Alahady 19 Janoary 2020.

ASAN’NY APOSTOLY 5.29-32

Avy nosamborina sy natao an-tranomaizina ny apostoly eto nefa nafahan’ Andriamanitra taminn’y fomba mahagaga, ary indreo mitoriteny eny an-kianjan’ny tempoly .Manao ny iraka nampanaovina azy ireo .Hitantsika eto fa :

Ny tena irak’i Kristy dia:

1-Matotra amin’ny fijoroana ho vavolombelona (and29)

Ny matoanteny hoe: « namaly » eto dia teny feno fianteherana sy fahasahiana . Izany no namalian’i Petera ny fandrarana nataon’ny mpisoronabe . Sahy i Petera miteny fa Andriamanitra no tokony ekena mihoatra noho ny olona .Porofon’ny fankatoavan’ny Apostoly raha fandrarana no natao’ny mpisoronabe tsy hanononana ny Anaran’i Jesoa intsony , dia vao mainka feno ny fampianarany i Jerosalema manontolo .Ry havana , Andriamanitra ihany ankatoavina na iza na iza manery anao hanao zavatra mifanohitra aminn’y sitapony .

2-Mahitsy amin’ny filazana ny marina (and10)

Tsy niolaka iPetera raha nilaza eo anatrehan’ny Synedriona , hoe: »novonoinareo  » i Jesoa.Tsy izany ihany fa ataon’i Petera mihasikasina eto ihany koa fa na dia namono an’i Jesoa aza ny Jiosy , dia ny tàna-maherin’ Andriamanitra kosa no nampandresy an’i Jesoa , nandreseny ny fahafatesana .

3-Manoro ny làlam-pamonjena (and31-32)

Petera eto dia tonga amin’ny fanoroana ny Synedriona fa mbola afaka mahazo famelankeloka sy mibebaka izy ireo , satria izany indrindra no antony nahatongavan’i Jesoa . Isika koa dia dia tokony hitaona ny olona izay hitsiantsika amin’ny fomba rehetra hahalala fa mandray ny mpanota mibebaka ny Tompo .

Fanontaniana:

Hatraiza ny fahasahiana mijoro ho vavolombelon’i Kristy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV