Alakamisy 01 Aprily 2021

MAMPIORINA NY MINO NY FANAVOTAN’I KRISTY

Matio 26 :36-46

Fotoana iray miavaka amin’ny tantaram-pamonjena ity niseho tao Getsemane ity i Jesoa nandroso kely ka nitokana nivavaka ary hitany avy eo fa natory ny mpianany

Jesoa manavotra antsika.

1-Ka manaiky ny safidin’ny Rainy :

Vavaka nataon’ i Jesoa dia izao : «  Raiko o ! raha azo atao dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity nefa aoka tsy ny sitrapoko anefa no atao fa ny Anao ». Raha mandinika izay voambara eto isika dia mahita fa in-telo i Jesoa no namerina io vavaka io. Mizara roa mazava tsara ny vavaka nataony. Manam-paniriana izy hiala amin’io lalana voatendry hizorany io, eo koa anefa ny faniriany hankato any sitrapon’i Rainy. Io vavaka nataon’i Jesoa io no fanehoam-pitiavana lehibe tao anatiny. Nahatsiaro ny tenany izy fa nijaly. Kanefa nampandeferiny izany satria ambony ny fitiavany antsika mpanota mihoatra amin’ny fitiavany ny tenany tsisy fahotana. Marina eto ilay teny nambarany ao amin’ny Jaona 6.38, 40.

2-Tsy ho rendriky ny torimaso :

Raha ny fanirian’i Jesoa hiaraka hiari-tory Aminy ry Petera sy ny namany : «  Mitoetra eto, ka miaraha miari-tory Amiko ». Ny fiaretan-tory no miaraka fa ny antony fiaretan-tory tsy mitovy. Jesoa raha niari-tory nivavaka dia noho ny ady natrehany manoloana ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Rainy. Ny mpianany kosa raha nasainy niari-tory, dia mazava tsara fa ny mba handresena ny fakam-panahy (and 41) ny vavaka no mampitombo ny herintsika eo hanatrehan’ilay ratsy mampatory antsika (Joda 21.36a)

Fanontaniana :

Fantatrao ve ny maha zava-dehibe ny vavaka ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV