Zoma 18 Novambra 2022

ROMANA 13.11-14

Mivonona hiandry an’i Kristy

1-Amin’ny alalan’ny fifohazam-panahy (and11)

« ary tokony hanao izany indrindra isika satria fantantsika ny andro fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fatoriana« . Miresaka ny amin’ny » fitiavana « . Hoy i Paoly eo ambony eo ary ambarany fa tokony hanao izany koa ireto Romana ireto ho fiandrasana ny fiavian’ny Tompo.Tsy niaina tamin’ny fitiavana manko ny tao Roma fa tia tena .Io fitiava-tena io no miteraka ota maro manomboka amin’ny fitsiriritana mankany amin’ny halatra miseho amin’ny endrika mivantana sy ankolaka, mankany amin’ny fijangajangana …olona tsy mifoha no betsaka .Raha izay mantsy no mba tia ny namany tahaka ny fitiavany ny tenany dia tsy ho teraka mihitsy ireo fahotana voatonona ireo . Hoy ny 1Jaona 3.6 « izay rehetra mitoetra ao Aminy dia tsy manota « . Ho fiangonana mifoha tokoa isika raha mahay mitia ny hafa ny kristiana tsirairay .

2-Amin’ny alalan’ny fitafiana an’i Kristy (and14)

« Fa itafio Jesoa Kristy Tompo , ary aza miahy ny amin’ny nofo hahatanteraka ny filàny « .Mazava araka izany fa ny mitafy an’i Kristy dia manana ny toetrany izay tsy tia miahy ny hahatanteraka ny filan’ny nofo .Ny filan’ny nofo no mahatonga ny fahalainana manao ny asany , aleony manao ny asan’ny nofony izay hahazoany tombotsoa kokoa toy izay manao ny asan’Andriamanitra izay tsy idiram-bola sady mbola mandany ny fotoanany koa.Hoy ny Galatiana 3.27-28 « Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy ,fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’i Kristy Jesoa », izany hoe :ny mitafy an’i Kristy izany dia ny manafoana ireo karazana elanelana izay miteraka olana .Sarotra iainana izany , na dia ho an’izay mitonontena ho kristiana aza ,kanefa tsy maintsy iainan’ny tena kristiana .

Fanontaniana:

Raha izay àry no izy ,ianao koa ve efa mifoha?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV