Vavaka ankasitrahan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alarobia, faha 11 Novambra 2026

Sal.91.1-2 / Hira 1:1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 734:3

Salamo 90,1 - 12
1 [BOKY FAHEFATRA][Ny fiankinan'ny olo-marina amin'Andriamanitra, na dia mandalo faingana aza ny androny sady isehoan'ny fahatezeran'Andriamanitra] Fivavak'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra. Tompo ô, efa fonenanay hatramin'ny taranaka rehetra Hianao. 2 Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay. 3 Mamerina ny olona ho amin'ny vovoka* Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona.[Heb. fahatorotoroana] 4 Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina. 5 Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin'ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy. 6 Amin'ny maraina mamony izy, nefa mora miova*; Amin'ny hariva voajinja izy ka maina.[Na: Amin'ny maraina dia tahaka ny kolokolon'ahitra izy] 7 Fa lanin'ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao. 8 Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin'ny fahazavan'ny tavanao. 9 Fa ny androanay rehetra efa lasa amin'ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay. 10 Fito-polo taona no andron'ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay. 11 Iza no mahafantatra ny herin'ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao? 12 Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.

Vavaka

Vavaka fahatokiana sady fianteherana amin’Andriamanitra nataon’i Mosesy, fony tany an’efitra ny Zanak’Isiraely:

1. Mitoera ao amin’ Andriamanitra (And.1)

Manambara i Mosesy fa tao amin’ny Tompo hatramin’izay. Fonenana hoy izy, manambara trano izay itoerana sy ivelomana isan’andro. Araka izany, mifamatotra amin’Andriamanitra ny fiainana manontolo. Tena safidy tsara ny mitoetra ao amin’ny Tompo. Azo antoka ny ao Aminy satria Izy Ilay Mpahary izay hatrizay ary haharitra ho mandrakizay. Koa na dia tany an’efitra aza ry Mosesy dia toy ny an-tanana ihany satria misy izay ilaina noho ny amin’ny Tompo. Ny olombelona dia mielina sy mandalo ihany, fa Izy kosa dia tsy manam-piafarana. Hoy Petera: «Tompo o, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay» (Jao.6,68). Ao amin’i Jesoa Kristy irery ihany no fonenana tsara hahazoana ny tena fiainana.

2. Mangataha fahendrena (And.12)

Mielina sy mandalo tahaka ny aloka ihany ny olombelona. Eo anatrehan’izany dia tsy nangataka andro maro Mosesy fa fahendrena amin’ny andro sisa izay omen’ny Tompo iainany no niriany. Tsy fahendrena avy amin’ny fahalalan’olombelona anefa izany, fa avy amin’Andriamanitra. Ny fahatahorana an’i Jehovah tokoa no fiandoham-pahendrena. Araka izany, ny tena fahendrena dia tsy miankina amin’ny taona iainana na ny traikefa ananana fa avy amin’ny Tenin’ny Tompo irery ihany. Koa omany ny fo handray ny fahendrena amin’ny alalan’ny Soratra Masina eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. « Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra  » (Jak.1,5)

Fanontaniana:

Isika mino, firy tamin’ny vavaka nataontsika no efa nangatahana fahendrena tamin’Andriamanitra?

Foibe Sampana Sekoly Alahady 


Mofon'aina teo aloha

Torolalan’ny Tompo

Talata, 10 Novambra 2026

Torolalan’ny Tompo Manome torolalana amin’izay tokony hataon’ireto iraka mialoha lalàna Azy ireto i Jesoa. Ireto…

Manitsy sy mitaridalana mandrakariva...

Alatsinainy, 9 Novambra 2026

Manitsy sy mitaridalana mandrakariva Miantefa tamin’ny Fiangonana tao Sardisy ny Soratra Masina, tanana malaza sy…

Ny fiavian’ny Tompo

Alahady, 8 Novambra 2026

Ny fiavian’ny Tompo 1. Fanehoany ny heriny sy ny voninahiny (And.26) Voalaza fa hisy fahoriana…