Alarobia 10 Oktobra 2018.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

JOSOA 13.1-7

1-Antitra i Josoa .

Ny  mpanompon’ Andriamanitra dia olombelona mety antitra . Lalam-piainana izany .Misy fetrany avokoa isika ary mahafinaritra ny  manamarika eto fa ny tompo  mihitsy no niteny tamin’i Josoa hoe: « Efa zokiolona ianao ka mandroso fahanterana « . Indraindray isika te-ho tanora lalandava , tsia! tsy maintsy ekentsika koa ny fiavian’ny fahanterana , ary hitan’ny Tompo ny fahanterantsika .

2-Be ny tany sisa tsy mbola azo

Na dia be aza ny ady nataon’i Josoa izay nandresena mpanjaka hatramin’ny 29 , ka efa nisy fitsaharana (Jos 11.23), dia tsy mbola nidika akory izany fa efa azo manontolo ny tany Kanana izay nampanantenain’nyTompo homena ny Zanak’ Israely . Ny fisian’ilay fitsaharana nampahatsiahivina teo dia fampaherezana antsika eo amin’ny asan’ Andriamanitra fa omeny fotoam-pitsaharana isika fa tsy hoe:miasa sy miady foana akory. Ny fisian’ireo tany maro mbola tsy azo kosa dia mampahatsiahy antsika fa raha mbola eto an-tany isika dia mbola hisy foana ihany ny ady hatrehina , na eo amin’ny fiainan’ny fiangonana (Israely vaovao )izany , na eo amin’ny fiainam-panahintsika manokana. Tsarovy ny teny hendry nataon’i Paoly (Fil 3.12-14).

Ho an’ Andriamanitra irery ny Vononahitra

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 2

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV