Alarobia 18 Janoary 2023

SALAMO 33.4-11

Mendrika hoderaina Andriamanitra

1-Satria Mpahary Izy

Ny and 4-9 dia maneho fa ny teny sy n’y asan’Andriamanitra no nahariana izao rehetra izao ,dia ilay Teny mahitsy sy marina ary ara-drariny sy feno famindrampo arahan’ny asa mahatoky sy mahatahotra ary mahatalanjona mandraka ity ny androany .Anton-javatra lehibe tokony hiderana Azy Andriamanitra Mpahary tokoa izany . Fa na dia mahavariana aza anefa ny asa-tànan’Andriamanitra dia tsy tokony hadinointsika fa Izy ilay mpanao ny asa no lehibe lavitra sy mendrika hoderaina mandrakizay ,mihoatra izany asa nataony izany .Ho amin’izany fiderana izany rahateo no nahariana antsika (Isa 43.21);

2- Satria mihevitra ny voahariny Izy

Tsy vitan’ny hoe : Mpahary fotsiny Andriamanitra dia izay, fa sady mahary Izy no miahy ny voahariny ary izany no tena mampiavaka Azy amin’ny mpamoron-javatra hafa rehetra . Ary izany fiheveran’ Andriamanitra ny voahariny izany dia voalaza eto fa tsy ao anatin’ny fotoana mandalo na voafetra fa « ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby ». Ambaran’ny Soratra Masina eto ihany koa fa ananany fahefana tanteraka ny manafoana sy manao ho tsinotsinona ny fisainana sy fihevitry ny olona ,indrindra raha mitarika ho amin’ny fandavana Azy izany .Hitantsika ohatra ny tantaran’ilay tilikambo tao Babela (Gen 11) . Koa asandrato ny fiderana feno fankasitrahana fa mendrika Azy izany .

Fanontaniana :

Inona avy no azontsika hanehoana ny fideran’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV