Alakamisy 21 Septambra 2023

1 JAONA 1.1-10

1-Mazava Andriamanitra ary manana fahazavana

Ny vontoatin-kevitra tian’ny mpanoratra ampitaina eto dia ny fananana sy fiainan’io Andriamanitra io tanteraka izany fahazavana izany . Ary mariho fa asongadina eto ny hoe : rehefa mazava dia mazava ka lavitry ny aizina.Raha holazaina amin’ny teny hafa izay tiana ambara eto ny amin’ny hoe: « mazava » dia azo tsorina amin’ireto : madio,marina,tsara ,lavitry ny fahotana ,febno fahamasinana,manao asa tsara.Izany no tsy maintsy ho toetran’ny mazava, ary manana izany Andriamanitra araka izay anambaran’i Jaona Azy eto .

2-Mitaratra amin’izay mifandray Aminy ny fahazavany

Fantantsika tsara koa fa mandefa ny tarany ny mazava, ary andeha atao ao an-tsaintsika amin’izany ny masoandro izay mandefa ny tarany ka manazava ny tany manontolo .Koa ambara àry fa mandefa sy/na manome ny fahazavany amin’ny manodidina azy rehetra sy izay mifandray Aminy koa Andriamanitra .Noho izany , izay rehetra mifandray amin’Andriamanitra dia tokony hazava hanahaka Azy satria tarafiny amin’izany fahazavany izany araka ny lojikan-javatra ambara eto. Araka izany , ny olona rehetra manam-pifandraisana Aminy dia tokony hanana sy hiaina io fahazavana ambara io tahaka Azy .Ny olona koa izany dia tokony hadio ,ho marina, ho tsara , lavitry ny fahotana ary feno fahamasinana tahaka Azy.

3-Tandremo anefa sao mandainga

Ny zava-misy tsy azo tsinotsinoavina koa anefa ankilan’izany dia izao : misy ireo mpandainga , izany hoe : milaza ho manana ny mazava nefa tena ao anaty aizina , hoy ny fitenenana hoe : hafa no lazain’ny vavany fa zavatra hafa kosa no ataony .

Fanontaniana:

Misy ve ireo milaza ho miainqa ao amin’ny mazava nefa mbola mitoetra ao amin’ny aizina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 11. Ala. III man. Paska - S. Lehilahy Kristiana
Zak. 4. 1-7 | Mar. 13. 9-11 | 1 Pet. 1. 10-12

| | 18. Ala. IV man. Paska - Mpiasa Foibe FJKM
2Sam. 23. 1-7 | Mat. 12. 22-30 | 1 Kor. 12. 1-11

| | 25. Ala. V man. Paska - Alahady FFPM
Mik. 3. 5-8 | Jao. 16. 12-15 | 2 Kor. 3. 12-18

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 01. Ala. VI man. Paska
2 Tan.25. 1-12 | Mat.10. 26-31 | Jak.4. 11-17