Sabotsy 09 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 32.1-15

An’ Andriamanitra tokoa ny tantara sy ny fiainan’ny olona, ka Izy no mandahatra azy . Jereo fa:

1-Tsy maintsy tanteraka ny fandravana ny firenen’i Joda

Zava- niseho tamin’ny taona 587 talohan’ i Kristy io (and1). Babon’ny tafika Babyloniana i Jerosalema , ary ho lasa babo ny mpanjaka sy ny vahoaka . Voagadra noho izany faminaniana izany i Jeremia . Na inona na inona fanoherana ataon’ny olona dia tsy maintsy tanteraka ny Tenin’ Andriamanitra . Ny lanitra sy ny tany ho levona , fa ny Tenin’ Andriamanitra tsy ho levona.

2-Tsy maintsy hiverina amin’ny taniny ny Jiosy

Asaina mividy ny tanin’ny rahalahin-drainy i Jeremia. Tafiditra ao amin’ny fanaon’ Andriamanitra eo amin’ny faminaniana izao fampanaovana fihetsika an’i Jeremia izao . Na dia voafonja aza izy , ary mbola ho babo ny fireneny dia asehon’ Andriamanitra fa mbola hiverina eo amin’ny taniny izy ireo (and15). Moa tsy marina ho antsika ve ny teny hoe : « Fa raha mbola hisy koa ny farany , dia tsy ho foana ny fanantenanao » (Oha 23.18) ? Aza kivy na miatrika ady aza ianao , fa an’ ny Tompo hatrany ny teny farany .

 » Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV