Tsy maintsy hifarana izao rehetra izao
Mofonaina anio: Zoma, faha 13 Novambra 2026
Sal.117 / Hira 357 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 512 :1,2
2 Petera 3,1 - 10
1 [Ny amin'ny hihavian'ny Tompo, sy fananarana noho izany] Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin'ny fampahatsiarovana, 2 mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho at? aminareo; 3 efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany 4 ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany? Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza. 5 Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra, 6 ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin'ny nanasaforany azy; 7 fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. 8 Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. 9 Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, 10 Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana]Tsy maintsy hifarana izao rehetra izao
Ity epistily ity dia fampahalalana ataon’i Petera ho an’ireo olona nandray ny Filazantsara. Ambarany eo amin’ny andininy voalohany fa entina hampifohazana ny sain’ny olona izany, sy hanehoana ireo famantarana samihafa ny amin’ny andro farany:
1. Hitombo ireo mandà ny Filazantsara
Ezaka hataon’ny olona nanara-dia an’i Jesoa hatrizay ny mizara sy mampahafantatra ny olona ny amin’ny Filazantsara. Ary mandrak’ankehitriny dia miezaka mafy ny Fiangonana amin’ny asa fitoriana. Kanefa arakaraka ny hanaovana ezaka mafimafy kokoa amin’ny fitoriana no mahamafy ny fanoherana. Tsy zavatra tokony hatao mahagaga anefa izany satria fanehoana sy fanamarinana fa akaiky ny farany. Tsy voatery ho tsy fahombiazan’ny fitoriana sy ny asan’ny Fiangonana anefa izany fa fanehoana mazava fa antomotra ny fiavian’ny Tompo.
2. Ho avy tampoka ny Tompo
Mandiso hevitra ny olona mandrakariva ny fandrefesany ny fotoan’ Andriamanitra, izay tsy voatery mifanaraka amin’izay fiheveran’ny olombelona. Ary vokatry ny fivoarana samihafa dia zary ataon’ny olona ho zavatra maivana ny fiavin’ny Tompo, ka variana miaina sy mivelona ary mitady izay mahasoa ety an-tany fotsiny izy. Ambaran’ny Soratra Masina fa hoavy toy ny mpangalatra ny Tompo. Ny mbola tsy fahatongavany ankehitriny dia tsy fahadisoam-potoana, fa famindrampo ho an’ny olona. Ary ny ezaka ataon’ny Fiangonana amin’ny fitoriana dia mifanaraka tsara amin’ny sitrapon’Andriamanitra, araka ny nambaran’ny Tompo hoe: tsy tiany hisy ho very ny olona. Koa miomana hitsena Azy.
Fanontaniana:
Tsy maintsy hifarana izao rehetra izao, ho avy ny Tompo, inona no fanehoana lazain’ny Soratra Masina amintsika?
Foibe Sampana Sekoly Alahady