Zoma 08 Janoary 2021

ISAIA 45.1-8

Maneho ny maha- Andriamanitra Azy ny Tompo

1-Amin’ny alalan’ny fanafahany ny olony

Kivy ny vahoakan’Israely satria babon’ny Babyloniana , izay firenena nanana ny tanjany sy ny heriny rehetra ka nifehy firenena maro . Rava ny Tempoly , natao sesitany ny ankabeazan’ny mponina tao . Noho izany toe-javatra izany , dia nanontany tena ireo lasan-ko babo , nihevitra ny sasany fa resin’ny andriamanitry ny Babyloniana Jehovah . Manoloana izany fahavoazana sy fahaverezan-kevitra izany indrindra no hanehoany fa Andriamanitra mpamonjy izy . « Mamonjy ny Tompo  » . Izany no dikan’ny anarana hoe: Isaia . Na inona na inona zava-miseho eo amin’ny fiainantsika vahoakan’ Andriamanitra dia tsy tokony hanadino isika fa efa nanafaka antsika tamin’ny herin’ny fahafatesana i Jesoa . Noho ny fitiavany hamonjy antsika dia noreseny avokoa izay hery ratsy rehetra mampahory ny olona mba hananan’izay mino fiainana .

2-Mba hanehoany fa tsy mahafoy ny olony Izy

« Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Israely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny Anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao » (and4) . Mety hisy olona tahaka an’i Kyrosy izay antsoin’Andriamanitra hanao asa iray , tsy noho ny aminy anefa no niantsoana azy fa ho fanehoana ny maha- Tompon’ izao rehetra izao an’Andriamanitra . Manana fihevitra izay tsy tahaka ny fiheveran’ny olona ny Tompo . Eo am-pelatànany ny fahefana hifehy ny fanjakana sy ny firenena rehetra . Azony ampiasaina ny olona rehetra na iza na iza na ny zavatra rehetra na inona mba hanehoany ny maha-Andriamanitra Azy . Tokony hahay manetry tena fa tsy hirehareha ny olona iray raha toa ka mba isan’ izay nofidin’Andriamanitra na nomeny fahefana na nahita fahombiazana tamin’izay nataony . Tsy avy aminy izany .

Fanontaniana :

Tsapan’ny fiangonana tokoa ve ny fanatrehan’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV