Alakamisy 08 Desambra 2022

LIOKA 12.13-21

Valiteny nataon’i Jesoa Kristy tamin’ny fiangaviana nataon’ity lehilahy iray hananatra ny rahalahiny ny amin’ny fizarana lova .

1-Tsy azo ianteherana ny harena

Hoy ny and 15 « fa ny ain’olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany ». Miady lova ny olona ,te-hanana zava-tsoa ,ny harena eto an-tany .Misy tokoa sokajin’olona tena variana amin’izany ka mahatonga ady ao anatin’ny fianakaviana rehefa misy fizarana tsy mitovy na tsy mahazo anjara araka ny fijery maha-olona .Mazava tsara anefa ny fanoharana nataon’i Jesoa Kristy eto fa na dia manana harena be dia be aza ny olona , manana vokatra mahafeno trano , rehefa tonga ny fahafatesana tsy mahavonjy azy ny harena , ary tsy mahatondra na inona na inona rehefa miala amin’ity tany ity .

2-Andriamanitra no tena harena

Hoy ny and 21 « toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany nefa tsy manankarena ny amin’Andriamanitra  » .Mampitodika ny olona ho amin’ny tena harena i Jesoa Kristy. Na dia manana ny zavatra rehetra aza ny olona,mifarana eto an-tany ihany izany ,tsy mahavonjy,tsy maharo ny ainy ny fananana nohariany. Ambaran’i Jesoa Kristy fa olona adala ny olona toy izany (and20) .Na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra atrehina eo amin’ny fiainana ,meteza hikatsaka ny tena harena dia ny fifandraisana amin’Andriamanitra . An’Andriamanitra ny fanjakana ka Izy no afaka mitahiry ny olona manana Azy hanana anjara tsara ao amin’izany fanjakany izany .

Fanontaniana:

Diniho ny voalaza ao amin’ny Mat 6.32-33

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV