Talata 28 Jona 2022

Matio 24, 15-28

Mitandrema fa misy fahefana sandoka « Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ku haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao na dia ny olom-hoafidy aza dia hofitahiny » (and 24)

1- Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka

Manainga ny olona izay mpanara-dia azy Jesoa mba ho malina Isara manoloana ireo milaza azy ho mpaminany. Zao zavatra mitranga eto amintsika izao no efa nambaran’i Jesoa tamin izany. Maro ireo mampianatra, ary mahavita fahagagana maro samihafa. Fanasitranana sy famantarana, ary hita toa mahomby izany. Saingy ireny dia manala ny olona ao amin’ny finoana sy fankatoavana ny Teniny. Ka mitarika ny olona hiaina sy hiandry fahagagana isan andro

2- Aza manaiky ho voafitaka

Aoka isika hizaha toetra ny fanahy mandrakariva mba tsy ho roboka amin’ireo milaza ny mpaminany. Aoka hotsarovantsika ny voalaza hoe: « Izao no ahafantaranareo ny Fanahin Andriamanitra. Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesoa Kristy no avy amin’Andriamanitra » (1 Jao 4.2). Izy tonga nofo hamonjy sy hanafaka antsika tamin’ny loton’ny fahotana no tena zava-dehibe fa tsy izao fahagagana maro tanisaina izao.

Fanontaniana

Tsy efa eo an-tokonam-baravarantsika ve ireo mpaminany sandoka?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV