Alakamisy 11 Oktobra 2018.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

JOSOA 13.8-33

1-Zarao ny tany , hoy ny Tompo

Raha miverina kely  amin’ny and 7 etsy aloha isika dia ny Tompo  no nibaiko  mba hizarana ny tany . Tena hendry ny Tompo . Mandamina ny fiainan’ny fireneny sy ny fiangonany Izy. Anjarantsika ny  mihaino  sy  mankato  ny baikony mba handaminana ny fiangonana fa « Andrian’ny fiadanana« Izy (Isa 9.5)ary « Tompon’ny fiadanana« (1 Kor 14.33).

2-Sarobidy ny tantara ! 

Marina fa i Josoa no nasaina nizara ny  tany eto , saingy  izay  hitantsika eto dia mbola ny ataon’i Mosesy (and32)avokoa aloha. Indraindray tokoa manko alaim-panahy isika mpitondra  hihevitra fa manomboka amin’ny fahatongavantsika  ny tantaran’ny asan ‘Andriamanitra . Diso anefa izany . Efa nisy mpanompon’ Andriamanitra nirahiny  teo . Tsy azontsika odian-tsy hita ho toy ny tsy nisy izay niarahan’izy ireny niasa tamin’ny Tompo .

3-Tsy nomena zara tany ny Levita !

Miverina indroa eto izany (and14,33), saingy tsy hoe: tsy nahazo zara tany izy ireo dia ny mahantra indrindra, Tsia! izy ireo aza no nahazo  ny tsara indrindra : « i Jehovah Andriamanitry ny Israely no lovany « (and33). Fatratra izany ! Isika koa , i JESOA  no tena harentsika . Vakio ny Rom 8.32

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra  » Boky faha- 2

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV