Talata 21 Janoary 2020.

MARKA 8.22-26

Ny herin’i Jesoa

1-Hitan’izay manam-pinoana

Nentin’ny olona ity lehilahy jamba ity hanatona an’i Jesoa , ary ireto nitondra azy ireto dia nino tokoa fa raha kasihin’i Jesoa fotsiny ilay jamba dia hahiratra . Io finoana nananan’ireo nitondra azy dia ampy nahatonga an’i Jesoa handray ilay lehilahy sy hitantana azy ho any amin’ny fahiratana . Manàna finoana fa hitan’i Jesoa izany .

2-Hikarakarany izay tonga eo Aminy (and23)

« Ary nitantana ilay jamba  » i Jesoa , izany hoe: noraisiny an-tànana ity lehilahy tonga eo aminy ity , tsy nailiny , fa nanehoan’i Jesoa ny heriny na dia tany ivelan’ny tanàna kosa aza no nanasitranany azy . Ny hevitry ny teny hoe : tànana mantsy , ankoatry ny hoe : fanampiana dia teny fampiasa ilazana ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra ary ny asa ataony koa. Eto izany dia mahatsapa tanteraka ny herin’i Jesoa mandray an-tànana azy ity lehilahy jamba ity , na dia fanasitranana miandalana aza no hita eto . Io fanasitranana miandalana io koa anefa dia nentin’i Jesao hisarika ny sain’ny mpianany hahalala fa Izy no Mesia .

2-Tsy entiny mizahozaho (and26)

Marina fa misy ny antsoina hoe: tsiambaratelo mesianika ao amin’i Marka , izany hoe: finiavan’i Jesoa tsy mbola te-hiseho , fa etsy ankilany dia tsapa eto ny fanetretenan’i Jesoa , izay na dia manana ny herin’ Andriamanitra aza, nampahiratra ny jamba , dia tsy nampiasa izany hilam-boninahitra na deradera . Porofon’izany no nilazany mba tsy hiditra ao an-tanàna akory ity vao nositraniny ity . Mianara amin’i Jesoa , aza tia sehoseho na mila voninahitra amin’ny asa soa atao.

Fanontaniana:

Maninona ny olona no mbola mila deradera rehefa mba manao soa ny hafa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV