Talata 12 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia  34.8-22

Ratsy toetra loatra ireto Israely ireto satria :

1-Manome tsy foifoy :

Izany no azo ilazana ny mpanapaka teo amin’Israely sy ny vahoaka  . Didy mila arahin’izy ireo ny  fanafahana izay rehetra babo  , notanana nandritra ny enintaona  mialohan’ny taona fahafito . (Eks 21.2-6). Nanaiky hampihatra izany ny mpanapaka sy ny vahoaka , nefa dia naveriny indray ireo andevo ireo hanompo azy tato aoriana. I Jesoa dia nanameloka ny fomba fisainana toy izany , ka nilaza hoe : « Fa aoka ny teninareo ho eny , eny ; tsia , tsia , fa izay  mihoatra noho izany dia avy amin’ilay ratsy » (Mat 5.37).

Hitan’ Andriamanitra anefa izany ka loza fa :

2-Manandevo ka  tonga andevo :

Nahatezitra an’ Andriamanitra ny fhetsiky ny mpitondra  sy ny vahoaka. Toa naka an’ Andriamanitra ho vavolombelona hiampanga azy  izy ireo . Nivadi-panekena izy ka dia : ho resim-pahavalo izy , ny voro-manidina no hihinana ny fatiny, hiverina  handrava ny tanànany sy  haka azy ho babo indray ny Babyloniana  . Tandremo fa « Andriamanitra tsy azo vazivaziana , fa  izay afafin’ny olona  no hojinjany »  (Gal 6.7 ).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV