Sabotsy 16 Janoary 2021

SALAMO 9.1-10

Eo am-piatrehana ady sarotra sy fahavalo matanjaka ny mpanao salamo eto , kanefa asehony koa fa azony antoka ny famonjen’Andriamanitra ka tsy manan-tahotra izy . Hita eto ary fa :

Mpitsara marina Andriamanitra ka :

1-Mendrika hoderaina (and-4)

Araka ny efa voambara teo dia tena mbola ao anatin’ny ady sarotra ny mpanao salamo eto , kanefa efa manandratra fiderana an’ Andriamanitra sahady izy . Ny antony dia satria fantany tamin’ny traikefany niaraka tamin’ Andriamanitra fa miandany amin’ny olony Andriamanitra . Izany fahazoana antoka ny fidiran’ Andriamanitra an-tsehatra . Izany no mahatonga ny finoany hiorina tsara , toy ny hoe : efa azony sahady ny fandresena . Ianao koa , aza variana mitanondrika eo anoloan’ny adinao fa asandrato ny fiderana .

2-Manafay ny ratsy fanahy (and 5,6)

Mihasinkasina eto koa fa tsy avelan’Andriamanitra hiala maina ny ratsy fanahy . « Efa nanarinao mafy ny Jentilisa , efa naringanao ny ratsy fanahy , ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria« , hoy ny mpanao salamo . Saro-piaro amin’ny olony Andriamanitra ka tsy mamela azy ho viravirain’ny fahavalony , fa miasa Izy ( matoanteny maneho hetsika , ary Andriamanitra no mpanao) hanome rariny ny olony . Mampahatsiaro ny tantaran’i Mordekay sy Hamana izany (Est 6.13) . Fa hoy koa i Jesoa hoe :

3-Fiarovana azo antoka Izy (and7-10)

Ambara mazava eto hoe : « Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ny mahantra , ho fiarovana avo amin’ny andro fahoriana Izy » . Ny dikan’ny hoe : fiarovana avo dia hoe : toerana azo ialokalofana , ary tsy tratran’ny fahavalo , izany hoe: toerana ahitana fitsaharana na dia ao anaty ady tanteraka aza , mandry fahalemana izay eo aminy . Moa ve tsy izany no antso nataon’i Jesoa ho an’ izay miasa fatratra ka hilazany ny fahavononany hanome fitsaharana (Mat 11.28).

Fanontaniana :

Mitondra inona ho anao ny fahalalana ny maha- mpitsara marina an’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV