Alakamisy 11 Aogositra 2022

Marka 8.34-38

Ny olona mendrika hanaraka ny Tompo

Izay tena ambara amin’izany dia ny fanomezana ireo fepetra takina amin’ny olona te ho isan’ny mpianatr’i Jesoa. Maro mantsy ny misora-tena ho mpianany kanefa tsarovy fa tsy anarana enti-poana akory ny maha mpianany koa indro Izy manolotra izany fepetra izany.

1. Mandà ny tenany

Milaza teny roa i Jesoa eto dia ny « mandà ny tenany » sy ny hoe « mitondra ny hazo fijaliany ». Mifanazava ihany anefa ireo satria ny fandavana ny tena dia tsy mantsy miafara amin’ny fitondra ny hazofijaliana ihany. Mety mahagaga tokoa izany teny izany nefa tena mampiomana ho amin’izany mihitsy ny Tompo. Ny hoe manaraka Azy raha raisina ara-bakiteny dia mandeha amin’ny lalana nalehany mihitsy. Ny mpianatra izany hoe ny apostoly, dia mahafantatra tsara ny fomban’ny Romana momba izany hazo fijaliana izany satria raha tsorina ny hazo fijaliana dia fahafatesana mihitsy no dikany. Ny manaraka ny Tompo izany dia tsy maintsy mivonona manafoana ny tenany ary mahafoy ny ainy mihitsy tahaka Azy.

2. Tsy mahazo menatra Azy sy ny teniny

Ny ambara amin’ny hoe menatra ny Tompo eto dia milaza ny fakam-panahy mahazo ny Kristianina voaenjika izay mahasahy mandà ny Tompo mihitsy satria tena matahotra ny ho faty amin’ny fanarahan-dia Azy; tahaka an’i Petera izay nahavita nandà Azy tsotra izao. Tokony ho fianarana ho antsika ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo martiora samihafa. Ny Malagasy izao dia tena nanana izany martiora nijoro noho ny finoany an’i Jesoa Kristy izany.

Fanontaniana

Ahoana no toetran’ny olona mendrika ho mpanara-dia ny Tompo?

Sampana SEKOLY ALAHADY Foibe FJKML

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV