Sabotsy 04 Janoary 2020.

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

SALAMO 34.1-8

1-Miankohofa eo anatrehany

Nandositra an’i Saoly i Davida , ary tonga tany amin’i Abimeleka. Nony hitany fa nahafantatra azy ity mpanjaka ity dia natahotra indrindra izy ka nitady izay fomba rehetra handosirana. Rehefa afaka izy dia tsaroany fa namaly ny vavaka nataony ny Tompo . Fantany fa tsy ho afa-mandositra eo anatrehan’i Saoly mpanjaka izy raha tsy i Jehovah no niaro sy nitantana azy isanandro . Izany no nahatonga azy hihira hoe: « Hisaotra an’i Jehovah lalandava aho. Ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy » (and1). Ny hoe: « misaotra » eto dia midika hoe: miankohoka eo anatrehan’i Jehovah sy manaiky ny heriny sy ny fahefany. Ny olona izay nahatsapa fa nandray no mahay misaotra sy mankasitraka. Izay rehetra efa niasan’ny tànany mahery sy nandray ny famonjena natolony tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana dia tsy hitsahatra hiankohoka eo anatrehany , ka hisaotra sy hanome voninahitra Azy.

2-Taomy ny manodidina hiara-midera Azy

Te-hizara amintsika ny tombotsoa azony avy amin’ny fiarahany amin’ny Tompo ny mpanao salamo . Asainy izay rehetra malahelo sy mahatsiaro fa iharam-pahoriana ka mila fanampiana , mba hiara-mivavaka aminy .Ambarany fa mihaino vavaka Andriamanitra , mamonjy ny mahantra Izy . Hitantsika izany amin’ny alalan’ireto fanentanana ireto: »Miaraha mankalaza an’i Jehovah amiko «  (and3).Tsarovy fa adidintsika ny mampahafantatra ny vaovao mahafaly momba an’i Jesoa Kristy .Taomy ny hafa mba hisaotra sy hidera ny Tompo . Miderà Azy .

Fanontaniana:

Nahoana no tokony hisaotra Azy isanandro isika?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

 

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV