Alakamisy 14 Janoary 2021

JOBA 42.1-6

Ny olona mahatsapa ny fahalehibiazan’Andriamanitra

Ny zavatra rehetra niseho teo amin’ny fiainan’i Joba no nahatsapany ny fahalehibiazan’ny Tompo ka nahaizany

1-Manetry tena

Niaina tamin’ny fahoriana sy ny fizahan-toetra mahamay i Joba .Tamin’izany rehetra izany anefa dia tsy nanota na nivadika tamin’ Andriamanitra izy , Ilay mahefa ny zavatra rehetra . « Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra ,ary tsy azo ferana ny fisainanao  » (and2). Ny hany nataony dia ny nanetry tena sy niaiky teo anatrehany fa tsinontsinona sy ambany izy , fohy ny fisainany .Toy izany no fomba nanehoan’ Andriamanitra ny maha-izy Azy taminy . Ny tantaram-piainantsika olombelona tamin’ny lasa dia tokony hahatakarantsika ny fisian’ Andriamanitra mitantana izao rehetra izao sady miantoka ny fahavelomantsika .

2-Mibebaka

« Koa dia miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho  » (and6). Tsara homarihana fa tsy noho ireo fiampangana nataon’ny namany azy akory no nampibebaka an’i Joba teo anatrehan’Andriamanitra , fa ny fahatsiarovany ny teny tsy voahevitra sy tsy voalanjalanja nataony tamin’ Andriamanitra . Ny « vovoka » sy « lavenona » voalaza eto dia mifandray amin’ny fisaonana sy ny fanetren-tena izay fahita matetika ao amin’ny Testamenta Taloha. Raha teo anatrehan’ireo namany sy ny vadiny dia tsy nanan-keloka izy , ary tsy mitombina avokoa ireo fiampangana momba azy .Tsy nanamarin-tena tamin’izany izy . Ny olo-marina dia tsy maintsy mihevitra mandrakariva ,sao sanatria ka nisy teny na fihetsika tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ary mibebaka isanandro .

Fanontaniana :

Inona no lesona azonao azonao ampiharina amin’ny tantaran’i Joba ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV