Zoma 20 Janoary 2023

MATIO 11.25-27

Andriamanitra no loharanon’ny fahazavan-tsaina

Nisy tanàna maro na dia nanehoan’i Jesoa Kristy asa lehibe aza dia tsy tonga tamin’ny finoana Azy .

1-Hendry amin’ny sitrapony

Rehefa avy nilaza ny alahelony ny amin’ireo tanàna izay tsy nandray Azy na dia nanaovany asa mahagaga maro aza i Jesoa Kristy ka nampahatsiaro fa ho loza no hahazo azy ireo amin’ny fitsaran’Andriamanitra , dia indro Izy midera an’Andriamanitra noho ny fahatsapany ny fahendrena lalina sy saro-pantarina amin’ny sitrapon’Andriamanitra .Ary asehon’i Jesoa Kristy eto fa ny tokony hatao manoloana izany dia ny manaiky : »Eny Raiko , fa izany no sitraponao » .Tsy voatery ho takatry ny saina sy ho fantatra avokoa ny sitrapon’Andriamanitra fa ny anjarantsika dia ny manaiky sy mankato.

2-Miafina nefa aseho am-pitiavana

Eo anatrehan’Andriamanitra ,isika olombelona dia toy ny tanimanga eo an-tànan’ny mpamolavola azy , izany hoe: tsy afaka hahalala izay tian’ilay mpamolavola hanaovana azy .Anisan’ny nahatongavan’i Jesoa Kristy tety an-tany ,araka izany ny hitarika antsika olombelona ho amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra araka izay tena isehoany , fa tsy araka izay ezaky ny fisainana maha-olombelona fotsiny ihany .Tsy natao ho an’ny rehetra anefa izany fanehoana an’Andriamanitra izany fa ho an’ny zanaka sy izay tian’ny zanaka hanehoana azy « ihany .Koa meteza ho zanak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy mba ho isan’izay « zaza madinika » mahalala tsara ny amin’Andriamanitra.

Fanontaniana :

Inona no hatao mba ho to,ga zanak’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV