Zoma 17 Septambra 2021

1 PETERA 3.18-22

Araka ny voalazan’i Petera eto , ny batisa dia avy amin’izay nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny olona indrindra. Voalaza ao amin’ny and 21 hoe : ny batisa izay namonjena ny olona dia tenan’ny tandindona io ihany , izany hoe: i Jesoa no natao batisa ary koa namela izany batisa izany ho an’ny olona ka hahatonga ny olona hisitraka izay zava-tsoa sy fiainana aterak’izany fanaovana batisa izany . Ny fanehoan-kevitra ataon’i Petera mpanoratra moa eto dia toy ny fitombokase apetaka amin’ny taratasy izany ka mamela amin’ny taratasy ny sarin’ilay fitomboka ary mitovy tanteraka amin’ilay fitomboka mihitsy Ampiainana ny batisa miaraka amin’i Jesoa àry izany ny mpino Azy ka aoka tsy ho fahazarana na ho fahataitairana fotsiny ihany ny fanaovana batisa.

2-Mariky ny fahafatesana ny batisa

Ny sary anankiray ilazana ny batisa eto dia mariky ny fahafatesana ary i Jesoa Kristy mihitsy no naneho izany sy nilaza fa hihatra Aminy rahateo izany noho ny fitiavany sy ho famonjeny ny olona ( jereo Mar 10.38/ Lio 12.50) . Ny olona rehetra atao batisa izany raha mpanara-dia an’i Jesoa Kristy tokoa dia efa maty ihany koa satroa izay no sary entin’ny batisa . I Paoly ihany koa dia maneho izany (Jereo Rom 6.3) ka milaza fa tsy maintsy maty mandevona ny fahotany ny olona ao amin’ny batisa .

3-Mariky ny fahavelomana koa ny batisa

I Jesoa nandresy ny fahafatesana anefa dia mampandresy izay atao batisa ao Aminy ka mandevona ny fahotany ary manome fiainam-baovao azy kosa.

Fanontaniana :

Ahoana no ilazana fa fahasoavana no raisina avy amin’ny batisa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV