Alakamisy faha 08 May 2025

(Sal 103.1-6 / Hira 549 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 334)

Genesisy 41.37-40

Mitari-dàlana ny Fanahy Masina

1- Mampahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra

Samy tsy nisy nahay nanazava ny hevitry ny nofin’ny mpanjaka avokoa na ny mpimasy na ny olon-kendry rehetra nanerana an’i Egypta. Nony farany dia nampiantso an’i Josefa ny mpanjaka. Nolazain’i Josefa tamin’i Farao ny hevitry ny nofiny sy izay tokony hataony. Eto dia miharihary fa olona manaiky ny fitarihan’ny Fanahin’ Andriamanitra i Josefa. Nofaritany mazava tsara fa tsy izay heviny no hambarany (Jereo ny and 16) fa ny hevitr’Andriamanitra, dia izay efa hataon’ Andriamanitra rahateo. Resy lahatra tamin’izay rehetra nambarany ny mpanjaka, ka dia tapa-kevitra izy fa hanaraka izay rehetra voambara (and.37). Ny Fanahy Masina no manolo-tsaina sy mampianatra antsika hahalala ny sitrapon’Andriamanitra.

2- Manandratra izay manetry tena

Niaiky ny mpanjaka fa manana ny Fanahin’Andriamanitra tokoa i Josefa: « Dia hoy Farao tamin’ny mpanompony: hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin’Andriamanitra ao anatiny, va isika? » (and.38). Ilay nankahalain’ny rahalahiny, andevo tany Egypta, nogadraina sy nendrikendrehana ho mpanao ratsy no nasandratr Andriamanitra ho amin’ny toerana ambony, ary tonga mpanolo-tsaina sy mpanapaka tao an-dapan’i Farao (and.39,40). Azo ambara fa nanaiky ny fitarihan’ny Fanahy ny mpanjaka noho ny amin’i Josefa. Ny fanetren-tena nananany, ka nanekeny hanaraka ny fitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra tamin’ny zavatra rehetra no loharanon’ny fisandratany. Izany rahateo no amantarana ny maha zanak’Andriamanitra antsika, sady antoka handovana ny fiainana mandrakizay ao amin’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana:

Ahoana no ahaizana manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 11. Ala. III man. Paska - S. Lehilahy Kristiana
Zak. 4. 1-7 | Mar. 13. 9-11 | 1 Pet. 1. 10-12

| | 18. Ala. IV man. Paska - Mpiasa Foibe FJKM
2Sam. 23. 1-7 | Mat. 12. 22-30 | 1 Kor. 12. 1-11

| | 25. Ala. V man. Paska - Alahady FFPM
Mik. 3. 5-8 | Jao. 16. 12-15 | 2 Kor. 3. 12-18

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 01. Ala. VI man. Paska
2 Tan.25. 1-12 | Mat.10. 26-31 | Jak.4. 11-17