Manitsy sy mitaridalana mandrakariva ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 09 Novambra 2026
Sal.100 / HF.28 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 753 :1,4
Apokalypsy 3,1 - 6
1 [Sardisy] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Sardisy: Izao no lazain'ilay manana ny Fanahy fiton'Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona ianao, kanjo maty ihany. [* Gr. eklesia] 2 Miambena*, ka aoreno tsara ny zavatra sisa izay saiky maty; fa tsy nisy hitako** tanteraka ny asanao eo anatrehan'Andriamanitro. [* Gr. Miareta tory] [** Na: (tsy hitako)] 3 Dia tsarovy ny amin'ny nandraisanao sy ny nandrenesanao, ary tano mafy, ka mibebaha. Koa raha tsy hiambina* ianao, dia ho tonga toy ny fihavin'ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao. [* Gr. hiari-tory] 4 Kanefa misy olona* vitsy at? aminao at? Sardisy izay tsy nandoto ny fitafiany; ary hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria miendrika Izy. [* Gr. anaranana] 5 Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny. 6 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]Manitsy sy mitaridalana mandrakariva
Miantefa tamin’ny Fiangonana tao Sardisy ny Soratra Masina, tanana malaza sy manan-karena tamin’izany fotoana izany sady feno fireharehana kanefa tsy ankasitrahan’ny Tompo fa mila:
1. Mibebaka
Ny Voalaza eto fa toy ny velona nefa maty ity Fiangonana ity. fomba ivelany maha Fiangonana azy dia milamina tsara saingy ny tontolo ara-panahy dia eo am-bavahaonan’ny fahafatesana. Toy ny faty mihitsy aza ny fahitan’ny Tompo azy. Ilay Tompon’ny fahefana hitsara no miantso mba hamelona indray ny fifandraisana Aminy, mba ho ara-dalána ary mba hanany faharetana amin’izany. Eny, antsoina hibebaka mihitsy, hiverina ka hahatsiaro sy hiaina ny fitiavana voalohany. Tena fitiavan’Andriamanitra izao satria tsy mitsara avy hatrany Izy fa mbola miala nenina ho an’izay mbola anaty fahotana. Koa ialao ny fihatsarambelatsihy amin’ny fanompoana ny Tompo fa tanteraho amin’ny fitiavana Azy izany.
2. Miaraka amin’ny Tompo
Na eo aza izany toetran’ny fiangonana amin’ny ankapobeny izany dia misy kosa ireo vitsyizay niaro ny tenany tsy voaloto ka voalaza fa mendrika. Tsy mora ny mitahiry izany fahadiovana izany, fa ny fiarahany mandrakariva tamin’ny Tompo no mbola itoerany amin’izany. Ety amin’izao tontolo izao dia feno fandrik’ilay ratsy mba handavo ny mino ho latsaka ka hiaina amin’ny fahotana. Azo antoka anefa ny fandresena miaraka amin’i Kristy, eny manoatra noho ny mpandresy aza satria na ny fahafatesana aza efa noreseny. Tsy maintsy miambina mandrakariva anefa mba tsy hanalavitra ny Tompo satria ady no atrehina. Koa meteza hotarihin’ny Fanahy Masina mba tsy ho tafasaraka amin’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Mbola ao amin’ny bokin’ny fiainana ve ny anaranao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady