Sabotsy 18 Septambra 2021

ASAN’NY APOSTOLY 19.1-7

1-Ny mpino sy ny Fanahy Masina

Ambaran’I Paoly eto fa miaraka mandrakariva amin’ny maha mpino kristiana ny fahafantarana sy ny fananana ny Fanahy Masina. Voalaza eto hoe misy olona maromaro, 12 eo ho eo ny isany milaza tena ho mpianatr’I Jaona mpanao batisa. Amin’ny maha mpianatr’I Jaona azy ireo dia ny efa natao batisa izy ireo ary ny batisan’I Jaona ihany no fantany. Ny batisan’I Jaona moa dia batisan’ny fibebahana no ilazana azy. Manamafy kosa anefa I Paoly eto fa marika hahafantarana ny mpino ary hery ho azy rahateo indrindra koa ny fananana ny Fanahy Masina, noho izany nanontany izy hoe ianareo izay efa natao batisa ve efa nandray ny Fanahy Masina koa? Hita eto fa “tsia” no valiny. Ekena fa isika ankehitriny dia tsy nisy niara-niaina tamin’I Jaona ary tsy nisy nataony batisa koa raha anontaniana tahaka ireto mpianatra ireto koa ianao hoe efa nandray ny Fanahy Masina ve dia inona no havalinao izany? Raha araka an’I Paoly mantsy dia miaraka amin’ny mpino hatrany ny fananana Fanahy Masina. Ahoana ary izany no hahazoana antoka fa manana ny Fanahy Masina ny mpino iray?

2-Andraisana ny Fanahy Masina ny batisa miampy ny fametrahan-tanana

Nametrahan’I Paoly tanana ireto olona ireto ary niaraka tamin’izay dia voalaza fa nandray ny Fanahy Masina izy ireo. Ny fiangonana kristiana (FJKM) misy antsika dia manao batisa ny olona rehetra izay manatona ho amin’izany ary ny batisa ataon’ny fiangonana dia efa handraisan’ny olona izany Fanahy Masina izany.

Fanontaniana

Fantatrao ve ny Fanahy Masina? Efa nandray ny Fanahy Masina ve ianao?

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV