Alahady 19 Septambra 2021

Matio 3. 5- 12

1-Mitaky fibebahana ny Batisa

Mahavariana ny filazana eto hoe ny Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin’ny tany rehetra amoron’I Jordana dia nanatona an’I Jaona hataony batisa izany hoe tena vahoaka be mihitsy izany no nanatona azy hatao batisa. Ambara eto koa anefa fa tsy nataon’I Jaona fotsiny amin’izao akory ny batisa, izany hoe tsy izay rehetra manatona azy akory dia ataony batisa fotsiny amin’izao. Misy voambolana mantsy tao amin’ny fiangonana iray nampiasaina hoe “batisa vaky balle” izany hoe rehefa madiva handeha ho retirety ilay mpitondra fivavahana dia natao batisa avokoa izay rehetra nanatona hataony batisa fa toa tsy nisy sivana intsony. Ambara kosa fa tsy nanao batisa tamin’izao akory I Jaona fa nanao batisa ireo izay “niaiky ny fahotany”. Izany indrindra no ilazana hoe batisan’ny fibebahana ny batisa nataon’I Jaona ka izay rehetra nataony batisa izany dia takina hibebaka avokoa.

2-Amoazana voa mendrika tsara ny batisa

Ny fitaomana olona hibebaka na ny fandresena lahatra azy hiala amin’ny faharatsiany dia mety atao am-bava fotsiny ihany izany hoe : raha anontaniana izy, anaovana dinika izy mba hialany amin’ny faharatsiana rehetra vitany dia mety hiteny tokoa izy eo hoe “eny hibebaka sy hiala amin’ny faharatsiako aho” kanefa izao: hoy ny fiteny hoe “ny toky fitaka fa ny atao no hita” koa noho izany dia takina mihitsy ny hoe “mamoaza voa mendrika ny fibebahana” izany hoe tsy atao am-bava fotsiny ny fibebahana fa tsy maintsy mampiseho asa na fihetsika na fiovan-toetra sy fiovam-po sy izay rehetra tokony atao amin’ny maha kristiana mendrika ny Tompo marina.

Fanontaniana :

Inona avy ny takiana amin’ny fanaovana batisa? Inona no anton’ny fampianarana alohan’ny batisa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV