Mampahery sy manafatra i Jesoa rehefa maniraka

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 12 Novambra 2026

Sal.66,1-4 / Hira 310.1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 428

Matio 10,28 - 33
28 Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo*.[*Gr. gehena] 29 Tsy varidimiventy* ihany va no vidin'ny tsintsina roa? nefa tsy misy na dia iray akory aza amin'ireny ho latsaka amin'ny tany, raha tsy avelan'ny Rainareo.[*Gr. asaria, izay ampahafolon'ny denaria] 30 Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. 31 Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo. 32 Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. 33 Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.

Mampahery sy manafatra i Jesoa rehefa maniraka

Ity Soratra Masina ity dia fampaherezana sy hafatra nataon’i Jesoa ho an’ny Mpianany raha handeha hanao ny asa fanompoana sy ny iraka, nefa manasongadina ihany koa ny fahefan’Andriamanitra izay ampahafantarin’i Jesoa eto.

1. Tanteraho amim-pahasahiana ny asan’ny Tompo.

Efa fantatry ny Tompo izay mety hanjo ireo mpianatra amin’ny asa sy fitoriana hataony. Ary tena hihatra aman’aina mihitsy izany. Miverina indroa ny teny hoe: « aza matahotra », teny feno fanomezan-toky ka mampahatsiaro ny mpianatra ny fahefan’ Andriamanitra izay milaza fa mahita ny antsipirian’ny fiainan’ny olony ka na ny volon-doha aza dia voaisany. Antso sy fampaharezana ary fanomezana antoka mazava fa tsy irery ny olona manao ny asan’Andriamanitra. Koa mahereza ary tanteraho izany fa fantany izay mahasoa antsika. Miantehera tanteraka amin’ny fahefana nomen’ny Tompo.

2. Aza mivadika Aminy

Mampitandrina ihany koa anefa Jesoa eto fa azo heverina mihitsy ny hoe mety handà ny Tompo ireto mpianany raha toa ka mafy loatra ny fanenjehana azy ireo. Fantantsika tsara fa maro tamin’ny mpianatr’i Jesoa no maty martiora. Lazaina mahitsy eto fa nandaitra ny tenin’ny Tompo, dia ny tsy hivadihan’izy ireo Aminy. Mavesatra ny tsy ho voavonjy, ary mafy ny tsy handova ny fanjakan’ny Ray. Tena fepetra takian’ny fanarahana ny Tompo ny fiorenana mafy amin’izay efa nampianarina sy nampinoana. Ary raha ireto mpianatra dia nanana tombony niaraka sy nifanerasera tamin’i Jesoa. Noho izany dia tanteraho amin-pahasahiana ny asan’ny Tompo, ary aza mivadika amin’ny Tompo fa mijoroa hatrany hatrany.

Fanontaniana:

Toetra manao ahoana no andrasana amin’ny mpitory?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Vavaka ankasitrahan’Andriamanitra

Alarobia, 11 Novambra 2026

Vavaka Vavaka fahatokiana sady fianteherana amin’Andriamanitra nataon’i Mosesy, fony tany an’efitra ny Zanak’Isiraely: 1. Mitoera…

Torolalan’ny Tompo

Talata, 10 Novambra 2026

Torolalan’ny Tompo Manome torolalana amin’izay tokony hataon’ireto iraka mialoha lalàna Azy ireto i Jesoa. Ireto…

Manitsy sy mitaridalana mandrakariva...

Alatsinainy, 9 Novambra 2026

Manitsy sy mitaridalana mandrakariva Miantefa tamin’ny Fiangonana tao Sardisy ny Soratra Masina, tanana malaza sy…