Alatsinainy 06 Janoary 2020.

Maneho ny tana-maheriny ny Tompo

ISAIA 43.11-13

Vavolombelona isika!

1-Hanambara fa Izy ihany no Tompo sy mpamonjy

Nofidin’ Andriamanitra ny firenena Israely mba ho fanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy , ho vavolombelona hanambara Azy, ka ny famonjena dia tsy valisoa noho ny tsara vitany , fa fanehoan’ Andriamanitra ny tànany mahery sy miasa ho famonjena azy sy izao tontolo izao sy hahalalany ny momba an’i Jehovah Andriamanitra. Ny famaizana an’Israely dia mampiseho ny fahamasinana sy ny fahamarinany . Ny fanavotany azy dia mampiseho fa tsy voavonjin’ny heriny sy ny miaramilany ny olona . Izy irery ihany no Tompo sy Mpamonjy : »Izaho dia Izaho ihany no Jehovah ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho » (and11).

2-Hanambara ny heriny Tsitoha

« Ary tsy misy maharombaka amin’ny tànako . Miasa Aho ka iza moa no mahasakana izany ?  » (and13) .Sarotra tamin’izany fotoana izany ny hieritreritra fa handresy mora foana ny firenena Babyloniana izay ao anatin’ny heriny sy ny tanjany tanteraka ny Israely babo. Firenena Jentilisa , izay tsy mahalala an’ Andriamanitra akory no nataon’ny Tompo fitaovana teo am-pelatànany hanafahana an’Israely.Toa nofy izay hody avy amin’ny fahababoana ho any Jerosalema, saingy ao anatin’ny toejavatra sarotra toy izao indrindra no hanehoan’ Andriamanitra ny heriny .Tsy miankina velively amin’izay hery eo am-pelatànana ny fanatanterahan’ny Tompo ny famonjeny , fa asany samirery izany .

Fanontaniana:

Afaka hijoro ho vavolombelon’ny Tompo ao anaty sarotra ve isika ?Manomeza ohatra ifampizarana.

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV