16 oktobra 2016 Alahady XXI manaraka Trinite – MAMRE
Eks 39.32-43 / Lio 17.7-10 / Heb 3.1-6
Eks 39.32-43 / Lio 17.7-10 / Heb 3.1-6
Oha 31.10-31 / Mat 24.45-51 / 1 Kor 4.1-5
Sal 1.1-6 / Lio 12.35-40 / Kol 4.7-18
MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO
1 KORINTIANA 11.23-29
« Fa na oviana na oviana no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo mandra-piaviny (and 26)
1-Manambara ny Tompo ao amin’ny fiainany ny mino
Ny fiaraha-misakafo nataon’ny Tompo sy ny mpianatra farany no nanoernany ny Fanasan’ny Tompo , fiombonam-piainana Aminy izany . Manan-danja amin’ny mpino ny fanatanterahana ny famakiana ny mofo tahaka ny nataon’ny Fiangonana voalohany . Fijoroana ho vavolombelon’ i Jesoa maty sy nitsangana tamin’ny maty ny Fanasan’ny Tompo . Manavao ny fifandraisan’ny mino Aminy izany rehefa ialohvana fandinihantena .
2-Manambara ny fahafatesan’ny Tompo ny mino
Asam-pamonjena lehibe no vitan’i Jesoa Kristy ho an’izao tontolo izao . Maty nitondra ny heloka sy ny fahotana teo ambony hazo fijaliana Izy . Ny Ra nilatsaka tamin’ny tenany no toy ny Ran’ny Zanakondry tsy misy kilema natao sorona . Mamafa ny heloka sy ny fahotana ny Tompo rehefa mibebaka ny olona . Mofo sy divay no manamarika ny Fanasan’ny Tompo izay nanambarany ny tenany sy ny Rany natolony teo amin’ny hazo fijaliana .Mampiorina ny finoana ny famonjena vitany izany .
Fanontaniana :
Inona aminao ny Fanasan’ny Tompo ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM
Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika” (2 Tim 1 : 8a)
Ry havana,
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo (Fil 1:2)
Ny Synoda Lehibe faha XVIII nivory teto Antsirabe ny 17 -24 Aogositra 2016 dia misaotra an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina. Manonona ny fiadanan’ny Tompo ho anareo Fiangonana rehetra, ary mitondra izao hafatra izao :
Isaorana Andriamanitra fa vita soa aman-tsara ny fivorian’ny Synoda Lehibe faha XVIII, izay niompana tamin’ny teny faneva iainantsika mandritra ny efatra taona indray hoe : « Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika » (II Tim 1, 8a). Isika Fiangonana sy ny Mpino tsirairay no antenaina haneho amin’ny tenintsika sy ny fomba fanao ary ny fomba fiainantsika ireo soatoavina rehetra mifototra amin’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. Volavolain’ilay Teny noraisina avy any ambony isika, ka tonga Vavolombelona feno ny Fanahy sy ny fahendrena, afaka hampita amin’ny hafa ny herim-pamonjena efa nanangana antsika tamin’ny maty. Aoka hotsarovana mandrakariva, fa miandrandra antsika Fiangonana sy Mpino kristiana ny fiarahamonina ankehitriny. Iraka ho antsika ny manompo sy mampijoro ny rahalahintsika ka hitaona azy hino sy hanolo-tena hanompo ny Tompo. Koa ny fibebahana sy ny fiombonam-piainana amin’i Kristy ary ny famolavolan’ny Tenin’Andriamanitra antsika no fanoitra hahatonga antsika ho Vavolombelona marina.
Maneho ny fisaorana sy ny fankasitrahana ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe sy ny Mpiandraikitra Foibe ,ny Mpanatanteraka, ny Synodamparitany rehetra sy ireo vahiny nasaina avy eto an-toerana sy ny avy any ivelany ( CEVAA, PCUSA … )
Isaorana manokana ny Synodamparitany Andrefana Atsimon’Ankaratra Miaradia sy ny Fiangonana Katedraly Mahafaly Antsirabe sy ireo Fitandremana manodidina, izay nandray ny Synoda Lehibe faha XVIII.
Ny Synoda Lehibe faha XVIII dia nanapa-kevitra, fa amin’ny maha Vavolombelona ny Fiangonana dia hatao ho vaindohan-draharaha sy hampitomboina ny fitaizam-pinoana sy ny asa mahakendry ny fiainana andavanandron’ny olona. Hampitomboina ny isan’ny Mpiomana ho Mpitandrina, ka ho sokafana indray ny Toeram-panomanana ho Mpitandrina any Imerimandroso distrikan’Ambatondrazaka.
Ny taona 2018 no fotoam-pankalazana ny Jobily faha 50 taonan’ny FJKM(1968 – 2018) sy ny faha 200 taona nidiran’ny Filazantsara nentin’ny Protestanta LMS (1818 – 2018). Fananganana trano Toeram-Panomanana Mpitandrina eny Ivato no tsangambato.
Atao vaindohan-draharahan’ny FJKM ny fampitomboana ny Fitoriana ny Filazantsara ; ka hifanome tànana amin’izany ny Kristiana rehetra. Hampiroboroboina ny loharanom-bola maharitra, ary hatsaraina ny fiveloman’ny mpiasam-piangonana. Hasiana fanofanana ho amin’ny fikajiana sy ny fikoloana ny fananan’ny Fiangonana FJKM.
Zava-dehibe ny fanekena sy ny fisokafan’ny Sekoly FJKM, amin’ny fanomezana anjara toerana ireo sokajin’olona manana fahasembanana, mba ho afaka hanovo fahalalana sy hanompo an’Andriamanitra izy ireo. Tohizana hatrany ny fanatanterahana ny vinan’ny Sekoly FJKM sy ireo fanamby, izay nitondra vokatra tsara mandrakariva sy fanavaozana teo amin’ny fanabeazana. Fandraisana an-tanana sy fanohanana ny Sekoly FJKM sy ny mpanabe rehetra, izay hataon’ny Fiangonana.
Atao laharam- pahamehana : ny Fitaizana ny Kristiana, ny fampiorenana ny finoana,ka notapahina fa hasiana ny Synodampinoana, ny fanohanana ny asa iombonana ary ny firotsahana an-tsehatra.
Manoloana ireo fivavahana samihafa dia manana vina sy fanamby ny Fiangonana FJKM, dia ny hoe : “ FIRENENA KRISTIANA HATRANY I MADAGASIKARA AMIN’NY TAONA 2118”, ary manana ireo asa maharitra sy mahomby amin’ny Fitoriana ny Filazantsara isika.
Araka ny Soratra Masina , ny FJKM dia miady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana ary ny tsy fandriampahalemana. Nohamafisina indray ny maha Komity ny vaomieran’ny fiainam-pirenena, izay hitondra ny tenin’ny FJKM sy hanao paikady hiatrehana izany.Ao anatin’izany ny fitaizana ireo zanaky ny FJKM manana andraikitra eto amin’ny firenena.Amin’ny maha Mpaminany sy Mpitily ho an’ny firenena ny Fiangonana,dia tsy misalasala ny Synoda Lehibe faha-XVIII ny FJKM manaitra anareo mpitondra fanjakana, mba hijery akaiky ny lafiny ara-tsosialim-bahoaka sy ny zon’ny olom-pirenena , mba hisitraka ny harena nomen’Andriamanitra azy ny vahoaka Malagasy.
Farany, vita tamin’izao Synoda Lehibe faha XVIII izao, ny fanavaozana ireo Mpiandraikitra Foibe sy ny Birao Foibe hiasa mandritry ny efa-taona (2016-2020)
Manao veloma finaritra amin’ny anaran’ny Tompo sy mampahery anareo Fiangonana ny amin’ny fijoroanareo vavolombelona ao amin’i Kristy
“ Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika”( IITimoty 1:7,8a)
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.
Antsirabe, faha 24 Aogositra 2016.
Ny Filohan’ny Synoda Lehibe
RAKOTONIRINA Charles,Mpitandrina
Ny Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe
IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi , Mpitandrina
Notanterahana ny Talata 20 Septambra 2016 maraina tao Vohipiraisana Ambohijatovo ny fanompoam-pivavahana ho fanaovam-beloma sy fankasitrahana ny Filoha roa lahy , ny Mpitandrina RASENDRAHASINA Lala Haja sy ny Pastora RAKOTO Endor Modeste , ary ny Fiarahabana sy firariantsoa ny Filoha roalahy vaovao .
Tamin’izany fotoana izany ihany koa no nanatanterahana ny fiarahabana ireo Filoha mirahalahy handimby toerana eo amin’ny fitantanana ny Fiombonan’ny Fiangonana kristiana Protestanta eto Madagasikara (FFPM)
Andriamatoa RAMITSIRIHAJA A. Nary , Mpandraharahan’ny FFPM no nitarika ny Fanompoam-pivavahana , ary Andriamatoa ZAKAZAFY Etienne , Mpitandrina , Tonian’ny FFPM kosa no nitondra ny Hafatry ny Tenin’ Andriamanitra , izay nalaina tao amin’ny ROMANA 12.3-8
Famintinana ny Toriteny :
Na dia samy manana ny asany aza isika , ary samy manana ny fanomezam-pahasoavany dia natao hifameno haneho ny tenan’i Kristy . Misy ihany anefa ny mahatsiaro ho lasa ambony kokoa ka manjary manambany ny hafa . Hoy ny and 3 : « Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina… ». Ao amin’ny fiombonana no tena isehoan’ny tena maha-izy antsika . Tsy tokony hisy ny hanambony ny tenany na hanambany ny tenany fa samy ilaina avokoa isika rehetra hanehoana ny asan’ Andriamanitra . Noho izany , tsy maintsy mandini-tena isika manoloana ny zava-misy . Ekena fa tsy maintsy misy ny tsy fitovian-kevitra , ary fantatr’ Andriamanitra hatrany am-boalohany izany , nahatonga ny vavaka nataon’i Jesoa ho an’ny mpianany hoe : « mba ho iray ihany izy rehetra ». « Fa isika na dia maro aza dia tena iray ihany ao amin’i Kristy » (and 5) , nefa aoka hotandrovina fatratra ny maha-iray antsika , ny maha-samy Protestanta antsika . Miombona ao anatin’ny fahasamihafana isika . Misy ny tsy maintsy arindra , ampandeferina mba hahatanteraka izany fiombonana izany . Tsy maintsy miezaka mifampihevitra , mifampihaino , mifanome lanja araka ny maha- izy ny tsirairay .
Fandraisam-pitenenana :
Nambaran’ny Filohan’ny FFPM amperinasa , ny Pastora RAKOTO Endor Modeste , fa faniriany dia ny hisian’ny filaminana tsara eo amin’ny fifandimbiasan-toerana. Nametra-beloma ny tenany satria efa feno taona ka hipetraka ary any Ankaramalaza . Any no ho fonenan’izy mianakavy . Izy no nanolotra ny Filohan’ny FLM vaovao , Andriamatoa RAKOTONIRINA Davida , sy ny Birao voafidy tany amin’ny Synoda Lehibe FLM .
Ny Mpitandrina RASENDRAHASINA Lala Haja , Filohan’ny FJKM teo aloha kosa no nanohy ny fandraisam-pitenenana, ka fisaorana an’ Andriamanitra noho ny nahafahana niasa nanompo teo anivon’ny FFPM no nanombohany ny fitenenany . Nisy ny efa tontosa fa misy koa ny mbola miandry toy ny fananganana ny Radio Protestanta , ny fitantanana ny fananana samihafa …Izy ihany koa no nanolotra ny Filohan’ny FJKM vaovao , Andriamatoa IRAKO Andriamahazosoa Ammi , Mpitandrina sy ireo Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM , lany tany amin’ny Synoda lehibe farany teo .
Teo amin’ny fandraisam-pitenenan’ny Filohan’ny FLM vaovao ,ny Pastora RAKOTONIRINA Davida dia nasehony ny fahavononany hampandroso ny firaisana . Nentaniny ny solotenan’ny kristiana mivondrona ao amin’ny FFPM mba hiaraka hampandroso ny asan’ny FFPM .Tsy mihambo hahavita irery fa miankina amin’ny herin’ny Fanahy Masina .
Notsipihan’ny Filohan’ny FJKM vaovao, ny Mpitandrina IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi kosa fa tsy maintsy ravana ny endriky ny fihatsarambelatsihy rehetra mba ho fiaraha-miasa tsy misy fangalam-piery no iarahana . Tsy mahazo diso fahavalo isika . Hafa ny fahavalontsika ary tsy maintsy ravana izany . Miara-mandroso , miaraka isika amin’ny maha-protestanta antsika .
Nofaranana tamin’ny nofo-kena mitam-pihavanana ny fiombonana teo anivon’ny fiankaviamben’ny FFPM .
Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra
Nangonin-dRamatoa SAHONDRAMALALA Vololona
(AFIFAB / Site web )
Handala sy hiaina ny fahamarinana eo anivon’ny sehatra iombonana rehetra, manomboka eny amin’ny Fokontany, ny Faritra , ny Faritany ary ny Firenena manontolo na eo amin’ny sehatry ny Fiangonana izany na eo amin’ny sehatry ny fitantanam-panjakana.
Handala sy hiaina ny fahamarinana amin’ ny fifidianana rehetra atao satria ny fahamarinana manandratra ny firenena.Ny FJKM dia mandray anjara mavitrika amin’ny fampihavanana tarihin’ ny FFKM eto amin’ ny firenena ; fampihavanana miorina amin’ny fanafahan’ny Filazantsara, fantatra amin’ny hoe 4F – FIBEBAHANA, FIAIKEN-KELOKA, FAHAMARINANA, FIHAVANANA.Koa manainga antsika, ry havana, mba hitondra am-bavaka ny fanohizana izany asa fampihavanana ataon’ny Fiangonana izany. Manamafy etoana koa ny iainantsika izany fampihavanana izany manomboka amintsika tsirairay ao anaty ao, eo anivon’ny ankohonana izay misy antsika, ny fokontany onenantsika, mba hiantraikan’izany amin’ny firenentsika.Ho firosoana amin’ny fiainana ny fahamarinana sy ny fahamasinana marina ny finiavana hiaina ireo 4F ireo. Andriamanitry ny famonjena ny Andriamanitsika , mamonjy antsika amin’ny fahotana, manafaka antsika amin’ny fitiavan-tena, mamonjy antsika amin’ny fahafatesana ary mamaha ny mifatotra. Ny Fiangonana no mila maneho voalohany ny vokatry ny famonjena rehetra amin’ny fifadiana ny fanao ratsy rehetra (ITes 5:22) mba hahatonga ny firenena hiadana sy handry fahalemana.« Ho an’Izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana, ho an’Andriamanitra tokana , Mpamonjy antsika, amin’ny alalan’i Jesoa Tompontsika anie ny VONINAHITRA sy ny FAHALEBIAZANA , ny FANJAKANA sy ny FAHEFANA . Amena « (Joda 24).Antananarivo, faha-17 Janoary 2014Ny Biraon’ ny Mpiandraikitra FoibeNy Filohan’ ny FJKMRASENDRAHASINA Lala, Mpitandrina
“Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben’ ny famindrampony ho amin’ ny fanantenana velona tamin’ ny nitsanganan’ i Jesoa Kristy tamin’ ny maty” (1 Petera 1, 3)
Velona ny Tompo ! Eny, nitsangana marina tamin’ ny maty tokoa Izy !
Nandia ny Herinandro Masina isika nanomboka tamin’ ny Alahadin’ ny Sampandrofia. Herinandro Masina izay nampita antsika ho amin’ ny Paska ka namelomana manokana tao anatin’ny mpino kristiana ny lalan-tsarotra sy fisedrana ary fitsapana nodiavin’i Jesoa Kristy Zanany, ka namoizany hatramin’ ny ainy aza ho famonjena izao tontolo izao.
Tsy maintsy mandalo lalan-tsarotra, eny ny fahafatesana aza vao misitraka sy miaina ny fandresena. Fandresena ny fahafatesana, ilay fahavalo farany horesena no nosantarin’ i Jesoa Kristy tamin’ ny fitsanganany tamin’ ny maty tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro. Koa arahabaina ianao nahatratra izany tsingerin-taonan’ ny Paska izany.
Miavaka ity Paska taona 2014 ity eran-tany satria samy mankalaza izany avokoa amin’ ny andro mitovy dia ny Alahady 20 Aprily na ny Fiangonana mitana ny fomba amam-panao Tandrefana na Tatsinanana. Toa mitarika antsika hieritreritra sy hiaina lalindalina kokoa ny fiombonana sy ny fampiraisana izany fifanandrifian’ ny datin’ ny Paska eo amin’ ny Fiangonana Tandrefana sy Tatsinanana izany. Paska mandrava ny efitry ny fisarahana. Paska mampirisika antsika hiaina ny fiombonana eo amintsika samy FJKM. Ny tsy hisian’ ny fahasamy hafana sy ny fisaratsarahana no sitraky ny Tompo eo amin’ ny Fiangonany. Hiombona fa tsy samy haka ho azy na samy hanana ny fomba amam-panaony ny Fiangonana, indrindra isika FJKM. Tena hanana ny fanahin’ ny fiombonana ao amin’ i Kristy fa tsy mody miombona toy ny Fitandremana sasany amin’ ny alalan’ ny fanatanterahana ny adidy vola anjarany kanefa ny fomba fanaony sy ny fandaminana iainany tsy araka izay mampiombona ato amin’ ny FJKM.
Paska manafaka amin’ ny hery sy vahohon’ ny fahafatesana mbola iainan’ny mpino maro no ankalazaintsika ; mpino izay voafatotry ny fomba amam-panao tsy araka ny Filazantsara. Mitaky finoana amin’ ny tsirairay ny fanekena fa nitsangana tamin’ ny maty tokoa i Kristy. Ny manana finoana marina miorina ao amin’Ilay nandresy ny herin’ ny fasana dia tonga zanaky ny mazava ka tsy afaka hampiaraka na hampivady ny fanarahana an’i Kristy amin’ ny finoana na hery hafa. Ny mivavaka amin’ Andriambodilova dia tsy misy hafa amin’ ny krsitiana mpikambana amin’ ny fikambanana miafina (société secrète) samihafa misy eto amin’ izao tontolo izao, izay miafina amin’ ny alalan’ ny fanaovana asa soa ho an’ ny fiaraha-monina.
Mampirisika antsika hiaina ny fahamarinana sy ny fiadanana ka hampanjaka izany eto amin’ izao tontolo izao ny Paska. Mbola mamela dindo eo amin’ny fiainantsika Malagasy mantsy ny asan’ ny zanaky ny aizina ka mahatonga ny krizy lavareny, krizy izay anjakan’ ny aizin’ ny fahafatesana noho ny tebiteby vokatry ny tsy fisian’ny fandriampahalemana, noho ny fahantrana lalina eo amin’ny lafiny toekarena sy sosialy. Namonjy anao amin’ izany endrika sy aloky ny fahafatesana izany ny Tompo. Tian’ ny Tompo ho fiasam-pamonjena eo amin’ ny fiaraha-monina misy anao ianao. Nasehon’ Andriamanitra miharihary tamin’ ny Paska fa tsy ny fahafatesana no tompon’ ny teny farany manana ny fahamarinana.
Koa entanina isika kristiana FJKM mba ho sahy hijoro amin’ ny fahamarinana ka tsy hanaiky hovidina na hivarotra ny fahamarinana. Ny zanaky ny mazava mandova ny fandresen’ i Kristy dia mitondra fiadanana eo amin’ ny tontolo misy azy sy ao amin’ ny Fiangonana. Tanteraho ny fampanantenana fiadanana nataonao kristiana tomponandraikitra eo amin’ ny fiaraha-monina sy ny firenena ary ho feno ny fahamarinana ny fiainanao sy ny asanao. Fiasana nataon’ ny Tompo hamonjy amin’ ny fahafatesana misy eto amin’ izao tontolo izao ny kristiana tsirairay. Miaina ny fanantenana mandrakariva isika na dia diso fanantenana aza ianao, na dia sarotra aza ny làlana diavina satria “hiposaka … ny Masoandron’ ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ ny tànany” (Malakia 3,20).
Ho Paska fampiombonana sy fampiraisana, Paska fahamarinana sy fiadanana, Paska mandroaka ny aizina rehetra eo amin’ ny fiainantsika izao Paska izao.
Amin’ ny anaran’ ny Ilay Andriamanitra telo izay iray, ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Lala Rasendrahasina, Mpitandrina
Filohan’ ny FJKM
MF 04 SL XVII : 23- 30 APRILY 2014
CFD AMPANDRANA)
“Fa ny fanantenana no namonjena ny mino”Rom.8 : 24aRy havana, “Ho an’izay malalan’Andriamanitra sady voaantso no masina ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo” (Romana 1 : 7)Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory teto amin’ny CFD Ampandrana, tamin’ny 24- 30 Aprily 2014 dia miarahaba ny Fiangonana sy ny vahoakan’Andriamanitra FJKM rehetra, nahatratra ny Paska 2014, fahatsiarovana ny Fitsanganan’I Jesoa Kristy Tompontsika tamin’ny maty. Antenaina fa ny Herin’ny fitsanganany dia ahatonga ny maro iaina ao anatin’ny fahamarinana sy ny fahaleovantena tena izy, miaraka amin’I Jesoa Kristy. Ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe niantsoana ireo Prezida Synodaly sy ireo Tonia sy Tale rehetra eo anivon’ny Sampana, Sampanasa ary Asa dia mampita hafatra ho an’ny Tompon’Andraikitra sy ny Vahoaka kristiana FJKM mba handrotra hatrany, amin’ny Fiombonana Masina ka ahatsiarovan’ny mino rehetra ato amin’ny Fiangonana misy antsika fa “Iray ihany isika”. Ny Litorjia voarakitra ao anaty boky litorjia ihany no ampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana FJKM, koa ilaina ny fanarahana antsakany sy andavany izany. Efa vita izao ny Litorjia FJKM amin’ny teny frantsay sy anglisy. Ny fanatanterahana ny adidy rehetra ato anivon’ny Fiangonana dia fanehoana izany “fiombonana izany”, aty amin’ny Foibe, ny Synodamparitany ary ny Fitandremana. Koa atao ho vaindohan-draharaha mandrakariva izany ho fampandrosoana ny Fitoriana ny Filazantsaran’I Jesoa Kristy.Vita izao ny boky fianarana Soratra Masina ampiasaina eny amin’ny Sekoly FJKM ary dia ho fitaovan’ny Sekoly izany.Miangavy ny Fiangonana hitondra am-bavaka sy hanohana hatrany ny Sekoly FJKM manerana ny Nosy.Maro ireo fiofanana sy fifampiofanana hotanterahina mba hahazoan’ny mpino tanjam-pinoana sy fahalalana vaovao.Tsapan’ny Mpiandraikitra Foibe ny zava-tsarotra samihafa iainan’ny firenena, indrindra ny tsy fandriampahalemana izay misy fiantraikany aty amin’ny fiainam-piangonana sy ny vahoaka, koa mampahery ny Fiangonana tsy hiraviravy tànana fa hijoro hatrany ho mpampahery ny olona rehetra mba ho vavolombelona fa Ilay “Maherin’I Jakoba” no momba antsika, araka ny Soratra Masina hoe : “dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao ary Ilay Maherin’I Jakoba no Mpanavotra anao” (Isaia 49 : 26b).Momba ny firenena, dia ampirisihana sy ampaherezina ny Filoham-pirenena, mba hijoro amin’ny fahamarinana ary hanatanteraka ireo teny fampanantenana rehetra nataony tamin’ny vahoaka Malagasy. Ny vahoaka koa mba hitandrina ny fahamarinana sy ny tahotra an’Andriamanitra, hiverenan’ny filaminana sy ny fihavanana eto amin’ny tanintsika ! Manohana ny ezaka ho amin’ny Fampihavanana tanterahin’ny FFKM isika FJKM.Hamafisin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny Mpiandraikitra Foibe fa tena “rariny sy hitsiny” ary mariky ny firosoana mankany amin’ny fampihavanana sy ny fanajana ny soatoavina Malagasy momba ny “Fihavanana sy ny tahotra an’Andriamanitra” ny fanokafana tsy misy fepetra ny Radio Fahazavana sy ny famerenana ny fananan’ny FJKM norobain’ny Fitondrana Tetezamita, ho amin’ity taona 2014 ity.Farany, dia ampaherezina hatrany ny Fiangonana ny Sampana, Sampanasa ary Asa rehetra manerana ny sahan’ny FJKM, hahatsiaro fa ny Iraka voalohany ampanaovin’Andriamanitra antsika dia ny Fitoriana ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra, hatrany amin’ny faran’ny tany. Ho vokatra andrasana ao anatin’izany ny fihitaran’ny Fiangonana sy ny fitomboany ka tsy hitsahatra ny famoany “Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha” (Jeremia 17 : 8a). Manao veloma ny Mpianakavin’ny finoana rehetra amin’ny fanorohana masina (I Tesaloniana 5 : 26).“Ary ny Tompon’ny fiadannaa anie hanome anareo fiadanana mandrakariva amin’ny zavatra rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo” (II Tesaloniana 3 : 16)Ampandrana, 30 Aprily 2014Ny Filohan’ny Mpiandraikitra Foibe FJKMAndriamatoa RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina
| |
27. Ala. VI man. Trinite - TPM sy IFRP
Jer. 1. 4-10 | Mar. 3. 13-19 | Rom. 1. 1-7
| |
03. Ala. VII man. Trinite
2 Sam. 10. 9-14 | Jao. 14. 1-7 | Efe. 6. 10-13
| |
10. Ala. VIII man. Trinite - KFTM
Dan. 10. 18-11.1 | Lio. 22. 24-34 | Jak. 5. 7-11
| |
17. Ala. IX man. Trinite - Aumônerie Nationale
1 Mpa. 17. 10-16 | Lio. 5. 17-26 | Asa 15. 22-29