Alahady 18 Oktobra 2020

2 TIMOTY 1.1-5

Misaotra an’Andriamanitra noho ny amin’ny fanompoany sy noho ny amin’iTimoty « zanany malala indrindra » i Paoly eto , dia i Timoty izay tanora nomena andraikitra ary nahavita izany , satria voalaza tsara ara-tsoratra masina . Hita misongadina eto àry fa manana finoana tsy mihatsaravelatsihy ny tanora raha :

1-Mampianatra Soratra Masina ny Ray amandreny (and5)

Asehon’i Paoly eto fa i Timoty dia nandray ny finoana miampita tamin’ny alalan’ny fampianarana Soratra Masina tao an-tokantranony ihany . Ny mpandinika sasany dia milaza fa mbola zaza mihitsy aza iTimoty dia efa nampianarina Soratra Masina , hany ka tsy misalasala i Paoly milaza hoe : « finoana tsy mihatsaravelatsihy … ao anatinao koa » , izany hoe : tena nahavita ny anjarany tamin’ny fikarakarana ara-panahy ny taranany i Eonika reniny sy i Loisa reniben’i Timoty . Ny ray amandreny niteraka araka izany no tompon’antoka voalohany amin’ny fitaizana ny finoan’ny zanany , tahaka izay nataon’i Josefa sy Maria tamin’iJesoa . Koa raiso ny andraikitra , tezao ara-tsoratra masina ny zanaka .

2-Mahataiza tsara ny Raiamandreny

Hita taratra eto amin’ity andininy ity fa i Paoly amin’ny maha-Riamandreny am-panahy azy dia nahatontosa tsara koa ny andraikiny . Voalaza eto fa « andro amana alina » no mahatsiaro am-bavaka an’i Timoty izy, ary tsy izany ihany fa tsikaritra eto koa ny fahatsaran’ny fifandraisan’izy mianaka (and4). Maneho izany fa i Paoly dia Raiamandreny akaiky ny tanora ka nahay nampita taminy ny fomba sy torohevitra samihafa hahazoan’i Timoty mitombo amin’ny finoana sy manao ny anjara fanompoana napetraka taminy , ary iTimoty kosa dia mandray tsara ireo anatra sy torohevitra rehetra amin’ny finoana ny tanora , na dia ny tsy niteraka mivantana aza , hahatonga azy ireny hahajoro sy hiroso amin’ny finoana masina .

Fanontaniana :

Raimandreny sy Ray amandreny , hatraiza ny fitaizana ataonao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV