Alakamisy 21 Septambra 2017 .

Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo 

Nomery  15.37-41

Ny  maha- vahoakan’Andriamanitra  

1-Manaraka  ny toromarika omena azy  

Mba hampiavaka  ny  Zanak’ Israely  amin’ireo  firenena hafa  manodidina azy  dia misy toromarika  manokana  mahakasika  ny fitafiana asain’ Andriamanitra hotanterahina eto . Ny  faneken’ny  zanak’ Israely hanatanteraka izany  dia maneho  fa matoky  sy mankato  ny didin’ Andriamanitra izy ireo  sady afaka mijoro  ho vavolombelon’ny fifidianan’ Andriamanitra  azy  amin’ny firenena  hafa manodidina . Tsarovy  fa raha manaiky  hitafy  ny fitafiana  mampiavaka ny Zanak’ Andriamanitra isika dia afaka hijoro  ho vavolombelony  eo  amin’ny fiaraha-monina misy antsika .

2-Manokan-tena  ho an’ Andriamanitra 

Fitafiana  miavaka  no asaina  hanaovan’ny Zanak’ Israely . Fanehoana  ny maha- vahoakan’ Andriamanitra azy ireo  izany  nefa koa fanehoana fa manokana ny tenany  , ny fiainany  ho an’ Andriamanitra izy ireo . Tsarovy  àry  fa ny vahoakan’ Andriamanitra dia tokony  haneho  eo amin’ny manodidina  azy  fa »masina » ho an’ Andriamanitra ka  tsy hanao fitafiana mifanohitra amin’izany  . Mitafy  an’i Jesoa Kristy  ka mifanaraka amin’izany  ny fisehony  eto  amin’izao  tontolo  izao .

Fanontaniana:

Manao  ahoana ny fitafianao  maneho  ny maha- Zanak’ Andriamanitra   ve? Afaka mamaritra ny  endriky ny fitafiana maneho  ny maha- Zanak’ Andriamanitra ve ianao?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 08. PENTEKOSTA - Sekoly FJKM
Ezekiela 39. 25-29 | Jaona 15, 26-27 | Asan'ny Apostoly 2, 14-21

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY MPIASA FOIBE FJKM 2025