Alahady 09 Aogositra 2020

HEBREO 11.12-40

 Ny ady  atao amin’ny finoana

Nilazana  ny herim-pinoana  nananan’ireo  mpanompo  maro  samihafa ny Heb 11 , ary  koa  nanehoana ny fahamarinan’ny Soratra Masina , fa tsy  miala maina akory   ireo  olona nisahirana sy niaritra ny  fisedrana  maro  samihafa. Mitanisa olona maro  izy kanefa  manomboka  amin’ny and  32 dia  natambany  ny filazana  ny herim-pinoana  nisy tamin’ireo  olon’Andriamanitra  niavaka tamin’ny zava-bitany  araka ny  itantaran’ny Soratra Masina azy.

1-Amoizana aina ny ady

Raha  vao  mieaka ady  dia izao no ao an-tsain’ny  olona  amin’ny ankapobeny  : misy mpifanandrina roa na maromaro  na tena marobe  izay samy mampiasa fitaovam-piadiana  isankarazany . Mandrakariva  dia misy ny mpandresy   sy ny resy  ary amotehana  zavatra maro izany  sady amoizana aina ihany koa. Mety ilazana  an-dry  Davida  ohatra izany  , satria tena miaramila mpiady ireny  . Ry Daniela sy ny toa azy  kosa , na dia tsy mpiady  toy ny miaramila  aza dia lazaina hatrany hoe : niatrika ady satria nisedra zava-mahafaty  nohon’ny  fialonan’ny hafa ( jereo  Efe 6.10-13) .

2-Ahazoana vokatsoa tsara lavitra ny ezaka vita

Ny Soratra Masina  dia milaza  fa tsy  ho  foana tsy akory  ny fikelezana aina ao  amin’ny Tompo  (1 Kor 15.58) . Koa  nahatoky  sy  nahery  , ary nahavita  nisedra zava-tsarotra ireny  olona ireny  , eny hatramin’ny  famoizana ny aina aza . Matoky  mantsy  izy  , fa Andriamanitra dia mahay  mamaly  zavatsoa  indrindra ho azy  , dia ny fitsanganan’ny  tena amin’ny maty  . Izany    no ilazan’ny Soratra Masina hoe : “Sambatra ny  maty  , dia izay maty  ao  amin’ny Tompo  “ (Apo  14.13).

Fanontaniana:

Efa niatrika ady amin’ny maha- kristiana anao ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV