Zoma 13 Janoary 2017

VAVOLOMBELONA  MAHATOKY NY TOMPO

Jeremia 42.1-12

Vavolombelon’ny fanekena ataontsika ny Tompo

Nampalahelo ny toe-javatra  tao Jerosalema nifamatotra tamin’ity Jer 42 ity . Efa lasan-ko babo tany Babylona ny maro , fa vitsy an’isa no sisa nonina tao . Mbola nifamono ihany ny tao ary nisy fikomiana. Nandositra nankany Egypta ny mponina sy miaramila noho ny korontana . Teny an-dàlana izy ireo no nivily tao amin’i Jeremia hanontany marina izay tena hevitry ny Tompo momba izay hataony sy halehany manoloana izao loza sy korontana izao .

1-Henoy aloha ny Tenin’ny Tompo

Nianiana ireto miaramila sy vahoaka handositra  ho any Egypta ireto fa hanaraka izay hevitr’ Andriamanitra hambaran’i Jeremia (and5). Manamafy ny fahavononana hihaino sy hankato izany . Fanaontsika ny manao fanekena manomboka amin’ny Batisa sy amin’ny fanokanana . Raisintsika ho fianianana aza izany , nefa dia ataontsika am-pahazarana koa . Fantaro sy henoy ny Tenin’ny Tompo vao manao fanekena isika .

2-Raiso  fa mahasoa  ny Tenin’ny Tompo

Mafy orina ny fanambarana rehefa misy vavolombelona. Ny Tompo no vavilombelona fa nilaza hankato izay teny ampitondraina ny mpaminany ny vahoaka , na ho soa na ho ratsy fa hahasoa izany (and6). Ny Fiangonana no mpaminany mpilaza ny hafatry ny Tompo . Raiso izany ary ekeo fa hahasoa antsika , na dia mety hampangidihidy sofina antsika aza ny mihaino izany indraindray .

Fanontaniana:

Moa efa nisy Tenin’ny Tompo nanahirana antsika ve, nefa fantantsika fa mahasoa antsika ? Inona ny hevitrao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV