Talata 12 Septambra 2017.
Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Salamo 92.1-4
Vavolombelon’ny fahalehibiazan’ny Tompo isika
1-Ambarao amin’ny fotoana rehetra ny heriny
Salamo fiderana sy fankalazana ity faha-92 ity . Saika mandrakariva dia fanao ao amin’ny tempoly izany , amin’ny fanompoampivavahana iombonana , na amin’ny vavaka manokana ataon’ny mpino mahatsapa ny famonjen’ny Tompo . Ny herin’ Andriamanitra sy ny fahalehibiazany no ambara sy lazaina amin’izany .Mihoatra noho izany anefa eto , fa na amin’ny maraina na amin’ny alina dia tokony ho tsapantsika izany ka ambara ny heriny (and2). Tsy hotsarovana an-tsaina ihany izany fa ambara sy lazaina ary toriana amin’ny hafa.
2-Lazao sy ambarao ny asam-pamonjena nataony
Tsy ny toetran’ Andriamanitra na ny fahatsarany sy ny heriny mbamin’ny fahalehibiazany ihany no tokony holazaina , fa ny asa nataony koa . Mahafaly ny asan’ny Tompo , satria asam-pamonjena sy fanavotana izany : »ampifalianao amin’ny nataonao aho , Jehovah ô. Ny asan’ny tànanao no hihobiako » (and4), rehefa tojo ny zava-tsarotra isika dia adinontsika ny asan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainantsika . Aza refesina na afatra amin’izay zava-mitranga indray andro , na amin’ny fotoana fohy ny asam-pamonjena sy ny fitiavan’ Andriamanitra antsika hatrizay . Ny fahoriana sy fahasahiranana vetivety dia tsy tokony hanadinoana ny asan’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanao . Koa lazao mandrakariva ny asa nataony .
Fanontaniana:
Moa ampy hijoroana ho vavolombelona ve ny fandehanana miangona isak’Alahady ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM