Alahady 10 Janoary 2021

1 SAMOELA 1.1-13

Mahaiza mandamina ny fiainan-tokantrano

Lesona roa no hotsoahina avy amin’ity tantara ity :

1-Fadio ny mampirafy

Nanana vady roa i Elkana , dia i Hana sy i Penina . Tsy mba nanan-janaka tahaka an’i Penina i Hana . Na dia teo aza ny fitiavan’i Elkana an’i Hana dia mbola nalahelo sy nitomany hatrany izy , sady tsy nety nihinan-kanina ; nanao izay hahasorena azy sy nandrabiraby azy hatrany mantsy ny rafivaviny . Efa nahita olana tahaka izao i Abrahama raha nanambady an’i Saray sy Hagara . Rehefa tsy manaraka ny lamina napetrak’Andriamanitra tany amboalohany momba ny fanambadiana ny olona , ka manambady maro , dia tsy maintsy hisy ny fifandrafiana, na mivantana izany na ankolaka . Fadio fa ratsy ny fampirafesana . Efa andron’ny mazava izao .

2-Ento eo anatrehan’ny Tompo ny olana

Sahirana ny sasany , vaky ny lohany . Izany no matetika mahazo ny olona mampirafy. Tsy amin’ny fampirafesana ihany , fa mety hisy toe-javatra manahirana eo amin’ny fiainantsika , ka mila hahakivy sy hiheverana fa toa tsy misy dikany intsony ny fiainana . Mety ho azon-dehilahy natao ihany ny nibedy an’i Penina isaky ny manao teny mampalahelo an’i Hana , na koa nanatona mpimasy sy mpisikidy toy ny fanaon’ny Jentilisa . Tsy izany anefa no nataony , fa nivavaka mafy tamin’ny Tompo izy sady nitomany , ary koa nanao voady teo anatrehany . Na dia tsy niloa-bava aza izy fa niteny am-po dia azony antoka fa manatrika azy ny Tompo ka mihaino ny vavaka ataony . Tanteraka taminy ny tenin’i Jesoa hoe :  » Fa ianao kosa raha mivavaka dia midira ao amin’ny efitranonao , ka rehefa voarindrinao ny varavaranao dia mivavaha amin’ny Rainao . Izay ao amin’ny mangingina ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao « 

Fanontaniana :

Inona no lazain’i Jesoa momba ny ampirafesana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV