Alarobia 27 Mey 2020

ANKATOAVY NY FITARIHAN’NY FANAHY MASINA

MATIO  12.22-30

Ny Fanahy Masina  sy ny asam-pamonjena

Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra  kosa no amoahako  ny  demonia, dia efa tonga aminareo  sahady  ny fanjakan’Andriamanitra” (and28)

1-Hery mitondra fanafahana

Talanjona  ny vahoaka rehefa nahita fa nositranin’I Jesoa  ilay lehilahy  demoniaka , izay  sady jamba no moana.Tsy  faly  kosa ny Fariseo ka indro niampanga an’iJesoa

. Nolazainy  fa “Belzeboba lohan’ny  demonia” no nentiny  niasa. Namaly  azy  ireo I Jesoa  ka nambarany  fa tsy  maintsy  hery  ambonin’izay  hery nananan’ny  demonia no nampiasainy  handresena ny  demonia  mba hanafahana izay  voafatony. Nambarany fa ny  Fanahy  Masina  no nentiny  namatotra  ny herin’ny demonia sy  nanafaka  ilay  voafatony ka nahatonga ilay  lehilahy  ho  afaka  sy  nahazoany  fahasitranana. Mazava  araka izany  fa ny herin’ny  Fanahy  Masina irery  ihany  no afaka handresy  an’ i satana sy  hanome fiainana vaovao  ny olona ;

2-Maneho  ny  fanjakan’ Andriamanitra .

Ny asan’ i satana dia mamatotra  ny  olona , mampahory  azy  mba tsy hananany ny  tena fiainana.Miasa amin’ny alalan’ny  Fanahy  Masina noho izany  i Jesoa  Kristy  Tompo , mba hanafaka ny olona , hanala ny olona eo  ambany  fatoran’i satana , ka hitondra  ny olona handray  indray  ny fiainana voaomana  ho an’ny olom-boavonjy  ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra  .Rehefa manaiky hiasan’ny Fanahy Masina  ny  olona  dia afaka mahita  ny fanjakan’Andriamanitra .Andriamanitra  no  mitoetra sy  manapaka ny  fiainany .

Fanontaniana :

Nahoana no mbola mamatotra  olona maro  ilay ratsy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV