Hafatry ny Filoha / Antso avo fahadimy.

ANTSO AVO FAHADIMY

5-Manao antso avo izahay hanova fomba fisaina sy fomba fiasa isika ka
eo amin’izay anaovana lanonam-piangonana, atao amin’ny anaran’ny
FJKM, toy ny fiaraha-misakafo amin’ny fotoana anaovana Fankalazana
na Jobily na fitadiavam-bola ho an’ny asan’Andriamanitra tanterahin’ny
fiangonana FJKM na zanaka am-pielezan’ny fiangonana FJKM: mba tsy
hisy zava-pisotro misy alkola, eny, na divay aza!

“Ry Andriamanitra velona ô, havaozy sy ovay izahay!”.

Ry Havana Malala, araka ny ambaran’ny Fitsipiky ny FJKM, and.265.8,
moa dia “Raiamandreny” ny Filohan’ny FJKM. Koa antso avon’ny
Raiamandreny ihany no ataonay. Tsy fanapahan-kevitra anaovana teny
midina, fa antso avon’ny Raiamandreny mahatsiaro fa mbola hampamoahina “eo anatrehan’Andriamanitra sy I Kristy Jesoa, Izay
hitsara ny velona sy ny maty” (2 Tim.4.1)”.

(Jereo ao amin’ny bokikely. Ny vinantsika FJKM : Vontosy Filazantsara
ny Nosy Madagasikara? Izay natomboka naely tany Antsiranana, ny
manontolon’ity Hafatra ity raha mahaliana anao.)

IRAKO Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

Hafatry ny Filoha / Antso avo fahefatra

ANTSO AVO FAHEFATRA

Manao antso avo  izahay mba hanova  fomba fisaina  sy fomba fiasa isika ka mba hijoro  ho vavolombelon’ny fahamarinana any  amin’ny sehatra rehetra  misy azy ny kristiana FJKM rehetra . Dia mba ho  izao  no zava-misy  manomboka izao  eo  amin’izay  misy kristiana FJKM  dia misy  fahamarinana. Eo  amin’izay  misy kristiana  FJKM , tsy  misy kolikoly . Na  ato  anatin’ny fiangonana  izany  na any  ivelan’ny  fiangonana .

« Ry Andriamanitra velona ô , havaozy  sy ovay izahay ! »

Ry Havana Malala,

Araka ny ambaran’ny Fitsipiky ny FJKM, and.265.8 dia “Raiamandreny” ny Filohan’ny FJKM. Koa antso avon’ny Raiamandreny ihany no ataonay. Tsy fanapahan-kevitra anaovana teny midina, fa antso avon’ny Raiamandreny mahatsiaro fa mbola hampamoahina “eo anatrehan’Andriamanitra sy I Kristy Jesoa, Izay hitsara ny velona sy ny maty” (2 Tim.4.1)”.

(Jereo ao amin’ny bokikely. Ny vinantsika FJKM : Vontosy Filazantsara
ny Nosy Madagasikara? Izay natomboka naely tany Antsiranana, ny
manontolon’ity Hafatra ity raha mahaliana anao.)

Sekoly FJKM / Taom-pianarana vaovao.

FANOKAFANA NY TAOM-PIANARAN’NY
SEKOLY FJKM 2017 – 2018

Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara” ( Jaona 15 : 27a)

Toerana: FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA

Fotoana: Sabotsy 28 Oktobra 2017 amin’ny 2ora sy sasany tolakandro

Hisy ny fankasitrahana ireo mpianatra sy Sekoly mendrika nandritry ny taom-pianarana 2016 – 2017.

Ho voninahitr’Andriamanitra ny fahatongavantsika maro

Oniversity Ravelojaona / Fisoratana anarana

 

« Hataon’i Jehovah ho lohany hianao, fa tsy ho rambony » (Deo. 28.13)

Efa misokatra izao ny fisoratana anarana ao amin’ny ONIVERSITY FJKM RAVELOJAONA .Ireto avy ny Taranja :

• TOURISME
• GESTION
• DROIT
• GENIE CIVIL ET INDUSTRIEL
• AGRONOMIE
• COMMUNICATION ET MULTIMEDIA
• INFORMATIQUE
• LETTRES ANGLAISES

Manantona eny amin’ny Foibe FJKM Analakely izay rehetra mila dinidinika momba izany na miantso ny Telefaonina 034 69 777 22 . Ny Volana Novambra no hanomboka ny Taom-pianarana.

Fankasitrahana ny Filoha teo aloha .

 FANASANA 

Ny Filohan’ny Mpiandraikitra Foibe sady Filohan’ny FJKM sy ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe manontolo  dia miantso  ny Mpitandrina  sy  ny vahoakan’ Andriamanitra rehetra  eto Antananarivo  sy ny manodidina hiara- hanome Voninahitra an’ i JESOA Lohan’ny Fiangonana  sady  Tompon’ny fiantsoana  amin’ny Fanompoampivavahana ho Fankasitrahana  ny Filohan’ny FJKM  teo  aloha

Andriamatoa RASENDRAHASINA Lala Haja , Mpitandrina mivady .

Izany dia hatao ao amin’ny FJKM Ankadifotsy  , ny Alahady 22 Oktobra 2017 , amin’ny  3 ora tolakandro .

« Tsarovy ny mpitondra anareo » Heb 13.7

Filazana manjo

Nodimandry teo  amin’ny faha- 78 taonany, ny Alatsinainy 16 Okt 2017.

RABETOKOTANY Manuel 

Rain’ny Mpitandrina Rabetokotany Miarilaza Andriamialy

 President Synodal (SP 19) sy Pasteur Vero mianadahy avy.

Ny razana dia hiala  ao an-tranony  Lot  211 D 0140 Ambohimandamina Mahajanga  ny Talata 17 Oktobra 2017 amin’ny 2 ora sy  sasany , ho entina hanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra ao amin’ny FJKM Ziona Mahajanga .

Handalo   ao amin’ny ivo-toerana SP Iarivo Avaradrano  Sabotsy Namehana ny Alarobia maraina amin’ny 11 ora atoandro . Avy eo  entina any an-tanindrazany any Ambodivonkely.

Ny fandevenana dia hotanterahina  ny Zoma 20 Oktobra 2017 ao  Ambodivonkely Sadabe , aorian’ny Fanompoampivavahana ao amin’ny FJKM Ambodivonkely Fanavaozana Sadabe  amin’ny 11 ora atoandro .

« Fa ianao  no fanantenako  , Jehovah  Tompo ô  , ry Tokiko  hatry ny fony  aho  mbola tanora  » Salamo  71.5

Talata 17 Oktobra 2017

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

MPITSARA

Lioka 18 : 1-8

Miandany amin’ny olom-boafidiny Andriamanitra

1-Miaro ny mpino maharitra mivavaka ny Tompo

Ratsy ny fiarahamonina asehon’i Jesoa eto: misy mpitsara tsy marina sady tsy matahotra an’Andriamanitra: misy mpitondratena mahantra, izaymanana ady amin’ny mpiara-monina. Lany andro sy fotoana mivezivezy mitady ny rariny ilay mpitondratena. Miasa ao am-pon’ny ratsy fahahy ny Tompo mba hahazoan’ny marina ampahantraina ny rariny. Tompon’ny fahefana rehetra i Jesoa Kristy ka afaka manova ny ratsy fanahy ho marina, na ny tsy matahotra an’Andriamanitra ho tia ny fahamarinana. Ny fivezivezena sy ny fiharetana ary ny faharetan’ilay mpitondratena dia manambara ny vavaka ataon’ny mino.Mahareta amin’ny fivavahana.

2- Miaro ny mpino mahatoky ny Tompo

Andriamanitra manome rariny ny olom-boafidiny. Andro amana alina no iantsoana ny Tompo. Tsy mba tara amin’ny famonjena ny mpino Andriamanitra. Mahatoky sy marina Izy: mijery sy mahita ny fijalian’ny zanany ka mamonjy Azy. Mijaly sy mitaraina fatratra isika kristianaankehitriny amin’ny fanenjehana sy ny fanaratsiana mihatra amintsika. Ireny no ady tsy maintsy hatrehana. Sady anefen’ny Tompo antsika kristiana ho tsara orina amin’ny fivavahana sy ny finoana. Tohizo àry ny vavaka andro amana alina, ataovy matetika sy amin’ny finoana fa tsy mamela antsika hiady irery i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:Manomeza ohatra amin’ny atao hoe: maharitra mivavaka amin’ny finoana ny Kristiana?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 16 Oktobra 2017 .

2MP 19Mahery  vavaka ny vavolombelona marina

                            2 Mpanjaka 19.14-20

Andriamanitra  mamelona ny mpanompony

1-Mampiorina ny finoan’ny mpanompony  ny Tompo

Manatona sy manakaiky  ny mpanompony  Andriamanitra  sady miara-monina Aminy . Ao an-tranon’ Andriamanitra  no velarin’i Hezekia  eo anatrehany   ny taratasin’i Sankeriba   Asyriana  fahavalo  (and14). Miasa  ary mijery  sy mihaino  ny  Tompo  (and 14 , 16) .Manongilan-tsofina mihaino  sy  mijery  ary mahita  ny zava-mihatra  amin’ny  fireneny  sy ny vahoakany  manontolo  Izy .

2-Mihaino sy mamonjy  ny  mpanompony  ny  Tompo

Omen’ny  Tompo  hery  ny mpanjaka  Hezekia hanatona Azy  ao an-tranony  , hamelatra  eo anatrehany ny fihantsiana ady  ataon’ny  fahavalon’Israely  sy ny  olana mianjady  aminy  sy ny fireneny  . Manatona  sy  mivavaka  amin’ny fitarainana  ary mametraka  ny  adiny  amin’i Jehovah   ao an-tranony ny  mpanjaka   . Maniraka   ny  mpaminany   Isaia  i  Jehovah   hanambara  amin’i Hezekia  mpanjaka  fa efa nohenoiny  ny vavaka  nataony  (and20). Aza mahafoy  ny fihaonana  amin’ny Tompo  ao an-tranony  .

Fanontaniana :

Ahoana  no fampiharana  ny hoe : tranon’i Jehovah , toerana ihainoan’ny  Tompo  ny mpanompony   sy  ny vahoakany ?Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM   

Alahady 15 Oktobra 2017 .

Asa 9.36-43Mahery vavaka ny vavolombelona marinaAsan’ny Apostoly 9.36-43

Asa fanehoana ny Voninahitr’Ilay  nitsangana  tamin’ny maty  no ambaran’ny Mofonaina.Petera Apostoly  , mpianatra  tena resy  lahatra  no mitety  tany manambara  an’i Jesoa Kristy amin’ny  olona (and32) . Tonga  tany  Jopa  noho  ny fiantsoan’ireo  manam-pahoriana izy  ka nanangana  an’i Dorkasy  tamin’ny maty  . Manan-kery  ny vavaky  ny  mino  .

1-Hampisehoan’ny Tompo  ny fahefany 

Tena  fahefan’i Jesoa Kristy  irery   ny manangana  amin’ny maty  ,saingy  izay  mino  Azy  sy ny herin’ny  fitsanganany  tamin’ny maty  dia hanehoany  zava-mahagaga tokoa . Nandohalika  i Petera  raha nivavaka  teto  ary tsotra  sady  mivantana ny teny nataony (and40). Tsy miova  ary  tsy manova  ny fifandraisany   amin’ny mpanara-dia Azy  ny Tompontsika fa izay  matoky Azy  dia hahita  ny Voninahiny  hatrany amin’ny fiainany . Ny fiantsoana ny Anaran’ny Tompo  amin’ny fo madio no hisehoan’ny herin’ny vavaka hatao .

2-Hampanaovin’ny  Tompo  ny asany  

Tsy  ampy  raha  mivavaka ka tsy  mandray  andraikitra isika . Petera  dia nanolo-tànana ka nanangana  an’i Tabita  sady nanolotra azy velona (and41). Zava-dehibe  eo imason’ny Tompo ny fandehantsika amin’ny asa fanompoana izay nanirahany antsika , dia ny hitory  ny famonjeny  ho an’ny olona rehetra . Tsy misy olona  tsy azon’ny Tompo  hampiasaina  ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra . Fa ny  olona rehetra dia tiany hovonjena avokoa . Manaova  ny asan’ Andriamanitra isika ary mivavaha  mandrakariva  fa ho hitantsika  ny Voninahiny   amin’izay hatao  rehetra.Fanontaniana:Inona  no mampiavaka  anao rehefa mivavaka?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM   

Sabotsy 14 Oktobra 2017 .

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Nehemia 1.4-11

Mpitondra kapoaky  ny  mpanjaka  no anjara  raharahan’i Nehemia tany am-pahababoana . Mafy  ny nanjo  azy rehefa  nandre  vaovao  momba ny Jiosy  nody tany Jerosalema izy , ka ny  hiantoraka  tamin’ Andriamanitra  no nataony : vavaka fitarainana , fiderana, fifonana ary fangatahana , famelana , fiverenana fampahatsiarovana ny heriny sy ny fahefany , faharesen-dahatra  amin’ny  famonjeny  (and5-11). Ny fivavahana mendrika  halain-tahaka izany .

1-Manana fiainam-bavaka mitohy 

Voalaza  eto  fa andro  maro  no mivavaka  sy mifady  hanina i Nehemia. Tsy niala tamin’ny anjara raharahany  velively  izy  raha nanao  izany fa tena tao  amin’ny andraikitra  notanany  izy sady nivavaka . Fangatahana mba hahazo  famindrampo  teo  imason’ny  mpanjaka Nehemia taorian’izao . Aoka  mba handoso  fitia eo anatrehan’ny  Tompo sy ny olona isika noho  ny fivavahantsika . Mety  ary tokony  hataontsika ny mivavaka tsy tapaka .

2-Mahatoky  ny Tompo tanteraka

Nehemia dia feno  fatokiana  tanteraka araka izao vavaka nataony izao . Jesoa   Tompontsika  koa nametra-pitokisana tamintsika mba hanaovantsika ny asa vavolombelona hanambara  Azy. Jereo  ny manjo  ny firenentsika ka andeha  mba hivavaka , hifona  ho an’ny Malagasy  ka hangataka  ny hanesorana azy amin’izao fahantrana lalina izao , fa Mpamonjy  ny Andriamanintsika , tsy miova Izy  ary mahita  ny fiainantsika .

Fanontaniana :

Inona no hataonao ho an’ny firenena?Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM