Alarobia 13 Septambra 2023

SALAMO 96.10

Ny tena mpanompon’Andriamanitra

1-Mitaona ny olona hidera an’Andriamanitra

Mitaona ny olona hidera an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fihirana ny mpanao salamo eto ka endrika baiko no hanehoany izany : mihirà… Ny tany rehetra na izao tontolo izao mihitsy no didiany hihira ho an’i Jehovah , ary fihirana miloatra avy ao ampo no sitrany . Ao anatin’izany fihirana izany no hanambarana ny fahatsaran’i Jehovah (and2b,3b) .Mahatsiaro sy mampahatsiaro ny fitiavan’Andriamanitra mbamin’ny fitanntanany sy ny famonjeny ny olony ny mpanao salamo.Mendrika hoderaina Izy noho izany . Ny mpanompon’Andriamanitra tokoa dia tokony hahatsiaro ny fitiavan’Andriamanitra ka hitaona ny olona rehetra hidera an’Andriamanitra .

2-Manambara ny maha-Izy Azy an’Andriamanitra

Manana ny maha-Izy Azy tokoa i Jehovah ,ary nambaran’ny mpanao salamo eto izany (and4).Maro ireo firenena izay samy nanana ny andriamaniny avy tamin’izany.Ireny dia tsinotsinona fa Jehovah ihany no Andriamanitra manam-pahefana sy maneho ny heriny amin’ny asany .Manana adidy araka izany ireo mpanompony hanambara amin’izao tontolo izao ny fahalehibiazan’Andriamanitra .

3-Mitaona ny olona hanompo an’Andriamanitra

Antitranterin’ny mpanao salamo hatrany ny antso ataony ny amin’ny hanomezana haja sy voninahitra an’i Jehovah . Ny firenena no antsoiny hanao izany .Manana ny maha-Izy Azy Andriamanitra ka mendrika hoderaina sy hotompoina ,ary izany no antso ataon’ny mpanao Salamo .Ny mpanompon’Andriamanitra dia mitaona ny hanompoana Azy satria Azy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany .

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fijoroanao amin’ny maha-mpanompon’Andriamanitra anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2025

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 11. Ala. III man. Paska - S. Lehilahy Kristiana
Zak. 4. 1-7 | Mar. 13. 9-11 | 1 Pet. 1. 10-12

| | 18. Ala. IV man. Paska - Mpiasa Foibe FJKM
2Sam. 23. 1-7 | Mat. 12. 22-30 | 1 Kor. 12. 1-11

| | 25. Ala. V man. Paska - Alahady FFPM
Mik. 3. 5-8 | Jao. 16. 12-15 | 2 Kor. 3. 12-18

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 01. Ala. VI man. Paska
2 Tan.25. 1-12 | Mat.10. 26-31 | Jak.4. 11-17