Alakamisy 15 Septambra 2022

MATIO 26.36-46

Ny vavak’i Jesoa Kristy tamin’ny ady ara-panahy nahazo Azy

1-Maneho fankatoavana ny sitrapon’ny Rainy

Fadiranovana loatra ny fanahin’i Jesoa . Niankohoka nivavaka tamin’Andriamanitra Ray Izy .Fantany fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra satria manana fifamatorana tsy azo tononina Izy sy ny Ray , ka hoy izy hoe : « Ray o ! raha tsy azo esorina ity fa tsy maintsy hosotroiko , dia aoka ny sitraponao no atao (and42) . Na dia ory indrindra aza ny fanahin’i Jesoa dia naneho ny fanjaan’ny Rainy hatrany ny vavaka nataony . Nampianatra antsika hivavaka koa i Jesoa hoe : … »Hatao anie ny sitraponao  » (Mat 6.10) .Vavaka feno fianam-pianakaviana no tian’Andriamanitra , ary handeha samy hanaiky ny sitrapony hatrany isika eo amin’ny fiainantsika .

2- Nahazoany hery

Voalaza eto fa intelo nivavaka Jesoa , nandresy ny horohoro ary nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra hatrany Izy .Niroso tamin’ny fahatoniana hanatona ireo nanenjika Azy, ka hoy izy tamin’ny mpianatra : « Mitsangana , andeha isika , indro efa akaiky ilay mamadika ahy » (and46) .Ny fihaonany tamin’Andriamanitra no nahazoany fandresena sy fahombiazana .Afaka niatrika ny fijaliana sy ny fahoriana , eny manaiky hatramin’ny fahafatesana aza .Tsy nihemotra Izy tamin’ny ady natrehany arakaraka ny nandrosoany hery. Ianao koa , mandrosoa fa aza mihemotra . Aoka hilofo amin’ny vavaka satria ny vavaka no vahaolana tokana handresena . « Fa miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery ianareo » (Lio 21.36)

Fanontaniana:

Manao ahoana ny fatokisanareo ny herin’ny vavaka ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV