Talata 02 Aogositra 2022

APOKALYPSY 2. 18-29

Fantatry ny Tompo ny momba anao rehetra

1-Ny asanao

« izao no lazain’ny zanak’Andriamanitra …Fantatro ny asanao sy ny fitiavanao sy ny fanompoanao ary ny faharetanao, ary ny asanao farany dia be noho ny voalohany  » (and18,19)

.Miteny amin’ny fiangonana ao Tyatira i Jesoa Kristy eto .Hita taratra eto fa ny Tompo raha mandinika ny olony dia tsy mionona amin’ny fijerena izay mety ho lesoka fotsiny toy ny mahazatra ny olona sasany fa jereny manokana ihany koa ireo asa tsara ataon’ny mpanompony.Miharihary fa tena »tsy foana tsy akory ny fikelezana aina ao aminy (2 Kor 15.58) . Ambarany mazava fa mahita ny fikelezana aina ao amin’ny fanompoana ataon’ireto mpino kristiana ireto ny Tompo . Manome toky ireto izay efa miroso amin’ny lalina ireto ny Tompo , mba hitana mafy tsara izay ananany mandra-piavin’ny Tompo . Aina no fetra.

2-Izay andeferanao

« kanefa manan-teny kely aminao Aho , satria ianao mandefitra amin’ilay vehivavy Jezebela… » .Misy fotoana izay tena iandrasan’ny Tompo antsika mpanompony mba tena hijoro vavolombelona ka tsy hiray tsikombakomba amin’ireo mpanompo sampy .Ity vehivavy Jezebela voalaza eto ity dia « milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky mba hihinana hena naterina tamin’ny sampy  » (and20).Mazava ny baiko azontsika : »aza manaiky asiana zioga tsy antonona hikambanana amin’ny tsy mino  » . Aoka tsy handefindefitra ba hanaiky izay rehetra mifanohitra amin’ny Filazantsara .Aoka tsy hialokaloka amin’ny resaka fihavanana ka ho matin’ny hena-maso olona .Sahia mivavaka ianao .

Fanontaniana:

Inona avy ireo toky omen’ny Tompontsika ao amin’ny and 26-28 voalaza eto ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV