Alakamisy 15 Martsa 2018.

Mibebaha eo  anatrehan’ny  Tompo Apokalypsy  2.18-29Taratasy  ho an’ny fiangonana any Tyatira milaza  ny asany   sy ny fanaony  . Miseho  ao  fa  misy   tokoa  ny  olona  omen’ny Tompo  fotoana hibebahana nefa  tsy  mandroso. Tsy  mangina  ny  Tompo  fa  maharipo  ka  manarina azy  noho ny  fitiavany .1-Mitarika  azy  hanompo 

Ny  asa  fanompoana  efa nataon’ny  fiangonana dia miharihary  eo anatrehan’ Andriamanitra  . Nanao  asa  lehibe  noho ny teo aloha  ny tao Tyatira . Jesoa  efa nampianatra  fa  hanao  asa  lehibe ny fiangonana  rehefa  tsy ety  an-tany  intsony izy  . Mitarika antsika  hanatanteraka  ny anjarany  avy saingy   tsy  tokony   haroharoana faharatsiana  satria   tsy  zakan’ Andriamanitra   ny fivoriana masina  afangaro  amin’ny fanompoantsampy  tahaka an’i Jezebela .

2-Manarina ny  lavo 

Ny  fibebahana ihany   no  endrika   fanarenan’ny  Tompo   ny  lavo . Manan-kery   hamafana ny  heloka  sy ny fahotana  rehetra   ny  sorona nataon’ny Tompo  tamin’ny tenany  , dia ny nandatsahany  ny Rany   ho fanavotana  antsika . Tiany  handresy   ny faharatsiana  sy ny tsy fahamarinana  rehetra  isika  ka omeny   ny teniny   ho fanarenana . Aoka  hivelona   amin’ny teniny   ny  finoantsika , ny asa fanompoana  dia hatao   mifanaraka   amin’ny sitrapony  ao  amin’ny Soratra masina   rahateo  hanamarika fa   mpanompony isika .

Fanontaniana:Misy zavatra  hafa  omentsika  lanja  miaraka  amin’ny fanompoana ve?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV