Alatsinainy 01 Aogositra 2022

Ny mampiavaka ny olona mitana mafy ny finoana 

 2 Timoty 1.13-18 
1- Mitana mafy tsara ny teny tsy misy kilema

 « Tano amin’ny finoana sy ny fitiavana ao amin’i Kristy Jesoa ny mariky ny teny tsy misy kilema » (and. 1): Ny hoe teny tsy misy kilema dia teny salama tsara, teny madio, teny tsy misy tsiny. Tsy inona izany fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny olona mitana mafy ny finoana dia mitana mafy ny Vaovao Mahafaly. Ilay fanantenan’izao tontolo izao. Mila raisina tsara amim-pinoana, raisina tsara am-pitiavana ao amin’i Kristy io Tenin Andriamanitra io. 

2- Manana ny Fanahy Masina ao aminy 

« Tehirizo amin’ny fampaherezan’ny Fanahy Masina, Izay mitoetra ao anatintsika » (and. 14). Miara-dàlana ny fananana ny Fanahy Masina sy ny fitazonana ny teny tsy misy kilema 

3- Mampahery izay mandalo fotoan-tsarotra 

« Omen’ny Tompo famindram-po anie ankohonan’i Onesiforosy: satria namelombelona ny fanahiko matetika izy, fa tsy menatra ny gadrako » (and. 16). Baikon’i Jesoa ny hamangiana ny voafonja. hampaherezana ny mila vonjy. Na efa lasa lavitra amin’ny finoana aza i Paoly dia mila fampaherezana hatrany. Mijoroa ho mpampahery hatrany. 

4- Tsy mandao ao anatin’ny fahasahiranana

« Fantatro fa efa nahafov ahy izay rehetra any Azia; isan’ireny Fygelo sy Hermogena (and 15): Mba isan’reo mpino kristiana ihany ireo tao Azia sy ry Fygelo ary ry Hermogena ireo saingy nandao ny mpiara-manompo ao antin’ny sarotra sady mpiara manompo izay nikely aina tamin’ny fanompoana fa namelombelona finoana Aoka tsy hanary ny namana mandalo fahasahiranana isika.

Fanontaniana :

Lazao izay mampiavaka ny olona mitana ny finoana

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV