ity.Enina ireo Mpitandrina, nitondra ny Fiangonana nandritra izay 150 taonaizay dia:1-Rainiboto Ranafatra (1869- 1873)2-Rainivinany (1873-1917)3-Ramambazafy Voltaire (1918- 1961)4-Razafindrakoto Samuël (1962- 1967)5-Rakotonirainy Jonson (1968-1990)6-Ralambomahay Hendrininosy nanomboka ny taona 1991.Mahatratra any amin’ny 2100 any ny kristiana voasoratra anaranaankehitriny ary manana Mpandray ny Fanasan’ny Tompo manodidina ny1300. Misy Loholona sy Diakona 180 any ho any. 16 kosa ny isan’ireo Sampana, Sampanasa, Vondrona, Fikambanana misy eto amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana amin’izao:

Dorkasy (1918), Sekoly Alahady (1921), Fifohazana (1923) sy ny Sosialy(1985), ary ny Chorale Mi-Ray (2013), Tanora Kristiana Zokiny (1933),Vokovokomanga (1938) sy ny Rantsana Fanantenana (2005), Lehilahy kristiana (1941), Sampati (1951), Antoko Mpihira Antsan’ny Mamantonalina(AMAM) (1968),  Tanora Kristiana Zandriny (1972), Sportifa Evanjelistra (1985), Sakaizan’ny Baiboly (1985), Asa Fitoriana ny Filazantsara (1993),Vovonan’ny Mpandala ny Zava-maneno (2003), Vondron’ny Setela sy Sefala(2004), Vondrona Fototra Laika (2007), Filan-kevi- pitantanana ny Akany Fahasoavana (2010).

STK / Tatitry ny Fihaonambe 2017 .

FIHAONAMBE NASIONALY

Sampana Tanora Kristiana FJKM

(1 – 6 Aogositra 2017)

Tao an-tampon- tanànan’i Mahajanga no nanatanterahina ny FIHAONAMBE Nasionaly faha-7n’ny STK FJKM. Tany ihany koa no nanaovana ny andiany Voalohany ny taona 2006 ; ary rehefa avy nitety ny faritany 5 dia niverina tany Mahajanga indray.Tao amin’ny FJKM Ziona Vaovao sy ny Complexe Sportif no nanaovana ireo hetsika samihafa.

Nahatratra 12 000 mahery ny mpamonjy ny FIHAONAMBE ary tany amin’ireo Sekoly FJKM sy Sekolim-panjakana vitsivitsy izay azo nandraisana mpilasy no nitobian’ireo STK isamPitandremana sy SP. Feno dia feno ny fandaharam-potoana na dia efa nampitomboina aza ny isan’ny andro satria 6 andro be izao no niatrehina ireto fandaharam-potoana amin’ny endriny 3 samihafa ireto : Fanompoam-pivavahana, fampianarana ary fifaninanana.
• Fanompoam-pivavahana fanokafana sy famaranana ary fanokafana isa-maraina
• Fampianarana izay samy niainga avy amin’ny loha-hevitry ny FIHAONAMBE faha-7 sy ny vinan’ny FJKM :
• “Ry Sampana Tanora Kristiana, mijoroa ho STK” izay nentin’ny Filoha
FJKM, Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina
• “STK mitia an’Andriamanitra tsy menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo amin’ny Fitiavana”: Nosokajiana roa ny mpamonjy Ny Fihaonambe, ka ny lehilahy niaraka tamin’ny Mpitandrina Rabetokotany Miarilaza, Prezidà Synodaly Iarivo Avaradrano; ary ny vehivavy kosa niaraka tamin’ny Mpitandrina Rafanonerantsoa Valisoa, Mpitandrina ny FJKM Soamanandrariny Miaradia. Marihina fa izy ireo moa dia samy efa Filoha STK Foibe teo aloha.
• “STK mitia an’Andriamanitra tsy menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo amin’ny Finoana”: nampita ny fampianarana avy amin’ny Tonia
Departemantan’ny Fiangonana ny Filoha Mpanampy, Andriafarantafika
Raobiarizafy, Mpitandrina.
• “STK mitia an’Andriamanitra tsy menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo amin’ny asa”, izay nentin’ny Mpitandrina Andriamalala Solomon, Filoha
STK Foibe.
• “Ahoana ny fomba hampandrosoana ny STK?”, izay nentin’ny
Mpitandrina Andriafarantafitka Raobiarizafy, Filoha Mpanampy STK
Foibe.

• Fampianarana sy fanomezana fiofanana, tari-dalana ho an’ny Tanora amin’ny fiatrehina ny ho avy: fianarana, asa, famoronana asa…. niarahana tamin’ireo mpiara-miombona antoka amin’ny STK :
• “STK sy ny famoronana asa”, izay nentin’Atoa Ramiarinjatovo Marc sy
ny mpiara-miasa aminy.
• Ny Teen-Ketrika: sehatra ahafahana mitady asa, afaka manome fiofanana maro samihafa)
• Tolotra fiofanana momba ny fandraharahana ara-Baiboly (EBM) eo
anivon’ny FJKM
• Fikambanana NMR Marisika ( Nehemia Mada Reconstruction – Manarina ny rava isika) iarahan’ny STK FJKM sy ny FKTLM: nanazavana ny tanjon’ny fikambanana ; nanolorana tari-dalàna ahafahan’ny Tanora
miatrika ny ho avy (oh : Fambolena soanambo)…

• Teo koa ireo fifaninanana isan-karany izay nandraisan’ireo solontena avy amin’ny SP anjara :
• Soratra Masina
• Hira Solfa,Vakodrazana, Basesa , Salegy, Kolondoy, Baoejy , Batrelaka,
Medley, Malesa
• Fanatanjahantena : Kitra, Baskety, Volley, Tsipy kanetibe, hazakazaka
Fa nampiavaka ity FIHAONAMBE NASIONALY faha-7 ity kosa dia ny
fanatanterahan’ny STK FJKM ny fijoroana vavolombelona tamin’ny alalan’ny fanampiana vola sy tamin’ny endrika hafa :
• Nanao rakitra ho fanampiana ireo STK avy any Soavinandriana niharam-boina ka nanolotra lelavola 1 134 000 Ariary ho an’ny fianakavian’ireo namoy ny ainy ary koa ho fanampiana ireo naratra. Ny Filoha STK Foibe moa no nanatitra izany tany an-toerana
• Nanao rakitra ho an’ny FJKM Belinta ho fanampiana azy ireo amin’ny fanaovana“dalage” ny trano Fiangonana izay nahazoana 664 000Ariary
• Nanao rakitra ka nahangona 475 200 Ariary ho fanampiana ny Mpikambana iray avy ao amin’ny STK FJKM Ambohimandroso Gara SP 38 izay narary tsy nahatsiaro tena, niatrika fandidiana tao amin’ny Hopitaly Androva ary tsara ny mampahafantatra antsika STK fa namoy ny ainy Rtoakely Sarindra teny an-dalana rehefa nalefan’ny Hopitaly hody tany Ambohimandroso.
• Nisy ireo STK voaroba trano (STK Ambatolampy Antehiroka SP 10, STK
Antsahamaina SP 12) fitaovana maro sy vola no very, nanaovana rakitra ka
nahazoana 140 000Ariary
• Nanatanteraka rakitra ho an’ny Komity faha-50 taonan’ny FJKM ihany koa ny STK tamin’ity FIHAONAMBE ity, rakitra faharoa tamin’ny fanokafana, ka nanolotra 547 100 Ariary ho an’ny Komity.
• Nanatanteraka fanadiovana tanàna ihany koa ny STK FJKM tany Mahajanga, ka namafa lalàna tao Tsaramandroso no nitondran’ny Kaominina ny ekipan’ny STK.

Eto am-pamaranana, ny Birao STK Foibe, ny Komity Nasionaly sy tany an-toerana, ny STK FJKM manontolo dia maneho fisaorana tanteraka ireto sehatra sy ambaratonga samihafa ireto tamin’ny fitondrana am-bavaka, fanampiana, fiaraha-miasa, ka nahatontosa sy nanome aina iny Fihaonambe Nasionaly iny.
• Ny Foibe FJKM izay notarihin’ny Filoha Irako Andriamahazosoa Ammi,
Mpitandrina.
• Andriamatoa Filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina sy ny mpiara-miasa aminy.
• Ireo tomponanjara rehetra tamin’ny fanompoam-pivavahana sy ny fampianarana rehetra.
• Ireo mpitsara hira, fanatanjahan-tena…
• Ireo nandray anjara rehetra tamin’ny fifaninanana sy ny fanentanana.
• Ireo mpiara-miasa rehetra: TAFITA, ORANGE Madagascar, Jovenna, Le Point multi-services, NMR-Marisika, Teen-Ketrika, Entrepreneuriat Biblique Malgache (EBM) FJKM…

Koa raha misy kosa tsy fahatomombanana teo amin’ny fandraisana, trano filasiana,fandaharam-potoana samihafa natolotra… dia itondranay fialan-tsiny. Ny Fihaonambe Nasionaly manaraka moa dia amin’ny taona 2019 indray raha sitrapon’ny Tompo, dia mbola holazaina miandalana ihany.

Ny Tonia STK Foibe

Rajaonarivelo Onifinaritra