Alarobia 14 Jolay 2021


Eksodosy 3. 7 – 14


Andriamanitra mahita ny mahazo ny olony any Egypta sady mandre ny fitarainan’ny vahokany no miantso sy maniraka an’i Mosesy eto. Ny iraka ampanaovin’Andriamanitra dia mitaky :


1- Fahavononana hanatona Azy
« Koa avia ankehitriny ianao hirahiko … ». Mivoitra eto fa alohan’ny hanirahana an’i Mosesy dia asainy mankeo Aminy izy aloha, izany hoe : mifandray Aminy tsara aloha ary ao Aminy no manovo ny hery ilaina. Raha atao amin’ny teny hafa dia hoe : raha tsy efa mihaona amin’Andriamanitra aloha tsy hahavita ny iraka hampanaoviny. Jereo i Jesoa fony niasa, tamin’ny nataony rehetra dia mitodika any amin’ny Ray Izy aloha. Ianao koa , manatona an’Andriamanitra aloha fa izany no iantsoany anao voalohany indrindra.


2- Fahasahiana hiatrika ny mafy
« Hirahiko hihaona amin’i Farao« . Tsy zavatra mora ny hihaona tamin’i Farao, ary tsy hihaona hiara-hisakafo no anton-dia amin’izany fa ny hiteny amin’i Farao ny hanafahan’Andriamanitra ny olony amin’ny fanandevozana, mafy fo rahateo ity Farao ity. Mitaky fahavononana izany, ary izay rehetra antsoin’ Andriamanitra dia tokony hahatsiaro fa tsy maintsy miomana hisedra ny mafy ary izany no ilaina an’ilay voalaza teo hoe : ao amin’Andriamanitra mpaniraka ihany no manovo ny hery alohan’ny zavatra rehetra . I Jesoa dia niatrika ny mafy faratampony tamin’ny famitana ny iraka nampanaovin’ny Ray.


3- Fahazoana tsara ny vontoatin’ny iraka
« Hitondra ny zanak’Israely oloko hivoaka avy Egypta« . Mazava tsara eto ny tanjon’Andriamanitra raha maniraka an’i Mosesy Izy, hanafaka ny olony. Ao anatin’izany dia tsy miatrika irery akory i Mosesy fa miaraka amin’Andriamanitra (and 12) ary ny Anarany izay maneho ny heriny rahateo no asainy ampahafantarin’i Mosesy : »Izaho izay Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay » (and 14). Ianao koa misy iraka mazava ilàna anao ka fantaro izany .


Fanontaniana :
Fantatrao mazava ve hoe : inona no anjara iraka ampanaovin’Andriamanitra anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV