Talata 20 Jolay 2021

Ny olom-boantso ho amin’ny fahafahana

« Fa tanteraka amin’ny teny iray ihany ny lalàna rehetra dia izao : tiava ny namanao tahaka ny tenanao » (and14)

Olona afaka ny kristiana . Andriamanitra no niantso azy ho amin’ny fahafahana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Mpanafaka. Nahafahana avy tamin’ny fanandevozan’ny ota ny lalana , ny fahafatesana ny mpino. Tonga zanak’ Andriamanitra ny olona afaka sy ny hitia ny rahalahy . Ny fahafahana kristiana dia mikendry fanompoana an’Andriamanitra sy fitiavana ny rahalahy dia ny samy mpino kristiana izany . Tsarovy , fa ny fahafahana kristiana dia tsy fanatanterahana ny sitrapon’ny tena akory fa fanompoana an’Andriamanitra sy fitiavana ny hafa.

2-Manaiky hotarihan’ny Fanahy

« Fa hoy izaho : « mandehana araka ny Fanahy , dia tsy hahatanteraka ny ilan’ny nofo ianareo » (and16) Rehefa tonga olona afaka ny kristiana dia manana fiainambaovao noho ny fitarihan’ny Fanahy Masina . Sady hery miaro ny olona amin’ny ratsy no loharanon-kery hahafahana manao ny tsara ny asan’ny Fanahy Masina . Ary izany no antony nanomezan’Andriamanitra sy Jesoa Kristy ny Fanahy Masina ho an’ny olona nafahany. Mila manaiky ny asan’ny Fanahy Masina ny olona afaka mba hahazoana mandresy ny herin’ny filan’ny nofo sy hahafahana manao ny sitrapon’Andriamanitra . Tsy vitan’ny herin’olombelona manokana izay tsy manana ny Fanahy Masina ny miady sy mandresy ny herin’ny asan’ny nofo . Koa ekeo hiasa aminao ny Fanahy Masina dia handresy ny asan’ny nofo ianao .

Fanontaniana :

Inona avy ireo fomba sy toetra iainanao izany fanafahan’i Kristy izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV