Alatsinainy 31 Jolay 2017 .

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Efesiana 6.14-20

Miaramila tsaran’i Kristy

Miaramila tsaran’i Kristy . Nampiasain’i Paoly izany solon’anarana izany mba hilazany  ny tenany  sy hilazany  izay rehetra voairaka ho  amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara . Ny miaramila tsaran’i Kristy dia:

1-Vonona hiatrika ady mandrakariva

Toy  ny miaramila vonona hiatrika ady no sary hanehoan’i Paoly ny olona manaiky ho iraky ny Tompo eto . Tsy basy aman-tafondro  anefa , na irony  akanjo  fitondra amin’ny ady fahita mahazatra irony no hisalorana sy eny an-tànana fa fahamarinana , rariny , fahavononam-panahy , finoana , famonjena , Tenin’ Andriamanitra . Ireo  no tsy maintsy  ananana raha hamita  iraka amin’ny Anaran’i Jesoa satria   irahina  hiady  amin’ny fanahy ratsy sy ny fahamaizinana mandrakotra izao tontolo izao .

2-Manana fifandraisana amin’ny Tompo mandrakariva

Endriky   ny  fifandraisana mivantana amin’ Andriamanitra ny vavaka sady fiankinana Aminy . Tahaka ny miaramila izay tsy maintsy manana fifandraisana matetika amin’ny lehibe  mpitarika azy no tsy maintsy  ifandraisantsika amin’ny Tompo  izay maniraka antsika . Iraka solon’i Kristy  isika  ka tsy maintsy  mifandray Aminy mandrakariva . Tsy tokony  hadinoina koa fa mila mivavaka  ho an’ireo  iraka namantsika koa isika amin’ny ady izay hatrehany . Maro  amin’ny mpitory ny Filazantsara no miatrika ady mahamay ka mila vavaka ho fampaherezana azy ireny .

Fanontaniana:

Inona amin’ireo  fitaovam-piadiana ireo no mbola tsy anananao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

 

Alahady 30 Jolay 2017 .

Manaiky ho vavolombelon’ny  Tompo ny irany

Ezekiela 2.1-3,3

Ny iraky ny Tompo

Mpaminanin’ny  fahababoana i Ezekiela . Nirahin’ Andriamanitra  hitondra hafatra  ho  an’ireo babo  tany Babylona izy . Misongadina eto  fa ny iraky ny Tompo dia:

1-Manatanteraka ny baikony

Misy baiko  maromaro  niantefa  tamin’i Ezekiela  : mitangana , maniraka anao  Aho  , hano , mitenena , vokiso ny kibonao … Tenin’ Andriamanitra manana endrika baiko  mivantana taminy ireo . Tamin’ireny  rehetra ireny  dia nanatanteraka ny  baikon’ny Tompo i Ezekiela . Tsy mba nametraka fanontaniana na nanana fisalasalana na niady varotra na nitady  fanazavana . Izany  no modelin’ny iraky  ny Tompo : manatanteraka ny baikony   tsy misy fisalasalana .

2-Manana andraikitra makadiry

Irahina  hiteny  amin’ny mpiodina , amin’ny olona  tsy mety  mihaino  , sy mafy  handrina ary madi-po sy olona ratsy fanahy   ny  mpaminany  Ezekiela . Mafy  sy mety hihatra  amana aina izany  iraka ampanaovina azy izany  kanefa  tsy maintsy  tanterahiny  satria iraka . Tsy atao noho ny safidy fa atao  satria baikon’ Andriamanitra ary mety hitera-doza  sy ho an’izay anirahana ny tsy fanatanterahana azy . Mampahatsiahy  ny fanoharana nataon’i Jesoa ny amin’ny mpamafy  ity teny ity (Lio 8.4-15). Nomena andraikitra hampita  ny Tenin’Andriamanitra isika irany na hihaino  ny olona na tsia .

Fanontaniana:

Inona no zava-tsarotra  sy nanahirana efa nampanaovin’ny Tompo anao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 29 Jolay 2017.

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Marka  16.14-20

Ny  irak’i Jesoa

Anankiray  amin’ireo  Soratra masina  vakin’ny Mpiandry  mialohan’ny hanaovana asa sy fampaherezana ity mofonainantsika androany  ity  . Irahin’ny Tompo ny mino rehetra mba :

1-Handeha  any  amin’izao tontolo izao :

Fihaonana voalohany teo  amin’i Jesoa  sy ny mpianatra   11 mirahalahy  taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty  no nitenenan’i  Jesoa tamin’izy ireo  hoe : « mandehana  any amin’izao tontolo izao  ianareo ». Izay mino  ny fitsanganan’ i Jesoa tamin’ny maty   dia tsy mahazo mipetrapetraka foana na mihidy an-trano   fa asaina mitsangana , mandeha eny tontolo eny  manao ny asa anirahan’ny Tompo  azy . Tsy olo-tokana  no asaina mitsangana  ka miala  eo  amin’ny toerana misy azy   fa ny rehetra . Ny Fiangonana manontolo no irahin’ny Tompo ho eny tontolo eny .

2-Hitory ny Filazantsara amin’ny olona rehetra

Mazava  ny  iraka sy ny antony  andehanan’izay rehetra mino   dia ny hitory  ny  Filazantsara  amin’ny olona rehetra . Tsy hanavahana toerana , tsy hanavahana sokajin’olona noho  izany  ny asa fitoriana ny Filazantsara  fa atao  amin’ny olona rehetra . Raha mijoro  ho vavolombelon’ny Tompo  isika dia manaiky ho iraka hitory  ny Filazantsara amin’ny sokajin’olona rehetra sy ny  olona manontolo  . Iraka  tsy mifidy   tany malemy  hanorenam-pangady  na morontsiraka hialana sasatra . Miara-miasa sy manamarina ny asa fitoriana ataontsika ny  Tompo  . Koa mahereza !

Fanontaniana :

Inona no  mety hatao  ho famontosana Filazantsara ny tanàna misy anao ?

Birao Sekoly Alahady FOBE FJKM

Zoma 28 Jolay 2017 .

Manaiky ho  vavolombelon’ny Tompo ny irany.

Asan’ny Apostoly  14.1-10

Ny iraka  manaiky ho vavolombelon’ny Tompo.

1-Mivonona  hiatrika  fanoherana

Tsy nahafaly ny Jiosy sasany ny fitoriana  ny Filazantsara nataon’i Paoly sy i Barnabasy tany Ikonioma . Nisy  tamin’ ireo  no niatrika ny vahoaka hikomy sy hanohitra azy mirahalahy ampahibemaso sy tamin’ny heriny manontolo . Mandraka ankehitriny  dia mbola maro  amin’ny mpitory ny Filazantsara  no miatrika fanoherana noho ny fisian’ny olona manohitra sy mandà mafy ny fivavahana kristiana .

2-Omen’ny  Tompo  tolo-tànana

Niitatra  sy nihamafy  ny fanoherana  an’i Paoly sy I Barnabasy ka tonga  hatramin’ny fikasana hitora-bato  azy ireo  . Narovan’ Andriamanitra  tamin’izany  tetika ratsy  izany anefa  ny irany   ka afa-nandositra soamantsara  tany amin’ny tanàna hafa (and6) . Sady  fiarovana  izany   no fanohizana ny iraka  nampanaovina . Omen’ Andriamanitra tolotsaina mandrakariva  ny irany  manoloana ny loza mila haningotra aina .

3-Hanehoany ny heriny

Na dia nisy   aza ny  fanoherana  nitarika  ho  amin’ny fandosirana , tsy niafina mandrakizay  tsy akory  ny  Apostoly . Nanohy  ny  iraka nampanaovin’ny  Tompo azy  hatrany  izy ireo  nomban’ny herin’ Andriamanitra  (and3b,8-10 ). Hanehoan’ Andriamanitra ny heriny mandrakariva  ny irany izay matoky azy ka izany no hahasahiantsika mijoro  ho vavolombelon’ny  Tompo  hatrany  na dia mafy  aza ny  fandavana sy ny fanoherana .

Fanontaniana :

Tsapanao ve ny herin’ Andriamanitra miasa amin’ny alalanao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 27 Jolay 2017.

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Eksodosy  4.19-23

Ny iraky ny Tompo

Ny toko  faha- 3 sy 4 amin’ny bokin’ny Eksodosy dia mirakitra  ny fiantsoan’ Andriamanitra an’i Mosesy sy ny nanirahan’ Andriamanitra azy hitarika ny fanafahana  ny Zanak’ Israely . Hitantsika eto àry fa ny olona irahin’ Andriamanitra dia:

1-Homban’ny heriny

Dingana voalohany amin’ny iraka  nampanaovina  an’i  Mosesy  ny fiverenana indray any Egypta sy ny fifanatrehana amin’i Farao . Tsy navelan’ Andriamanitra  nandeha  amin’ny herin’ny tenany samirery anefa izy  fa nomeny  antoka sy nampombainy ny heriny . Efa  maty  ny olona nifofo ny ainy , asaina mitondra tehina sy manao fahagagana i Mosesy ho fanehoana ny herin’ Andriamanitra  miaraka aminy . Aza matahotra  raha irahin’ny Tompo fa manome antoka fiarovana  sy fombàna hatrany izay manaiky ho irany Izy , indrindra eo  anatrehan’ny  fahavalo  .

2-Mitondra ny teniny

Ankoatra ny fanehoana  ny  herin’ Andriamanitra  eo  anatrehan’i Farao   dia irahina hitondra ny Tenin’ Andriamanitra eo anatrehan’ity mpanjaka olon-dozabe sy mafy fo ity koa izy . Indraindray dia mety tsy hahafaly  ny hafa  na koa  mety hampidi-doza ny teny hampitondrain’ Andriamanitra . Tsy maintsy  hambara  anefa  izany satria ny iraka  dia tsy afaka manova  na manala na manampy  izay teny nampitondraina azy .

Fanontaniana:

Inona no teny nambaran’i Jesoa ao amin’i Matio 28.20b?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Alarobia 26 Jolay 2017 .

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany .

Matio 24.1-14

Mitandrema !

1-Misy  hilaza  azy ho irak’ Andriamanitra kanefa  sandoka .

Efa  nampitandrina i Jesoa fa hisy tokoa ny ho avy  amin’ny anarany  ka hisandoka ho Kristy . Hisy koa ny hilaza azy  ho iraka mpitondra ny hafatr’ Andriamanitra kanefa tsy izy . Araraotin’ny sasany ny fotoana hiandrasana ny fiavian’ny Tompo mba hamitahana ny maro . Soa fa efa  nampitandrina antsika  ny  Tompo  koa , mitandrema ! Misy  tokoa  ny olona mitety vohitra sy tanàna  mitono-tena  sy misora-tena  ho Kristy  ankehitriny . Tokana i Kristy ambaran’ny Soratra Masina  sy ny fanekem-pinoantsika .

2-Misy famantarana vao ho avy ny farany

Ambaran’i Jesoa mazava  tsara  eto fa hisy famantarana maro hiseho , mialohan’ny hiavian’ny farany . Ny famantarana  dia natao hiomanan’izay mahafantatra ny heviny . Manaiky ho iraka vavolombelon’ny Tompo isika ka miomana sy miambina fatratra ,satria efa miseho  lany etsy sy eroa ireo famantarana  nambaran’i Jesoa . Maharitra amin’ny finoana an’i Jesoa ihany koa isika irany no sady miezaka ny hitory ny Filazantsara amin’ny firenena rehetra . Izay miandrandra ny hiavian’ny Tompo indray dia tsy maintsy miezaka amin’ny fitoriana ny fampielezana ny Filazantsara .

Fanontaniana:

Inona avy no voalazan’ny fanekem-pinoana momba an’i Kristy ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 25 Jolay 2017 .

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany .

Filipiana 1.12-18

Mampandroso ny fitoriana ny Filazantsara

1-Ny fiaretan’ny iraka mpitory

Iray amin’ireo mpitory ny Filazantsara  tena nahavita be tokoa i Paoly Apostoly . Maro  ireo  dia misionera nataony . Nitety  tany maro noho izany izy ary nisedra zavatra maro ihany koa. Anisan’izany ny fifatorany . Na izany aza dia nanam-pifaliana i Paoly satria ny fiaretany dia anisan’ny nampandroso ny fitoriana ny Filazantsara . Tonga fantatry ny olona  i Kristy noho ny faneken’ny iraka tahaka an’i Paoly hijaly sy hiaritra ny fampahoriana noho ny Filazantsara . Manaiky hiaritra  fahoriana  ny iraky ny Tompo mba hampandroso ny fitoriana ny Filazantsara , indrindra any amin’ny toerana sarotra sy maro mpankahala ny finoana kristiana .

2-Ny fanaovana an’i Jesoa ho anton’ny fitoriana

Hafatra fototra hanirahan’ny Tompo ny mino ny fanambarana ny fahafatesan’i Jesoa sy ny fitsanganany tamin’ny maty  mba ho famonjena  izao tontolo izao . Ny  fanambarana izany no antom-pisian’ny Fiangonan’ Andriamanitra  azy  ka tsy maintsy  atao vaindohan-draharaha . Tokony hampandini-tena  antsika  ihany anefa ny filazan’i Paoly eto  fa misy ny manao izany  amin’ny fihatsarambelatsihy fotsiny . Misy kosa  amin’ny fifampiandaniana . Tena misy tokoa izany na dia ankehitriny izao aza saingy isika kosa  andeha ho isan’ireo iraka  mitory  an’i Kristy  amin’ny fifaliana sy ny fitiavana .

Fanontaniana:

Inona no tokony hatao mba ho amin’ny fifaliana sy ny fitiavana ihany no itoriana an’i Kristy ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Alatsinainy 24 Jolay 2017 .

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany.

Lioka 8.38-39

Izay  nandray  ny famonjena  avy amin’ny Tompo.

Nohafahan’i Jesoa tamin’ny asan’ny demonia izay  namatotra azy ity lehilahy iray ity . Nirahina  hampiely ny  vaovao mahafalin’ny famonjen’ Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izy taorian’izany . Izay nandray ny famonjena  avy amin’ny Tompo. Noho izany dia :

1-Irahina hanambara  amin’ ny ankohonany

Nasain’i Jesoa niverina ho any amin’ny ankohonana niaviany ity rehefa avy nandray ny famonjena . Iraka  lehibe  nampanaovina azy amin’izany ny hilaza amin’ny ankohonany izay nataon’i Jesoa taminy . Eo anivon’ny ankohonana no hanirahan’ny Tompo antsika voalohany indrindra hitory  sy hijoro vavolombelon’ny asa mahagaga nataony tamintsika . Koa  aza menatra  ny hijoro  vavolombelon’ny Tompontsika eo  anivon’ny ankohonana misy antsika tsirairay avy .

2-Tery am-panahy hampiely ny vaovao mahafaly

Nanaiky ho iraky ny Tompo hanambara ny asa lehibe nataon’ Andriamanitra taminy ity lehilahy ity . Tsy nianona teo amin’ny ankohonany ihany fa nampiely izany eran’ny tanàna koa. Tsy nanirahan’ny Tompo azy  io , saingy  tery am-panahy kosa izy nanao izany noho ny fahatsapany ny maha-zava-dehibe ny famonjena noraisiny . An-tsitrapo no hanekena  ho iraka hanambara ny famonjen’ Andriamanitra . Tokony ho tery am-panahy  hanao  izany isika amin’ny sehatra  rehatra misy  antsika araka ny tenin’i Paoly Apostoly hoe: « fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay » ( 2 Kor 5.14) .

Fanontaniana:

Inona no sakana tsy nahafahana mitory amin’ny ankohonana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 23 Jolay 2017.

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany .

Malakia 3.1-7

Andriamanitra be fitiavana

1-Miantso ny olona  hiverina Aminy

Na dia tsy manaraka izay lazain’Andriamanitra aza  isika dia mbola antsoiny sy taominy hiverina Aminy  (and7). Fitiavana izany satria ny fiverenana Aminy ihany no vahaolana hialana amin’ny ota. Io no làlana ahafahana  mifandray indray amin’ Andriamanitra . Miverena amin’ Andriamanitra  fa manimba ny ota , mahatonga fisarahana amin’ Andriamanitra , mampahory  sy mampanalavitra  ny fiadanana .

2-Mitaona  ny olona hanaraka ny didiny

Ny fototry  ny ota eto  dia ny fialana tamin’ny didin’ Andriamanitra (and7) . Vokany : tonga manana ody , mijangajanga , mampahory ny mahantra sy ny kamboty ny olona . Na eo   aza izany dia maneho ny fitiavany Andriamanitra ka miala nenina mitaona  antsika hanaraka ny didiny . Tsy inona izany fa ny teniny  voarakitra ao amin’ny Soratra masina . Hevero ny toetrantsika ankehitriny : maro ny milaza  ho kristiana kanefa tsy mety  manaraka izay voalazan’ny soratra masina . Saino kely anie ity e : andaniny , maro no andraran’ Andriamanitra kanefa ataontsika , ankilany kosa , maro  ireo ampanaovin’ Andriamanitra kanefa tsy tanterahantsika . Ary koa , ny jentilisa  tsy mety manao ny fanaon’ny  kristiana fa ny kristiana  kosa manaiky hanao ny fanaon’ny jentilisa . Miverena  amin’ Andriamanitra  fa tia  antsika Izy  na dia  nandika  ny didiny aza isika (Lio 5.32) .

Fanontaniana :

Inona  no hataonao raha tsapanao fa nanota ianao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Sabotsy 22 Jolay 2017.

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Galatiana  1.11-24

Sahia mijoro ho vavolombelon’ny Tompo

Iraka mahavita be tamin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo i Paoly satria :1-Iraka  vavolombelon’ny  fiovampo  ao amin’ny Tompo

Vakivava ny amin’ny  fiovampon’i Paoly izay rehetra nandre ny lazany tamin’ny fanenjehana ny fivavahana kristiana kanefa tonga mpitory  mafana fo an’i Jesoa Kristy (and23) . Hitan’ny olona izany fiovana izany ary voaporofo tamin’ny ezaka anataony . Noho ny fiovam-po dia nanao ny ainy tsy ho zavatra i Paoly , nanao ho zava-dehibe voalohany indrindra teo amin’ny fiainany ny asany ka hitan’ny olona niharihary tokoa izany . Asehoy ho hitan’ny olona ny fiovam-ponao ao amin’ny Tompo .

2-Iraka mitory an’i Kristy

Talohan’ny naha-mpitory ny Filazantsara azy dia mpifikitra  tamin’ny fivavahan-drazana sady mpanenjika ny fivavahana kristiana i Paoly. Ny  fifanenany tamin’ny Tompo teny an-dàlan’ny Damaskosy  no nampiova hevitra tanteraka azy . Tena  fiovana tanteraka fa tsy fiovana tamin’ny ampahany na nifono fihatsarambelatsihy . I Kristy no nataony ho ivon’ny fanambarany  ary ny fitoriana an’i Kristy no nataony vaindohan-draharaha . Na dia zava-mahamenatra ny Jiosy tahaka azy ny nitory ny amin’ny hazo fijaliana dia tsy nataon’i Paoly ho zava-mahamenatra azy velively izany . Miova hevitra ny olona rehefa tena mifanena amin’ny Tompo .

Fanontaniana :

Rehefa tonga kristiana ianao , inona no mba lazain’ny olona momba anao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM