Alahady 17 Janoary 2021

JAONA 5.30-38

Fanambarana telo sosona ny maha-Mesia an’i Jesoa no avoitran’ny perikopantsika anio . Ireto avy izany :

Ny fanambaran’i Jaona (and 32,33)

5

Hoy i Jesoa mamaly ny Jiosy hoe : « Misy anankiray manambara ny marina izy » . Tian’i Jesoa hasongadina amin’izany hasongadina amin’izany fa tsy mandehandeha ho azy akory ny filazany ny tenany hoe : zanak’ Andriamanitra Izy , fa misy olombelona efa nasaina hanambara Azy mialoha , nanomana ny lalany mialoha koa aza , dia i Jaona izay efa nilaza an’i Jesoa hoe : « Ilay avy aoriako » (Jao 1.27,30) . I Jaona izay fantatr’ireo Jiosy ireo tsara fa niara-belona taminy rahateo .

Ny asa ataon’i Jesoa (and 36)

« Fa ny asa nomen’ ny Ray Ahy hovitaiko dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy » , hoy ihany i Jesoa manohy ny teniny . Ny asa vao hitan’ireto Jiosy ireto dia ny nanasitranan’i Jesoa ilay lehilahy efa narary valo ambin’ny telopolo taona teo amin’ny farihin’i Betesda. Anankiray amin’ny fahagagana maneho ny maha-Mesia an’i Jesoa io , ary ao amin’i Jaona dia famantarana no iantsoany ireny fahagagana nataon’i Jesoa ireny , fa tsy misy mahay manasitrana na mamelona aina na manangana ny maty raha tsy Andriamanitra irery ihany . Mino an’i Jesoa Mesia ianao , ary aza misalasala mangataka fa ny zavatra rehetra hainy atao , kanefa amin’ny fotoany sy ny sitrapony ihany fa tsy azontsika terena Izy .

Ny fanambaran’Andriamanitra Ray (and 37,38)

« Ary ny Ray izay naniraka Ahy , Izy no manambara Ahy , tsy mba renareo ny feony… » . Avoitran’i Jesoa kosa eto fa ny fanambaran’ Andriamanitra Ray momba Azy dia ao amin’ny Soratra Masina , ary efa hatrany amin’ny Testamenta Taloha izany ka ao amin’i Jesoa no fahatanterahany . Tianao ve ny hahalala an’i Jesoa ? Vakio àry ny Soratra Masina fa ireny no manambara Azy ary sahia manatona Azy mba hanananao fiainana .

Fanontaniana :

Inona àry izany no tokony atao raha te- hanana fiainana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV