Torolalan’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 10 Novambra 2026
Sal.63,1-5 / Hira 67:1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 354
Lioka 10,8 - 16
8 Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo. 9 Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra. 10 Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eo amin'ny lalambe, ka lazao hoe: 11 Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin'ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra. 12 Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Sodoma amin'izany andro izany noho ny ho amin'izany tanàna izany. 13 Lozanao, ry Korazina! lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho nibebaka ela izy ka nitafy lamba fisaonana sy nipetraka amin'ny lavenona. 14 Fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Tyro sy Sidona amin'ny andro fitsarana noho ny ho aminareo. 15 Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Haetry hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita* ianao.[*Gr. Hadesy] 16 Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.Torolalan’ny Tompo
Manome torolalana amin’izay tokony hataon’ireto iraka mialoha lalàna Azy ireto i Jesoa. Ireto no vontoantin’ny hafatra:
1. Efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra (and.8-12)
Rehefa tonga amin’ny tanana ka tafiditra ao an-trano iray dia mazava ny hafatra ambara: « Efa mby akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra ». Miverina indroa io fehezanteny io. Maneho izany fa hafatra fototra tsy maintsy hampitaina io. Na ireo olona manaiky hihaino na ireo mandà dia samy hanambarana izany avokoa. Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra satria Ilay Mpanjaka, Jesoa Kristy, mihitsy no manantona ny tsirairay. Tonga Izy mandondona eo am-baravaran’ny fon’ny olona. Tsy mbola miova ny Tenin’Andriamanitra hatramin’izao ka mampahatsiahy fa mila fantratry ny olona rehetra tsy ankanavaka fa tian’ny Tompo ho ao amin’ny fanjakany ny olona rehetra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy Mpanjaka.
2. Mibebaha (and.13-16)
Betsaida, Korazina, Kapernaomy, dia tanana telo any Galilia nanaovan’i Jesoa asam-pahagagana maro fa tsy nety tonga tamin’ny fibebahana mihitsy. Izay tena andrasan’ny Tompo amin’ny asa rehetra ataony dia ny fibebahana sy fieken-keloka teo anatrehan’Andriamanitra ary fitadiavana sy hetaheta hiaraka Aminy amin’ny fiainana manontolo. Tsarovy fa «loza » no miandry izay efa mahalala nefa tsy mety mibebaka. Koa minoa ny hafatry ny iraky ny Tompo satria tena fandavana an’ Andriamanitra ny tsy fankatovana ireny teny rehetra ireny.
Fanontaniana:
Mbola any ivelany sa efa ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ianao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady