Alatsinainy 16 Aprily 2018.

Manolotra ny  fiainany ny  Tompo  
Romana 6.1-14

« …ka ny  tenanareo  dia ataovy  ho efa  maty  ny  amin’ny ota   fa velona  ho an’ Andriamanitra  ao  amin’i Kristy « (and11)

Ny  fiasan’ny  fahasoavan’i Kristy  eo  amin’ny  mpino  dia :

1-Mamono   ny fahotana (and6)

Raha ampiharina ara-bakiteny  ny hoe: »fahafatesana  no  tambin’ny ota »dia efa   maty  tokoa   isika rehetra. Fa  ny fahasoavana  no manafaka   antsika  amin’ny herin’ny ota  sy ny fahafatesana   ka mbola velonaina  isika.Izany  hoe:mahery  noho ny  herin’ny ota   ny  herin’ny fahasoavana  ka  tsy  maty  avy  hatrany  isika  fa ny ota  ao anatintsika  no vonoin’ny herin’ny   fahasoavana.Tsy  vitan’ny herin’ny tenantsika irery,araka  izany  ny  mamono  ny fahotana,fa tsy  maintsy  manaiky  hiasan’i Kristy isika .

2-Mamelona  ny  fiainana  ao  amin’i Kristy (and8-10)

Ny  fahavelomantsika  dia vidin’ny fahasoavan’i Kristy   ka ny  segondra   sy  minitra  ary ny ora iainantsika  dia sandan’ny ain’i Jesoa Kristy  maty teo  amin’ny hazo fijaliana avokoa. Araka izany, dia  ny   ho  velona ho  an’  Andriamanitra  no tokony   hosetriny  havalintsika izany. Aza manaiky  ho  resin’ny  ota intsony  isika kristiana satria  efa mino  ny fahasoavana  ao  amin’i Kristy.Fiainana  tsara   sy vaovao  no iainan’ny  mpino, miaraka amin’i Kristy .

Fanontaniana:

Iadio hevitra: mamono   sa mamelona antsika  rano teo  amin’ny Batisa?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV