Ny FJKM sy ny tantarany

1968-2013.Feno 48 taona amin’ity taona 2016 ity ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. 48 taona tokoa mantsy izay no nijoroan’ny FJKM taorian’ny fihaonana lehibe nataon’ireo Fiangonana telo tonta mitambatra tao Toamasina.Raha ny tantara no tsiahivina, tamin’ny volana aogositra 1968 no nanambarana nandritra ny fanompoam-pivavahana lehibe natao tao amin’ny renivohitry ny Betsimisaraka ny fahaterahan’ny FJKM. Mialoha izany, hatramin’ny nahaterahany no mankaty, eny amin’ny mbola ho aviny, Fiangonana vavolombelon’ny firaisana hatrany izy. Dia ny firaisan’ny mpino amin’Andriamanitra sy ny firaisan’ny mino avy amin’ny Fiangonana samihafa. Mba ho iray ihany izy rehetra tahaka ny maha-iray Anao ato Amiko !Tsy azo sarahina amin’ny tantaran’ny asa misiona ny tantaran’ny Fiangonana eto amintsika. Indrindra ny tantaran’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM). Amin’izao taona hanitsahany ny faha-45 taona nijoroan’ny FJKM izao, asa re mba firy no mahafantatra ny lalana lavabe nizoran’ny firaisana eo amin’ny Fiangonana vitsivitsy lasa Fiangonana tokana ? Mba hahalalantsika ny maha-FJKM antsika, tsara ny manao jery todika na dia vetivety monja ihany aza izany. TELO TONTA Tamin’ny taona 1818 no tonga teto Madagasikara ny misionera avy amin’ny London Missionary Society na ny LMS avy any Angletera. Taty Ivondro Toamasina no nidiran’izy ireo tamin’izany. Izany no mahatonga ny anaran’ny Synodamparitany Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara. Nampianatra ny Soratra Masina tamin’ny Malagasy ireo misionera izay niezaka nanoratra izany amin’ny teny malagasy. Izany no nahatonga antsika hanana ny Baiboly voasoratra amin’ny malagasy hatramin’izao. Ny taona 1962, izany roa taona taorian’ny nahazoana ny fahaleovantena, lasa Fiangonan’i Kristy eto Madagasikara ny LMS.Tamin’ny taona 1867 indray kosa no tonga teto amintsika ny Friends Foreign Missionary Association na ny FFMA iraky ny Fiangonana Frenjy avy any ivelany. Naka toerana tsikelikely teto Madagasikara ny FFMA nitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nanana ny maha-izy azy ny FFMA ary tokoa ireo Malagasy nanaraka azy. Lasa FFM na Fiangonana Frenjy eto Madagasikara ny FFMA tamin’ny taona 1958. Avy ao amin’ity Fiangonana ity no nitsirian’ny hevitra hananganana komity ho amin’ny firaisana.Taona vitsivitsy taorianan’ny naha-lasa zanatany frantsay an’i Madagasikara no niditra teto ny Mission Protestante Française na ny MPF. Raha avy amin’ny firenena anglisy iretsy misiona roa voalohany, avy any Frantsa indray kosa ity misiona fahatelo ity izay nanorina sy nanangana Fiangonana maro ihany koa tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly nilofosany. Niova anarana ho FPM na Fiangonana Protestanta eto Madagasikara ny MPF ny taona 1960. KOMITIN’NY FIRAISANAAraka ny efa natsidika tetsy aloha, niainga tao amin’ny FFMA ny hevitra hanangana komity iraisan’ny misionera. Teraka tamin’ny taona 1958 io komity izay nomena anarana hoe Komitin’ny Firaisana satria nahitana ireo solontena avy amin’ny Fiangonana telo tonta voalaza etsy aloha. Nifanerasera tao anatin’io komity io ireo Fiangonana telo tonta nifankahalalana bebe kokoa ary indrindra nitady ny hevitra mahasoa hitambarana. Naharitra folo taona izany fifaneraserana izany vao tonga amin’ny fanapahan-kevitra iraisana hampijoroana ny FJKM na ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Tanteraka izany ny taona 1968 taorianan’ny fihaonana natao Toamasina.Ireo Filoha telo mirahalahy –Titus Rasendrahasina, Mpitandrina Filohan’ny FKM, Andrianaly Ratavao, Mpitandrina Filohan’ny FFM, Ralambomahay Jean Baptiste, Mpitandrina Filohan’ny FPM – moa no nanao ny fanambarana ny fijoroan’ny FJKM niofon’ny fiangonana telo tonta ho lasa Fiangonana iray. Hira faneva tamin’izany ilay hira ao amin’ny fihirana FFPM laharana 645 « Endrey izany hafaliana ». Vavolombelon’ny firaisan’ny Fiangonana ny FJKM teo am-panombohana ary nitohy hatrany izany teo amin’ny fandaminana, ny rafitra, ny fomba amam-panaon’ny Fiangonana Protestanta ary indrindra teo amin’ny fampianarana ny olona hatramin’izao !EFATRA MIRAHALAHYHatramin’ny taona 1968 mandraka ankehitriny, Mpitandrina dimy mirahalahy no nifandimby nitantana sy mbola mitantana ny FJKM. Samy nanana ny teny filamatra teo amin’ny fitantanana ny Fiangonana izy ireo. Samy nitondra fanatsarana hatrany teo amin’ny fomba fiasa sy fandaminana ny fiainan’ny Fiangonana izy ireo :- Ny Mpitandrina Titus Rasendrahasina (1968-1972) : Mba ho iray ihany izy rehetra tahaka Anao Ray ato Amiko ary Izaho koa ao Aminao (Jaona 17/21)- Ny Mpitandrina Joseph Joelson Ramambasoa (1972-1992) : « Fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemana » (II Korint.12/9b)- Ny Mpitandrina Edmond Razafimahefa (1992-2004) : « Mpanompo tsy mahasoa izahay, ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay » (Lioka 17/10)- Ny Mpitandrina Lala Haja Rasendrahasina (2004-2013) : « Tsarovy ny asa mahagaga nataony dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ny vavany » (Salamo 105/5)- Ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi (2016-2020) …..48 taona aty aoriana, tsy vitan’ny hoe manana ny anjara toerany eo amin’ny firenena ny FJKM fa mbola mijoro ho vavolombelon’ny firaisana. N firaisana amin’Andriamanitra sy ny firaisana eo amin’ny finoana protestanta….Dadatoanareo

Fototra iorenan’ny FJKM

Ny fiorenany

Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, afohezina amin’ny hoe : « FJKM » dia :

– Niorina araka ny fanambaran’ny Synoda Lehibe Voalohany tao Toamasina tamin’ny 18 Aogositra 1968.
– Fehezin’ny hitsivolana laharana faha 62-117 tamin’ny 01 obrobra 1962. Nankatoavin’ny Didy Fanapahana laharana faha-2175 tamin’ny 06 Jolay 1972 izay navoaka tamin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika Malagasy (JORM) tamin’ny 15 Jolay 1972

Ny finoany

Ny FJKM dia mino sy manaiky :

– Ny maha-Andriamanitra Tokana ny Ray sy ny zanaka ary ny Fanahy Masina ;
– Ny maha-Andriamanitra ny Ray Mpahary izao rehetra izao ;
– Ny maha-Andriamanitra tonga nofo an’i Jesoa Kristy Tompo Mpamonjy izao tontolo izao :
– Ny maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina ;
– Ny Tenin’Andriamanitra araka izay isehoany ao amin’ny Biboly sy izay hazavaina eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina no raisiny ho loharano sy fitsipiky ny finoany sy ny fiainany ;
– Ny Sakramenta roa (2) : Ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo

Ny zava-kendreny

– Ny handrenesan’ny Malagasy sy ny Mponina eto Madagasikara ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy sy handraisany ary hanekeny Azy ho Tompo sy Mpamonjy
– Ny handraisany anjara eo amin’ny sehatry ny Fiangonana sy Vondrom-piangonana Kristiana eran-tany
– Ny fijoroany ho vavolombelon’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiarahamonina no anehoany ny maha fanasina sy maha fanazavana azy eo amin’ny voahary manontolo sy izao tontolo izao

Ny adidiny

– Ny manambara fa Jesoa Kristy no Tompo Tokana Mpamonjy izao tontolo izao ;
– Ny manompo sy midera ary manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny teny sy amin’ny asa ary ny fiainana rehetra ;
– Ny mitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy Tompo amin’ny olona rehetra sy ny olona manontolo

Zoma 30 Septambra 2016

MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO

1 KORINTIANA 11.23-29

« Fa na oviana na oviana no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo mandra-piaviny (and 26)

1-Manambara ny Tompo ao amin’ny fiainany ny mino

Ny fiaraha-misakafo nataon’ny Tompo sy ny mpianatra farany no nanoernany ny Fanasan’ny Tompo , fiombonam-piainana Aminy izany . Manan-danja amin’ny mpino ny fanatanterahana ny famakiana ny mofo tahaka ny nataon’ny Fiangonana voalohany . Fijoroana ho vavolombelon’ i Jesoa maty sy nitsangana tamin’ny maty ny Fanasan’ny Tompo . Manavao ny fifandraisan’ny mino Aminy izany rehefa ialohvana fandinihantena .

2-Manambara ny fahafatesan’ny Tompo ny mino

Asam-pamonjena lehibe no vitan’i Jesoa Kristy ho an’izao tontolo izao . Maty nitondra ny heloka sy ny fahotana teo ambony hazo fijaliana Izy . Ny Ra nilatsaka tamin’ny tenany no toy ny Ran’ny Zanakondry tsy misy kilema natao sorona . Mamafa ny heloka sy ny fahotana ny Tompo rehefa mibebaka ny olona . Mofo sy divay no manamarika ny Fanasan’ny Tompo izay nanambarany ny tenany sy ny Rany natolony teo amin’ny hazo fijaliana .Mampiorina ny finoana ny famonjena vitany izany .

Fanontaniana :

Inona aminao ny Fanasan’ny Tompo ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM